TENY FANOLORANA “Feno ny hanitry ny menaka manitra ny trano” (Jaona 12. 3b) Ny dikan-teny iombonana (DIEM), dia milaza fa ilomanitra sarobidy natao tamin’ny narda, milanja ampahatelon-kilao no nampiasain’i Maria avy any Betania, izay rahavavin’i Marta, hanosorana ny tongotr’i Jesosy, ary dia namaoka ny tongony tamin’ny volon-dohany izy. Fitiavana re izany ! ... fanetrentena re izany ! Vokany ? Feno fofona mamerovero ny trano !... na Jesosy Kristy aza vaky vava hoe : “n’aiza n’aiza eran’izao tontolo izao... dia holazaina koa izay nataony” (Matio 26. 13). Anisan’ireo vehivavy ho dinihintsika rahateo, ao anatin’ilay BOKY VAOVAO Mana ho an’ny vehivavy “ VEHIVAVY TSARA ” ny momba an’i Maria... Haka fotoana ary isika any anaty Vondrona miara-mandinika Soratra Masina (“cellule d’étude Biblique”) manerana ny Nosy, hamakafàka ny fiainan’ireo vehivavy mahatratra iraika amby telopolo (31), izay ho dinihina lalina, miaraka amin’ireo fanontaniana fitarihan-dàlana. Ho hanitr’i Kristy tokoa anie aho eo amin’izay toerana misy ahy amin’izao TAONA VAOVAO izao ! (2 Korintianina 2. 15). Tsy tongatonga ho azy anefa izany, fa miezaka ny hifototra amin’ny Tenin’Andriamanitra bebe kokoa hatrany isika ato anatin’ny Mana isan’andro. Ny Filazantsara araka an’i MATIO dia hampivoitra fa Jesosy Kristy no Mpanjaka sy Mpamonjy nampanantenaina. Ny Bokin’ny GALATIANINA hanazava ny fiainana ny fahafahana tanteraka eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina. Ny Bokin’ i JOBA hanome antsika lesona ny amin’ny fiaretana, ary ny boky JOSOA hampiorina ny fahatokiantsika ny amin’ny fomba fitantanan’Andriamanitra. Rakotolehibe Mamy Tale Nasionaly FMMB Soratra masina ho an’ny herinandro : Salamo 145. 2 ALAHADY 1 JANOARY MATIO 3. 1-17 F. 2, 3 MPANOMPO MANETRY TENA Jaona mpanao batisa. Mahafantatra tsara ny toerany i Jaona. Mampitodika ny olona ho any amin’i Jesoa Ilay tokony andrandrain’ny maro izy fa tsy mampifantoka ny olona amin’ny tenany sy izay mety ho fahombiazany. Izay rahateo angamba no nahatonga azy hitafy toy izao sy hanao ny tenany ho tsy manintona loatra (4). Anterin’izao fihetsiny izao izay nambarany notaterin’i Jaona hoe :« Izy tsy maintsy mitombo fa izaho tsy maintsy mihena » (Jaona 3. 30). Ry taranaky ny menarana. Fa nahoana loatra ary i Jaona no dia toa mbola masiaka be ihany nefa olona efa manatona hatao batisa izao ?(7-9) Mampitandrina ireo fariseo sy sadoseo i Jaona mba handinika tsara hoe tena fibebahana marina ve ny anton’ny hanatonan’izy ireo sa zavatra hafa. Ny menarana mantsy no nitondra fitaka tao Edena ka nahatonga ny fahalavoan’i Adama sy i Eva. Ilaina ny miteny hentitra indraindray sao dia misy tokoa ny olona sady mamitaka ny hafa no mamita-tena. Baiko : Takiana ny voa miendrika ny fibebahana. Jesoa. Sady tsy nanana ota Izy (2 Korintianina 5. 21) no efa hatrizay hatrizay kanefa dia nanaiky hitafy nofo ary nanaiky ny hataon’i Jaona, mpanompony, batisa. Ny nanetreny tena teo ambanin’ny tàna-maherin’Andriamanitra anefa dia nanandratan’Andriamanitra Azy kosa satria dia Andriamanitra mihitsy ny manambara ny momba Azy : Zanaka malalany ! Sitrany ! (17) Baiko : « Koa amin’izany manetre tena ambanin’ny tàna-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoan’andro; » (1 Petera 5:6) ALATSINAINY 2 JANOARY MATIO 4. 1-11 F. 2, 6 MANDALO SEDRA Mampametra-panontaniana ity fanambarana ity hoe ny Fanahy mihitsy no nitondra an’i Jesoa mba halain’ny devoly fanahy (1). Misy tokoa ny toy izany eo amin’ny fiainana kristianina, tahaka ireny mpianatra izay mandalo fanadinana ireny mba hisondrotra kilasy ka hitombo ho lasa lehilahy lehibe mahatratra ny ohatry ny fahafenoan’i Kristy (Efesianina 4. 13). Fanontaniana : Inona no fakampanahy efa niainanao ka nahatsiarovanao hoe nivoahanao ho mpandresy tokoa ? Voasoratra hoe...(4, 7, 10) Mila mivatsy ny Tenin’Andriamanitra hatrany isika raha hamakivaky ity taona ity indray. Hoy ny hafatr’i Paoly hoe : Aoka ny tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo ». Nampiany mihitsy hoe « amin’ny fahendrena rehetra » (Kolosianina 3. 16). Io fahendrena io dia midika ho fahafantarana tsara ny tena hevitr’Ilay teny sy ny fotoana mahamety tsara ny hampiasàna na hitànana azy.Raha tsy izay mantsy dia lasa maka fanahy an’Andriamanitra indray !(6-7) Ilàna fitandremana. Vavaka : Tompo ô ! Omeo ahy ny hanana fahendrena amin’ny fiainana ny Teninao. Amena. Miaritra fakampanahy. Resaka filàna fototra (hanina sy fitafiana), resaka fiarovana, resaka fahefana sy harena. Ireo no zavatra telo nakan’ny devoly fanahy an’i Jesoa eto. Hatramin’izao dia mbola eo foana ireo « V » ireo dia ny vola sy ny voninahitra. Toe-tsaina amin’izao mantsy dia ny fananana vola sy harena no mahatonga ny olona hanam-boninahitra. Tsy izany mihitsy anefa ny an’Andriamanitra : ilay endrik’Andriamanitra amintsika no mahatonga antsika hanam-boninahitra ary tsy ny hanan-karena no tokony ho tanjontsika kristianina (1 Timoty 6. 7-11). Fanontaniana : Inona no tanjonao ho amin’ity taona ity ? TALATA 3 JANOARY MATIO 4. 12-25 F. 1, 2, 3 MANOMBOKA MIASA I JESOA Miandry fotoana. Toa niandry mihitsy ny fiafaran’ny asan’i Jaona i Jesoa vao nanomboka ny Azy. Ny hafatra nentiny anefa dia fanohizana ihany izay efa nambaran’i Jaona : Fibebahana ! (17) Raha mba mahay miasa amin’ny fifamenoana toy izany koa mantsy isika mpanompon’ny Tompo amin’izao fotoana izao dia mba mety ho hitan’ny olona tokoa ny fifankatiavana eo amintsika. Endriky ny firaisana koa mantsy izany ! Miantso mpianatra. Vao aty amin’ny fiantombo-han’ny asa dia efa mitsinjo ny fitohizana sy ny faharetan’izany i Jesoa. Ankoatr’izay koa dia toa ampitainy amintsika fa « ny taon-trano tsy hefan’ny irery ». Inona tokoa moa no tsy ho hain’i Jesoa hatao na Izy irery aza saingy nisafidy ny hiara-hiasa tamin’ny hafa Izy. Fanontaniana : Inona no fanamarihana hitanao momba ireo olona nantsoin’i Jesoa ireo ? Toriteny sa asa ?Nifanindran-dàlana ireo ho an’i Jesoa. Fanafahana, fanasitranana… Ireo no asa hitantsika nataon’i Jesoa. Ny mampahery ihany koa dia ny fanamarihan’ny mpanoratra hoe : ny « rehetra » nentina teo Aminy dia nositraniny avokoa. Nanambara Jesoa fa izay mino Azy, ny asa ataony no ataony koa (Jaona 14. 12). Fa nahoana, araka ny fihevitrao, no tsy dia ahitana firy izao loatra intsony ny asa ataon’ny ankamaroan’ny kristianina amin’izao fotoana izao ? Izay manao asa toy izao no ahiahian’ny sasany ho tsy tena izy. Sao dia ny finoana no tsy ao ? Sa ve dia hilaza hoe tsy fotoanan’izany intsony izao ? Saintsaino : Jesoa nefa tsy niantso ny olona hoe avia fa aty dia hanan-karena ianao ! ALAROBIA 4 JANOARY MATIO 5. 1-12 F. 4, 6 NY TENA FAHASAMBARANA Iza no tena sambatra ? Raha araka izay fahita ao amin’ny Salamo sy ny Filazantsara, ny olona sambatra dia ireo izay mitandrina ny Tenin’Andriamanitra hany ka manana fiainana mifanohitra amin’izay fombam-piainana ety amin’izao tontolo izao. Anisan’ny sambatra ve ianao ? Ireo toetra miantoka fahasambarana : malahelo am-panahy(3), manetry tena,(4), malemy fanahy (5), noana sy mangetaheta ny fahamarinana(6), feno fiantrana(7), madio am-po (8), mpampihavana(9). Azo eritreretina fa ny korontana miseho amin’izao vaninandro izao dia manambara ny tsy fahitàna intsony ireo toetra ireo eo amin’ny olona satria manjaka loatra ny fitiavantena sy avonavona (2 Timoty 3). Ny kristianina izany dia tokony hahitàna ireo toetra ireo ho vavolombelon’i Kristy ety amin’izao tontolo izao . Tery amin’izany ve ianao ? Ny tsy maintsy andalovan’ny kristianina : Enjehina satria mijoro amin’ny fahamarinana (10), haratsiana nohon’ny amin’i Jesoa Kristy (11). Andeha anefa hanamafy ny fatokiana an’i Jesoa izay ao anatitsika. Izy mantsy efa naharesy ireny fahoriana rehetra ireny (Jaona 16. 33) Fizahan-toetra avokoa anefa ireny ka mila manana fijoroana vavolombelona hentitra. Fampanantenana valim-pitia omen’ny Tom-po. Ho setrin’ny fahoriana rehetra dia hisalotra ny anarana hoe zanak’Andriamanitra, hahita an’Andriamanitra, mpandova ny fiainana mandrakizay satria mahazo ny fanjakan’ny lanitra. Deraina ianao Tompo ô ! Fanontaniana : Karazana fahasambarana inona re no tadiavinao, ao amin’ny olombelona sa ao amin’i Kristy ? ALAKAMISY 5 JANOARY MATIO 5. 13-26 F.6 ASA TOKONYTANTERAHAN’NY KRISTIANINA Fanasina sy fahazavàna : Ny sira no manome tsiro : ”Aoka hisy sira ao anatinareo” hoy Jeso Kristy (Marka 9.50) Ampitandremany isika mba tsy ho voasingotry ny rehak’izao tontolo izao ka ho very tsiro.Moa ve ny fiteninao mba mamy sira mandrakariva ka mikatsaka hatrany zay hampandrosoany hafa sy ny tenanao koa ? Ny fahazavàna no mandroaka ny aizina : Jeso Kristy no Fahazavàn’izao tontolo izao (Jaona 1. 9) ka izay rehetra mino Azy dia efa niala tao anatin’ny aizina satria lasa zanaky ny mazava, afaka manambara ny fiainan’i Kristy ao anatiny ety amin’izao tontolo izao. Fanontaniana : Ahitàna izay fahazavàna izany ve ny fijoroanao vavolombelona eo amin’ny manodidina anao ? Fankatoavana sy fampiharana ny Tenin’Andria-manitra : Manaiky ny Tenin’Andriamanitra sy mankatoa ny lalàna Jeso kanefa dia manoro ny làlana tsara indrindra Izy (I Korintianina 12.31). Ny lalàna no manoro ny diso sy marina saingy mpihatsarivelatsihy kosa izay milaza fa mahatandrina tanteraka ny lalàna. Ny apostoly Paoly dia maninzingizina fa tsy ahazoana famonjena ny fitandremana ny lalàna (Galatianina 3. 23-25). Tsy misy afa-tsy ny finoana an’i Jeso Kristy irery ihany no hahazoana ny fanamarinan’Andriamanitra (Rômanina 3. 22-25). Fampihavanana : Tian’Andriamanitra ny mivavaka amin’ny fo tia fihavanana, mahay mifehy ny herisetra rehetra amin’ny namana ka miroso mandrakariva handravina ny olana eo amin’ny fiarahamonina. Saintsaino : Matio 5. 19 ZOMA 6 JANOARY MATIO 5. 27-37 F. 5 MASINA NY FANAMBADIANA Fijangajangana : Asehon’i Jeso eto ny maha zava–doza ny fijangajangana sy ny vokatra aterak’izany. Henjana ny famaritany ny atao hoe « mijangajanga ». Avy ao am-po no manomboka izany (28) hany ka ny fijery fotsiny aza dia toa miroso amin’izany. Rehefa zavatra tsy voakotrika tao am-po sy ny saina (anaty) tokoa mantsy dia tsy ho tanteraky ny tànana sy ny tongotra ary tsy hambaran’ny vava akory. Voady mariazy. Mila hajaina ny teny fampa-nantenana nataon’ny vava ka aoka ny teny ho « Eny » dia « Eny » (37). Ny fifanekena eo amin’ny fanambadiana manko dia taratry ny fifanekena amin’Andriamanitra (Hosea 2.21-22). « Zay nakamban’Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’olona » (Marka 10.9) hoy ny Tompo. Midika izany fa ny fisaraham-panambadiana dia tsy hevitr’Andriamanitra velively (31, 37) fa nataon’i Mosesy nohon’ny famafisampon’ny olona (Matio 19. 8). Ny fisaraham-panambadiana dia manokatra varavarana ho an’ny ota hafa. Saintsaino : Ny faniriana te-hiaina araka an’Andriamanitra dia mitaky fiovàna tanteraka eo amin’ny toe-tsaina. Esory. Raha ny momba ny tena aza – izay heverina ho tsy tokony ho sarahina amin’ny vatana – asain’i Jesoa esorina rehefa mitady hitondra ho any amin’ny fakam-panahy hahalavo amin’ny fijangajangana, mainka ve fa izay olona na fitaovana mitaona antsika amin’izany ! Fahita-lavitra, olona ifaneraserana... Mazava ny baiko hoe : Aza manome fitoerana ho an’ny devoly ! (Efesianina 4. 27). Vavaka : Tompo ô ! arovy ny mpanomponao amin’ny fijangajangana izay toa zary tsy mahamenatra ny olona intsony amin’izao andro izao. Arovy ny tokantrano kristianina tsy ho potiky ny devoly. Amena. SABOTSY 7 JANOARY MATIO5. 38-48 F. 1, 6 TONGA NY TSARA LAVITRA Ilay Mosesy vaovao. Tsara sady marina (Romanina 7.12) ireto lalàn’i Mosesy voalaza eto ireto (38, 43) kanefa mihoatra lavitra noho izany ny didy ambaran’ny Tompo. Mosesy dia mpampita fotsiny ny Tenin’i Jehovah (Eksodosy 20. 1) fa Kristy kosa dia ilay Zanaka manapaka ny Tranon’Andriamanitra mihitsy (Hebreo 3. 5,6) ka maneho ny tenany ho Ilay Mpanome lalàna vaovao amin’ny filazany hoe “Fa Izaho kosa“ (39, 44). Mampilahatra ny tenany amin’i Jehovah Izy amin’izany dia Ilay Jehovah mitonona ny tenany ho “Ilay Izaho Izay Izy hatrizay” (Eksodosy 3. 14). Ilay didy vaovaon’ny fitiavana. Na dia efa hita soritra ao amin’ny Testamenta taloha aza ny fitiavana ny hafa (didy folon’i Mosesy), eny ny fitiavana ny fahavalo aza (Ohabolana 25. 21-22), dia tsy afaka naneho fitiavana ny fahavalony ny Isiraely fahiny fa nandripaka azy ireny aza no nataony hiadiana amin’ny fanompoan-tsampy (Eksodosy 23. 23-24, 33). Nasehon’i Jesoa kosa fa tsy ny olombelona akory no fahavalo fa i Satana ka sintonina amin’ny fitiavana hiala amin’ny fahefany ny olona fa tsy amin’ny herisetra (38) ary valiana soa ny ratsy ataon’ny hafa (39-40, 44). Mitovy amin’izao tontolo izao ihany raha izay olona tiana sy tia ihany no tiavina (46, 47) fa ny Ray mantsy dia tia ny olona rehetra (45) ka tokony hanahaka ny fahatanterahany ny mpino (48). Tsy vitan’ny olona irery anefa izany fa mila ny fanampian’ny Fanahy Masina izy izay manafaka amin’ny “lalàn’ny fahotana sy fahafatesana” (Rômanina 8.2-3) Fanentanana : Miaina marina ny Filazantsaran’i Kristy ve isika ka mamaly soa ireo manao ratsy antsika ? Soratra Masina ho an’ny herinandro : Matio 5. 16 ALAHADY 8 JANOARY MATIO 6. 1-15 F. 3, 7 NY FOMBA FIFANDRAISANA AMIN’ANDRIAMANITRA Ny miseho sy ny miafina. Ny lalàn’i Mosesy dia voasoratra tamin’ny vato ivelany fotsiny fa ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy kosa dia voasoratra ao am-po mihitsy (II Korintiana 3. 3). Ny fijanganjangana ety ivelany no melohin’ny Testamenta taloha fa melohan’ny Tompo sahady kosa izay miafina ao anatin’ny olona (Matio 5. 28. Ny fanompoana atao hahazoana sitraka amin’olona (1) dia valim-pitia avy amin’ olona ihany no ho azony (2b,5b) ka ny asa soa (2) sy ny hetsika ara-panahy (5) izany dia mila atao ao amin’ny mangingina fa ny Ray no mahita izany (3, 4, 6). Toe-po anefa no tena katsahan’ny Tompo eto satria sitrany koa ny fanompoana mibaribaribary iaraha-manao amin’ny hafa. Ilay vavaka malaza nampianarin’ny Tompo. Mampiray ny vahoakan’Andriamanitra sady modely ity vavaka ity. Ny fankalazana ny Ray (9) sy ny fikatsahana ny sitrapony (10) no tokony mialoha ny fangatahana ny zavatra ara-nofo (11). Ilaina koa anefa ny mivavaka mba handresena ilay ratsy (13)sy hahazoana famelankeloka (12). Inona kosa re no miseho raha tsy avelan’ny Ray ny helok’izay tsy mamela ny heloky ny hafa (14-15) ho an’ny olona efa nohamarinina tamin’ny finoana (Rômanina 4. 5) ? Tsy fananana fiadanana ve sa fikatsoan’ny asan’Andriamanitra iandraiketana ? Ny valin’ny fanontaniana tsara indrindra dia ny mankatoa izay voalazan’ny Tompo, ka mamela ny helok’ireo izay mbola tsy navelatsika . Ahoana ny fomba fivavako ? Mety mahazatra ahy ny mamerina tsy tapaka ny vavaka nampianarin’ny Tompo kanefa raha tsy misy fampiharana izany dia tsy mifankaiza amin’ny vavaky ny jentilisa ihany (7-8). ALATSINAINY 9 JANOARY MATIO 6. 16-23 F. 3 TORO-LALANA AZO ANTOKA Zanaky ny mazava. Mifampitohy amin’ny foto-kevitra etsy aloha ny momba ity fifadian-kanina ity : tsy laza no tadiavina eto (16) fa fankasitrahan’ny Ray (17). Heverin’ny maro ho zavatra mendrika izany mivavaka izany ka na ny jentilisa (7) sy ny mpihatsaravelatsihy koa aza (16a) dia mba mivavaka. Rehefa itoriana ny Filazantsara ireo tsy mbola manana ny Tompo dia matetika re ny hoe “Izahay koa anie mba mpivavaka tahaka anareo e !”. Marobe ny fivavahana eran-tany fa vitsy ny mahita ny làlana dia i Kristy irery ihany izany (Jaona 14. 6). Marobe koa eto Madagasikara ny mpiangona Alahady fa mba maro toy izany koa ve ny manao ny sitrapon’Andramanitra ? Nahoana ary ny firenentsika no dia anjakan’ny ratsy maro toy izao (ao anatin’izany ny habetsaky ny halatra : 19b) ? Fa nankaiza ny kristianina fanasin’ny tany ?Ny mpino no maso mahita ny zavatra ara-panahy (I Korintianina 2. 9-10) ka raha tsy miasa tsara izany maso izany dia ho maizina ny firenena manontolo (23). Ho an’ny tsirairay koa dia ny finiavana hitady marina ny sitrapon’Andriamanitra no mitondra fahazavana eo amin’ny fiainany. Tsy azo antoka izao fiainana izao. Be ny zava-tsoa sy harena omen’Andriamanitra hankafizin’ny olombelona eto an-tany na mpino izy na tsy mpino. Tsy azo anankinana ny fo anefa izy ireny (21) fa mety ho simba, na hisy hangalatra (19). Ny harena any an-danitra no tena azo antoka ka tokony hatao lohalaharana ny fikatsahana azy (20). Fanontaniana : Aiza tokoa re no ametrahako ny foko e ? TALATA 10 JANOARY MATIO 6. 24-34 F. 5 NY FANAHIANA Ankoatry ny rarintsaina (stress) sy ny fiakaran’ny tosi-drà, dia ireto zavatra efatra manaraka ireto farafahakeliny ny vokatry ny fanahiana. Fanompoana andriamani-kafa (24). Anisan’ny miteraka fanahiana eo amin’ny zanak’olombelona ny harena (mamôna), na ny tsi-fahampiany izany, na ny fananana azy be loatra; izay fatra-pikatsaka azy io anefa dia lasa andevony ka mitady hery hafa hanampy azy fa tsy miankina amin’Andriamanitra irery intsony. Fisalovanana ny asan’Andriamanitra (25-27). Andriamanitra no efa nilaza fa ny zanany sy ny asan’ny tànany dia adidiny (Isaia 45. 11b). Noho izany, dia tsy afa-manakana izay efa nomaniny ho anao ianao, na mihevitra hanao mihoatra noho izay efa noheveriny; tafiditra ao anatin’izany na ny fitafy, na ny sakafo. Tsy latsa-danja noho ny fiahiany ny voro-manidina ny fiahiany anao izay zanany. Fihenan’ny finoana (28-30). Kely finoana no iantsoan’i Jesoa an’ireo izay be fanahiana ny amin’ny fitafy (28) izay ohariny amin’ny ahitra sy ny voninkazo maneho voninahitra vevitevy nefa hatsipy amin’ny afo rehefa avy eo ; fe-potoana tsy toa inona tokoa anie no tena mba ankifizanao fitafy iray izay tena mba notsiriritinao fatratra eh. Fanaovana ny fanaon’izao tontolo izao (31-34). Izao tontolo izao no tena fatra-panahy ny amin’izay hohaniny, hosotroiny, hotafiany, ary ny hoaviny. Amin’izany dia hataony avokoa ny fomba rehetra hahatanteraka ny filàny : halatra, lainga, fisolokiana, kolikoly, famonoana, fanompoan-tsampy, sns... Andriamanitra kosa anefa efa mahalala izay ho an’ny zanany (32b). Saintsaino : Matio 6. 33; Filipianina 4. 6; I Petera 5. 7. ALAROBIA 11 JANOARY MATIO 7. 1-12 F. 3 MIHEVERA NY HAFA Aza mitsara azy (1-6). Toetra malaky mahazo ny zanak’olombelona, indrindra fa ny kristianina, ny mitsara ny hafa. Mazava anefa ny baikon’i Jesoa eto :” Aza mitsara mba tsy ho tsaraina” (1). Manamafy izany koa izay voambara ao amin’ny Romanina 14. 1 hoe “Raiso ny malemy finoana nefa aza mandray azy hitsaranao ny eritreriny”. Fanentanana : Ny fahalemen’ny hafa hitanao dia fantatr’Andriamanitra fa zakanao ary natao mba handinihanao tena sy hivavahanao. Manolora izay tsara indrindra ho azy (6-11). Vonona ny hanome zava-tsoa ho antsika mandra-kariva Andriamanitra rehefa mazoto mangataka Aminy isika (7, 11, Hebreo 11. 6). Aoka ho toe-po riaki-tapisaka amintsika izany hoe manome izay tsara indrindra ho an’ny hafa izany (9-10). Tsarovy anefa fa Jesoa Kristy no fanomezana sarobidy indrindra tokony hatolotrao ny hafa satria Izy no antoky ny famonjena sy hahatonga ny hafa hanana anjara amin’ny fiainana mandrakizay. Mandraisa azy ho toy ny tenanao (12). Anisan’ny didy lehibe indrindra ilay hoe “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao” (Matio 22. 39). Fampiharana izany ny fanaovanao amin’ny hafa izay tianao hatao amin’ny tenanao (12) voalaza eto. Izay afafin’ny olona rahateo no jinjainy ka raha mba te-hinjinja tsikitsiky ianao ohatra, dia mamafaza tsikitsiky, sns.... Baiko : “Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an’ny namany koa” (Filipianina 2. 4). ALAKAMISY 12 JANOARY MATIO 7. 13-29 F. 6 HO AN’IZAY SAHY MIAVAKA NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA Sahy mandeha amin’ny làlan-tery (13-14). Izany hoe manana fahasahiana tsy mankany amin’ny fiainan’ny vahoaka maro an’isa fa mandeha araka ny sitrapon’Andriamanitra. Hoy indrindra ny mpanao Salamo ny amin’izany hoe “tsy mandeha eo amin’ny fisainan’ny ratsy fanahy, tsy mijanona eo amin’ny lalana falehan’ny mpanota ary tsy mipetraka eo amin’ny fipetrahan’ny mpaniratsira” (Salamo 1.1-2). Azo tsorina koa hoe tsy manaraka ny fanaon’izao tontolo izao (Rômanina 12. 2a). Sahy maneho voa tsara (15-20). Heverin’ny olona ho fahadalana amin’izao vaninandro izao ny fanaovana ny tsara. Noforonin’Andriamanitra hanao asa tsara anefa ny kristianina (Efesianina 2. 10); noho izany tokony ho hita taratra eo amin’ny fiainany manontolo izany fahatsarana izany. Sahy manao ny sitrapon’Andriamanitra (21-23). Tsy ampy hidirana ny fanjakan’ny lanitra ny fanononana fotsiny an’i Jesoa ho Tompo fa mila maneho ny maha-Tompo Azy amin’ny fanaovana ny sitrapony ka Izy no hekena mihoatra noho ny olona (Asan’ny Apostoly 5. 29) ary dia mahatsiaro ho rahalahiny sy anabaviny marina amin’izany (Marka 3. 35). Sahy mankatoa ny Tenin’Andriamanitra (24-29). Ny hoe Mankatoa dia mampihatra ny Teny. Sady antoky ny fiorenana mafy eo amin’ny fiainana kristianina (24-27) izany no hany afaka mitondra fiovana tsaraeo amin’izao tontolo izao satria misy fahefana ny Tenin’Andriamanitra (28-29). Fampaherezana :“Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana” (Lioka 12. 32). ZOMA 13 JANOARY SALAMO 148 F. 3, 7 FIDERANA AN’I JEHOVAH Ity Salamo ity dia manambara izay votoatin’ny Salamo manontolo : fiderana an’i Jehovah ! Manentana izao tontolo izao : na ny any an-danitra, na ny eto an-tany ny mpanoratra mba hidera an’Andriamanitra. Ary izany dia noho ny antony manokana. Ny any an-danitra. (1-6) Na dia kely aza ny fantatsika momba ny any an-danitra dia fantatsika fa misy tontolo any ambony any, izay misy ireo anjelin’Andriamanitra, misy ny masoandro, ny volana aman-kintana sns… Ireo manan’aina rehetra any an-danitra dia asaina hidera tsy mitsahatra an’Andriamanitra. Satria nahoana ? Satria teny avy amin’Andriamanitra no nahary azy ireo ary Andriamanitra ihany koa no mampitoetra azy ireo tsy hihetsika. Koa mainka fa isika izay misitraka ny fisian’ireo fanazavana amin’ny alina sy atoandro ireo, nahoana isika no tsy hidera an’Andriamanitra ? Ny eto an-tany (7-14). Na dia mihasimba aza ny voahary eto amin’izao tontolo izao dia hita ny fiandrianana sy ny fahalehibiazan’Andriamanitra Izay namorona izany. Na tendrombohitra, na havoana, na lohasaha..., mety maina ny sasany, mety mahavokatra ny hafa ; ahitana ny fisian’Andriamanitra daholo izany ka maha-te-hidera Azy. Manandratra tandroka ho an’ny olony izy (14). Mitahiry famonjena ho an’ny olony Andriamanitra ary faminaniana ny amin’ny famonjena ao amin’i Jeso Kristy izany. Izany no antony lehibe indrindra hideràna Azy ! Haleloia ! Vavaka : Salamo 8. 4-5 : « Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy ? Ary ny zanak’olombelona, no amangianao azy ? Fa efa nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy, ary efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana. » FAMPIDIRANA NY EPISTILY HO AN’NY GALATIANINA Ity taratasin’i Paoly ity dia nosoratana ho an’ireo fiangonana any avaratr’i Tiorkia amin’izao fotoana izao. Izy no nanangana ny sasany amin’ireo fiangonana ireo tamin’ny dia faharoa sy fahatelo nataony. Taorian’ny fandalovan’i Paoly sy ireo misionera namany anefa, dia nisy ireo olona tonga nitondra fampianaran-diso. Nambaran’izy ireo fa tsy maintsy ankatoavina foana ihany ny lalàna jiosy raha te-ho voavonjy fa tsy ampy izany finoana an’i Jesoa fotsiny izany ! Ny nampianarin’i Paoly anefa dia ny hoe olona afaka tamin’izany lalàna izany ny kristianina. Ankoatr’izay dia nanasoketa an’i Paoly ho tsy tena apostoly marina akory koa ireo. Mazava be ny fomba fiasan’izy ireo : Asiany aloha ny maha-izy azy an’i Paoly dia mirodana ho azy koa ny fampianarany avy eo. Ny tapany voalohany amin’ny taratasin’i Paoly hananterany amin’ireto kristianina tany amin’ny faritr’i Galatia ireto hoe tena Apostoly nofidian’i Jesoa Kristy tokoa izy ary i Jesoa mihitsy no nampianatra azy manokana dia tapany faharoa kosa dia entiny hanazavàna ny anjaratoeran’ny lalàna eo amin’ny fiainan’ny kristianina. Farany dia ambarany ny amin’izany fahafahana kristianina izany ho an’ireo izay manaiky ho tarihin’ny Fanahy masina. Ilaintsika kristianina ny mahafehy tsara ny hafatra fototra raketin’ity epistily ity mba hahatakarantsika tsara ny hevitr’izany hoe fahafahana kristianina izany. Tena mora milatsaka ao anatin’ny fombafombam-pivavahana sy fiverenana amin’ny làlana izay tsy mahavonjy mantsy na dia isika amin’izao andro izao aza. SABOTSY 14 JANOARY GALATIANINA 1.1-10 F. 6, 7 FAHAFANTARANA MAZAVA NY FIANDOHAN’NY ANTSOKO Paoly, Apostolin’i Jeso-Kristy (1-5). Na dia tsy anisan’ny Apostoly roa ambin’ny folo aza i Paoly dia manamafy fa tsy antson’olombelona ny maha-Apostoly azy fa antson’i Kristy sy Andriamanitra Ray (5). Fantany tsara fa ny fahefan’ny toriteniny dia tsy avy amin’izany fiaviany izany ihany, fa indrindra koa, avy amin’ny votoatiny dia Kristy nanolotra ny ainy hamonjy ny mpanota mba hanafaka azy amin’ny tontolon’ny faharatsiana (4). Raha te-hanompo ny Tompo araka ny sitrapony isika dia tsy maintsy manana antoka fa voavela ny helotsika ary Andriamanitra manafaka antsika amin’ny fangenjan’izao tontolo izao sy ny filàny. Fantatrao ve fa izany no maha-ianao anao ao amin’i Kristy ary n ho olona afaka ny antsonao ? Tsy miova ny Filazantsara (6-10). Toherin’i Paoly marindrano ny fihodinan’ny Galatianina amin’i Kristy izay niantso azy ireo ho amin’ny fahasoavana (6) ka ninoany “filazantsara hafa”. Io filazantsara hafa io dia voizin’ireo Jiosy mitonona ho kristianina ka manao fitan-droa ny famonjena ao amin’i Kristy sy ny fihazonana ny lalàn’i Mosesy. Kanefa, ny famonjena amin’ny alalan’ny finoana an’i Kristy no Filazantsara tokana sady ampy hahavonjy. Ny Filazantsara hafa rehetra dia noforonin’olombelona ary mitondra ho amin’ny ozona (7-10). Tsy mifankaiza amin’izay hiainantsika ny zava-misy fa maro ny Malagasy “kristianina” no miezaka mivavaka sy manompo an’Andriamanitra nefa mihazona ihany ireo fomban-drazana izay fantatra mazava fa tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra, noho ny antony fanantenana fitahiana sy fahasoavana amin’ireo razana !! Fanontaniana : Ahoana no fomba anohe-rako ireny fakampanahy misarika ahy hiala amin’ny tena Filazantsara ireny ? Soratra masina ho an’ny herinandro Matio 6. 24 ALAHADY 15 JANOARY GALATIANINA 1. 11-24 F. 1, 7 FANAMBARANA Fandrosoana tao amin’ny jodaisma nitondra ho amin’ny fahalalana an’i Kristy (13-17). Paoly, tao anatin’ny hafanam-pony tamin’ny fihazonana ny fomban’ny razana, no nanenjika ny Fiangonan’Andriamanitra. Nihevitra ny handrava sy hanapotika izany izy. Saingy tsy misy olombelona afaka hanohitra ny hevitr’Andriamanitra (Vakio Matio 16. 18). Tsy nampoizin’i Paoly fa efa nofidin’Andriamanitra hatrany am-bohoka izy noho ny fahasoavany. Ary hitory izany fahasoavana izany amin’ny firenena izy (15). Tao anatin’ny fitokanana, lavitry ny mety ho hevitra avy amin’olombelona no nandraisany ny fahalalana an’i Kristy (16-17). Nihaona tamin’i Petera sy Jakoba izy, tsy ny hoe hanome vaovao azy ireo fa hanambara amin’izy ireo kosa fa ekeny ny fahefany. Paoly, ilay nanenjika fahiny no indro miaro ny fivavahana izay nolaviny ankehitriny ! Fanambaràna an’i Kristy (11-12) Ny Filazantsara dia tsy hevitra haely na hampianarina, na koa filozofia ka hironana, na koa fampianarana hanangonana mpianatra toa ireo nataon’ny olo-malaza fahiny. Ny lazan’ireo mpampianatra malaza fahiny dia niorina tamin’ny sekoly nanabe azy. Ny an’ny Paoly kosa izay hireharehany dia miorina tamin’izay nampitain’Andriamanitra mivantana taminy : ny fahalalana an’i Jeso Kristy ! Hosaintsainina : Tandremo ny mampiorina ny fahalalana an’Andriamanitra amin’ny finoana ny fomban-drazana sy ny fampi-anarana avy amin’olombelona ! ALATSINAINY 16 JANOARY GALATIANINA 2. 1-10 F. 2, 5 MPIARA-MIASA HO AMIN’NY FAHAMARINANA Tsy mandeha irery (1-5). Inona no nahatery an’i Paoly hiverina any Jerosalema afaka efatra ambin’ny folo taona ary iza ireo niaraka taminy ireo ? Tsapany ny lanjan’ny fiangonana, izay tenan’iKristy ; noho ny fankatoavany dia nandany fotoana izy nanao tatitra am-pahasahiana ny amin’ny antsony sy ny asany amin’ireo tompon-tany isan-sokajiny avy. Ary satria nitoetra ao amin’i Kristy i Paoly dia nahay namantatra sy nanohitra mafy ny tetik’adin’ireo rahalahy sandoka izay te-hanozongozona ny fahafahana ao amin’i Kristy Jesosy. Manoloana ireo fombafombam-pivavahana, na fanarahana fitsipika samihafa izay manisy pentina ny fahadiovan’ny fiangonana, fofom-badin’i Kristy dia aoka tsy hisalasala na hanana henamaso olona isika fa ho sahy hijoro amin’ny fahamarinan’ny Filazantsara, dia ilay fahasoavana nomen’Andriamanitra antsika izay tsy misy hanampiana rehefa noraisintsika amin’ny finoana. Miara-miasa ao anatin’ny fahasamihafàna (6-10). Ny fampitàn’i Paoly izay noraisiny avy amin’Andriamanitra tamin’ireo apostoly namany dia nahitan’izy ireo fa nandray ny fahasoavan’Andriamanitra manokana izy ary manana iraka mazava tahaka azy ireo ihany koa :I Petera ho an’ny voafora ary Paoly ho an’ny jentilisa, mifanolo–tànana hazoto hitory ny Filazantsara amin’ny malahelo. Inona no lesona sintonintsika amin’ny fifandraisan’ireo apostoly ireo ? Mifanome tànana, mankasitraka ny asan’ny hafa, tsy manao mihoatra noho izay anjarantsika fa manatanteraka izany araka ny tokony ho izy, ary tsy mizaha tavan’olona. Misy fiaraha-miasa toy izany ve eo anivon’ny fiangonana eto amintsika ? Raha tsia, inona no andraikitra tokony horaisintsika ? Tsarovy : Andriamanitra tsy mizaha tavan’olona ! TALATA 17 JANOARY GALATIANINA 2.11-21 F. 2, 6 MITAFY NY SOATOAVINA KRISTIANINA Miambina mandrakariva (11-14). Nisy fandehanana tamin’ny nofo teo amin’i Petera : tsy sahy niharoharo tamin’ny jentilisa tonga kristianina izy rehefa teo anatrehan’ny jiosy. Fihatsarambelatsihy izany hoy i Paoly (13).Mitondra voka-dratsy izany satria izy tokony ho modely tahafina ary efa nandray fanambarana manokana momba izany izy (Asan’ny Apostoly 10). Ny loza aza dia lasa mihitsy mampivaona ny Filazantsara ny fihetsiny. Amin’ny fomba samy hafa tokoa ny fanambarana omen’Andriamanitra ny olony, ka sady mila feno ny Fanahy Masina lalandava, no mailo. Izany dia noho ny feo roa miteny ao anaty : ny an’ny tena sy ny an’i Satana ankoatra ny an’Andriamanitra, izay mbola mitady hanabosesika izay ninoana fahinyfa tsy manaiky handairan’ny Teny fiainana hampandroso ny tena sy ny hafa. Fanamarinana (15-21). Izay nibebaka ka nino sy nandray marina ny Filazantsara - rehefa nanenina tanteraka noho ny ratsy vita ka nifona noho izany - dia manova ny fitondrantena mba hampifandraika izany amin’ny fomba fijerin’Andriamanitra sy ny tari-dàlany amin’izay (20). Ireny no antsoina hoe: mpino na kristianina. Lasa marina eo anatrehan’ny Tompo ary atokany ho Azy, satria voafafa ny fahotany ary manomboka hatreo ny asam-panadiovana ny tsi-fahamarinana rehetra, nahatonga ny faharatsian-tsaina sy fo (Marka 7.20-23). Misy fiaraha-miasa amin’Andriamanitra feno amin’izany, ka mianatra mandrakariva mamantatra ny Sitrapony amin’izay hatao rehetra. Ny fitafiana ilay olom-baovao no hahatonga an’i Jesoa vao mainka hiditra an-tsehatra amin’ny fanavaozana, ka hanomezany ilay harena tsy hita lany ho solon’ny fiainam-pahotana, namatotra; nefa novàny hahay hanaja ho azy ny lalàna. ALAROBIA 18 JANOARY GALATIANINA 3. 1-14 F. 6 NY FOTOTRY NY FANAVOTANA Fivadihan’ny fiainam-panahy. Mametraka fanontaniana maromaro hampieritreritra ireto mpino tao Galatia i Paoly (1-5). Arakaraka ny fandehan’ny fotoana mantsy no nampiova ny finoan’izy ireo, ka lasa nibahanan’ny ezaka amin’ny maha-olombelona fotsiny. Ilay Vaovao Mahafaly nanova fiainana, noho ny herin’ny Fanahy Masina, toa tsy nekena intsony. Nalahelo i Paoly tamin’ny fahitàna fa fampianarana hafa no nahazo laka. Aoka haka fotoana koa isika ka hieritreritra ireo fanontaniana ireo, indrindra ilay voalaza hoe : “ nanomboka tamin’ny fanahy, fa niova ho ara-nofo ”(3)…Sao misy eo amin’ny fiainako izay efa fombafombam-pivavahana fotsiny sisa fa tsy misy aim-panahy intsony ? Tsy hahasolo velively ny hazofijaliana nandatsahan’i Jesosy Kristy ny ràny ho ahy, ireo fihetsiketsehana isan-karazany ataoko mba hahamendrika ahy. Lalàna sa finoana ? Somary niaro vosotra fandatsàna ny anatra nentin’i Paoly “Ry Galatianina adala…” (1) ; tsy noho ny haratsiam-panahy anefa akory, fa mba ho fampieritreretana lalina ireo mpino. Tsy ireo galatianina tamin’ny taonjato voalohany ihany anefa, fa isika ankehitriny koa dia voakasik’izany hafatra izany : Aiza na inona eo amin’ny fiainako no ahitàna fa ilay fahasoavana nentin’ny finoana, dia niova tsikelikely ho lasa fitsipi-dalàna an-kolaka tokony arahina ? Mila mitandrina koa isika mpitory Filazantsara sao tsy Vaovao Mahafaly intsony no toriana, fa vaovao mampitahotra noho ireo lalàna tanisaina fa tokony arahina. Jereo hoe inona avy ireo fandrika nahalatsaka ireto Galatianina ohatra ? Lasa ilaina ny fitandremana ny andro sasany (4. 10) ; mila mandalo ny famoràna mba hahatonga ny tena ho voavonjy (Galatianina 5. 2). Mazava ny ohatra noraisina momba an’i Abrahama, izay nanindriana fa amin’ny finoana no hanamarinana ny olona ; tsy misy olona hamarinina amin’ny lalàna eo anatrehan’Andriamanitra (11). ALAKAMISY 19 JANOARY GALATIANINA 3. 15-25 F. 6 FANEKENA NATAON’ANDRIAMANITRA Ny Teny fikasana. Amin’ny maha-voafetra ny fijery sy ny fahatakarantsika olombelona, dia ny sarin’ny fifanekena/didim-pananana eo amin’ny fiainantsika no raisin’ny Soratra Masina ho ohatra : tsy tokony ovaina na ampiana ny fanekena. Torak’izany hoy i Paoly ny fanekena nataon’Andriamanitra. Azo antoka ny Teny fikasana momba ny finoana, izay nomena an’i Abrahama telopolo amby efajato taona talohan’ny lalàna ; na tsy voafehin’ny fotoana sy ny toerana aza Andriamanitra, dia nanaiky handray ny fomba fijerintsika olombelona. Ny Teny nolazainy ao amin’ny Baiboly, dia marina ary tsy misy fifanoherana velively. Araka izay voalaza hoe : “tsy tsoahan’ny lalàna” (17), dia ampaherezin’ny Soratra Masina isika hifototra tsara ao aminy, “mba tsy ho zaza intsony, ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin’ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin’ny saim-petsy ataon’ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana” (Efesianina 4. 14). Ny lalàna mpitaiza. Mpanampy ny lalàna hoy ny Apostoly Paoly. Izy no niaro mba tsy hibahana teo anivon’ny fiarahamonina ny korontana sy ny fanjakan’ny Baroa. Vao miha-maneho ny fahalemen’ny olombelona izay tsy mahavonjy tena anefa izy. N’inon’inona tokoa mantsy ezaka hasehon’ny olombelona te-hanao ny tsara, sy hankatò ny didy rehetra, dia hita mazava fa tsy vitany izany. Na i Paoly tokoa aza moa ange dia nikiaka hoe : “ fa tsy izay sitrako no ataoko  ; fa izay halako no nataoko ” (Rômanina 7. 15) Tanterahin’Andriamanitra tao amin’i Jesosy Kristy ny halehiben’ny fahasoavany : navoakany avy tao amin’ny gadran’ny lalàna isika (23), ka afaka tamin’ny vahohon’ilay mpitaiza ! ZOMA 20 JANOARY GALATIANINA 3.26-4.7 F. 6 SATA VAOVAO Zanak’Andriamanitra. Izany no sata vaovao raisin’ izay mino an’i Jesosy Kristy Tompo (26). Inona no vokatr’izany raha dinihina izay voambaran’i Paoly (29) ? Lasa anisan’ireo taranak’i Abrahama koa isika, ary mpandova araka ny Teny fikasana. Mitaky fomba fiaina vaovao ny maha-vahoakan’Andriamanitra antsika : fiainana ao anatin’ny fifankatiavana sy ny firaisan-kina, tsy tarihin’ny fanavakavahana intsony (28). Tsy maintsy mieritreritra fatratra ny fomba fisainako sy fieritreretako aho araka izany : Aiza eo amin’ny fiainako no mbola misy avonavom-panahy mihevitra ny sasany ho ambany na tsy mendrika ? Rehefa halalinina mantsy ny dikan’ny hoe “Taranak’i Abrahama”, dia midika ho fianakaviana iray. Ny velarany. Hatraiza tokoa ary ny velaran’izany sata vaovao maha-zanak’Andriamanitra antsika izany ? Hampaherezin’ny Soratra Masina hanatona an’ Andriamanitra amin’ny fahasahiana isika (Hebreo 4. 16) : aza manaiky mihaino ny fanamelohana ataon’ny fahavalo intsony. N’inon’inona fahalemena mety manelingelina eo amin’ny fiainako, azoko atao ny mametraka izany eo amin’ny Tompo. Efa nentin’i Jesosy Kristy teo amin’ny hazofijaliana izany. Tsy mba manavakavaka ny Tompo : tia ny olon-drehetra Izy ary mandray izay rehetra miantoraka aminy : “…izay manatona ahy dia tsy mba ho laviko mihitsy” (Jaona 6. 37). Raiso amin’ny finoana ny Fanahin’ny Zanaka izay ahafahantsika miantso hoe : “Aba, Ray ô” (Galatianina 4. 6. Endrey izany fampanantenana entin’ny Tenin’Andriamanitra ! Na malahelo aho na faly, afaka miantso sy miresaka amin’i Dada Malala. SABOTSY 21 JANOARY GALATIANINA 4. 8-20 F. 2 AZA METY HO FITAHANA Fahadisoana lehibe (8-11). Fony mbola jentilisa isika dia nitady an’Andriamanitra anjambany, voageja tao anatin’ny karazana finoanoam-poana sy fahadalan’ny saina sy eritreritra. Rehefa tonga zanany isika dia nomen’Andriamanitra zavatra hafa noho ny lalàna : teny fikasana tsy misy fepetra izay avy amin’ny fitiavany sy ny fifaliany hitahy antsika. Indrisy, firifiry moa ireo kristianina izay manadino ny fahasoavana sy ny fahafahan’ny Fanahy ka milatsaka amin’ny fitandremana fombafomba samihafa. Nanangana antsika ho zanaka Andriamanitra, dia tokony hitondratena toy izany amin’ny fahatsorana sy amin’ny fahamendrehana isan’andro isika. Mangataka aminareo aho…(12-16). Inona no tanjon’i Paoly ? Hamerina ireo zanany amin’ny làlan’ny fahamarinana. Nampahatsiahiviny ireo zavatra mahafinaritra nitambarana sy ny fijoroana ho vavolombelona feno fitiavana nasehon’izy ireo taminy ; tsy toy izany kosa ny an’ireo mpampianatra diso, izay miseho hitondra fomba fanao vaovao hankalazana an’Andriamanitra. Nahoana no miresaka ny amin’ny fahalemeny i Paoly ? Finoana marina (18-20). Hitan’i Paoly ny finoana feno fitiavana nananan’ireto galatianina ireto. Noho ny tsy naha-teo an’i Paoly ve no nampivily ny fanaony ? Mampidi-doza ny manankina ny finoana amin’ny mpiandraikitra iray. Maro ankehitriny ireo karazana fiangonana miorina etsy sy eroa, manintona ny olona amin’ny fahagagana fa mangeja amin’ny karazana fombafomba sy fanatitra. Aoka ho mailo isika ! Ho saintsainina : Matio 24. 11-13. Soratra Masina ho an’ny herinandro Galatianina 4. 7 ALAHADY 22 JANOARY GALATIANINA 4. 21-31 F. 4 AMBANY FAHASOAVANA SA AMBANY LALANA ? Mitoetra ambanin’ny lalàna (21-27) Ho amin’ny fahafahana no namonjena antsika. Nefa maro ny olona no tsy miaina ny fahasoavan’Andriamanitra fa mbola voagejan’ny fanarahana ny lalàna. Tadidio fa tsy miankina amin’izay ataontsika no itiavan’Andriamanitra antsika. Ao anatin’ny fiainan’olona iray no ahitana an’Andriamanitra miasa. Ohatra noraisin’i Paoly ny an’i Abrahama, olona tena akaiky an’Andriamanitra ka nisongadina teo amin’ny fiainany, ny famantarana ny fikasan’Andriamanitra ho azy. Hita ao amin’ny fiainanao ve ny famantarana ny asan’Andriamanitra ? Zanaky ny teny fikasana (28-31). Ireo vadin’i Abrahama dia maneho mazava ireo fanekena roa : ny fanandevozana sy ny lalàna ary ny teny fikasana sy ny fahafahana izay ambaran’ny Filazantsara. Io fanoharana io no nahafahan’i Paoly mampiharihary ny tsy fahampian’ny lalàna. Ahoana ary no hatao ? Lazain’i Paoly ho “andevo” ireo izay mitoetra eo amin’ny lalàna ary mandà hijery azy ho fomba hanatrarana an’i Jesosy. Rehefa maka fanapahankevitra isika ka tsy miantehatra amin’ny Tompo, na rehefa mampitahà ny tenantsika amin’ny hafa isika ka misy fanamboniantena dia mampiseho ny fahamarinana araka ny eritreritsika izay fahavalon’ny fahasoavana. Araka izany, raha tiantsika ny ho Mpandova dia tokony hialantsika ny toetrantsika manao lalàna ny amin’ny zavatra rehetra. Fanontaniana : Anio, inona no safidianao : hijanona ho andevon’ny fahotana sa hiaina eo ambanin’ny fahasoavan’Andriamanitra ? ALATSINAINY 23 JANOARY GALATIANINA 5. 1-12 F. 5, 6 MANAO SAFIDY Tsy matotra. Ny hamaivan’ny fifandraisana manokana amin’Andriamanitra: na amin’ny fandalinana ny Teniny, na amin’ny fiainam-bavaka, na amin’ny fiombonana amin’ireo mpino, na amin’ny fitoriana ny Filazantsara no mahatonga ny karazana mpino maro voafitaka no sady mamitaka ny hafa. Araraotin’i Satana ny marefo ara-panahy mba hampifanjevo ny samy kristianina (9). Teto moa fanarahana ny lalàna jiosy ny amin’ny famoràna no resaka, fa azo adika koa ho fandikàna vilana ny Tenin’Andriamanitra (2 Petera 3. 16), tsy fahazoana tsara ny fanambarana, tsy fahampiam-pahendrena izany. Kristy sa ny lalàna? Ambaran’i Paoly mazava fa fandàvana ny famonjen’i Kristy ny fanekena ho foràna (4) satria izany dia midika ho fiezahana hanao izay hahazoana fahamarinana amin’ny alalan’ny ezaky ny tenany sy ny fombafombam-pivavahana ary fanitsakitsahana fotsiny izao ny fahasoavan’Andriamanitra (4b). Izay mihitsy no antony hanambaran’i Paoly mazava hoe olona afaka ny kristianina. Fanontaniana : Inona koa no mety heverin’ny kristianina sasany ho làlam-pamonjena ho azy amin’izao andro izao ankoatran’i Kristy ? Manaisotra ny masirasira (10-12). Izay mitondra fampianaran-diso, tsy araka an’i Kristy dia tokony handraisana fanapahankevitra hentitra hoy i Paoly (12). Mety hisy heviny roa io : na miala ilay mitondra fampianaran-diso na ialàna ny fiangonana, vondrona izay tsy mampianatra sy tsy miaina amin’ny tena fampianaran’i Kristy marina. TALATA 24 JANOARY GALATIANINA 5. 13-26 F. 6 FAHAFAHANA MISEHO EO AMIN’NY FIFANDRAISANA Mitarika ho amin’izao fanazavana izao ny filazan’i Paoly fa olona afaka ny kristianina (1). Ny fahafahana tsy midika hoe baranahiny. Hoy ny mpahay lalàna hoe mifarana eo amin’ny fiantombohan’ny fahafahan’ny hafa ny fahafahanao. Fahafahana baikon’ny fitiavana (13-15).Niteny i Paoly hoe esorina ny masirasira (10-12) ary izany dia tsy maintsy mandalo amin’ny fifanazavan-kevitra sy fifandresen-dahatra aloha. Eo no mahatonga azy hanantitra hoe aoka ho feno fitiavana hatrany : aza mifandramatra (15). Ny tsy fahaizana miresaka indraindray no mitarika amin’ny hoe “mifandramatra” io. Tsy ny olona no miady fa ny hevitra. Miady hevitra am-pitiavana ! Fitiavana : vokatry ny Fanahy (16-21). Io no fanalahidy atolotr’i Paoly : Avelao ny Fanahy no hitarika (18). Efa noraisin’ny mino io ary tombokase ho amin’ny andro fanavotana (2 Korintianina 1. 22 ; Efesianina 4. 30). Tsy ho amin’izay andro izay ihany anefa fa eo amin’ny fiainana isan’andro dia mibitsika amintsika hatrany io Fanahy io. Miatrika ady (22-26).Tsy mandeha ho azy anefa izany fa tena ady anaty mihitsy. Mipetraka isa-tsegondra ny safidy hoe : handeha araka ny Fanahy sa handeha araka ny nofo ? Ho an’ny olona efa nibebaka dia ny handeha araka ny fanahy no tiany satria fantany fa izay no ankasitrahana sady marina, izay no sitrapon’Andriamanitra (Rômanina 12. 1-2). Mila homboana isan’andro io nofo io ary izay no azo lazaina ho hevitry ny tenin’i Jesoa hoe : mitondra ny hazofijaliana ka manaraka Azy ! (Matio 16. 24). Fahamarinana : Rehefa feno ny Fanahy dia mahay mifandray tsara amin’ny hafa. ALAROBIA 25 JANOARY GALATIANINA 6. 1-10 F. 3 RAHALAHY MARO MIARA-MIZAKA… Ny fahotan’ny hafa (1-5) : Tsy fitsikerana na fitantarana amin’ny hafa no andrasana amintsika izay mahita ny rahalahy lavo fa ny fanarenana azy am-pitiavana. Tsy hoe hitanao lavo tamin’ny fahotana ny rahalahy dia ambany noho ianao izany izy ka anaovanao izay tianao hatao. Tsia ! Izy no tratra androany fa mety ho ianao rahampitso. Aza mihevi-tena ho tsara noho ny hafa fa aleo mandini-tena tsara ary aoka ho fifalianao ihany ny fijoroanao. Harena be ny fananana rahalahy mifananatra sy mifanarina. Ny fanohanana ny mpanompon’Andriamanitra (6-8) : Tsy fiandrandrana hahazo harena be no antony hanomezana ho an’izay mampianatra ny Tenin’Andriamanitra fa noho ianao nahazo zava-panahy avy taminy ary maniry ny mbola hahazo amin’izany zava-panahy izany ihany. Raha ho an’ny nofonao (harena, laza, voninahitra) no hanomezanao, dia hijinja fahasimbana ianao, fa raha noho ny Tenin’Andriamanitra kosa dia hijinja fiainana mandrakizay. Aoka tsy hanaiky ho voafitaky ny fampianaran-diso isika ka hihevitra fa rehefa manome ho an’ny mpanompon’Andriamanitra dia ho lasa mpanan-karem-be. Ny fahantran’ny hafa (9-10): Satria nahazo maimaim-poana isika dia tokony hanome maimaim-poana hatrany fa tsy ho foana ny fitahian’Andriamanitra ho antsika (Asan’ny Apostoly 20. 35). Koa mila hararaotina ny fotoana hahafahana manao izany, ho an’ny olona rehetra, fa tsindriany manokana ny fifanampian’ny samy rahalahy. Noho ny fitiavana no anaovana izany fa tsy fiandrasana tambiny. ALAKAMISY 26 JANOARY GALATIANINA 6. 11-18 F. 1 JESOSY REHAREHAKO Tsy ambanin’ny lalàna : Na dia marary aza ny mason’i Paoly dia ny tànany mihitsy no nanoratra ny faran’ity epistily ity (11) mba hanehoany ny maha-zava-dehibe ny teny ambarany ao. Notoheriny tao anaty epistily iray manontolo fa tsy misy olona hamarinina amin’ny fiezahana hanatanteraka lalàna satria tsy misy olona hahavita hanatanteraka izany 100%. Ary raha milaza ianao fa tanterakao izany dia tsy misy ilàna azy izany ny nahafatesan’i Jesoa Kristy teo amin’ny hazofijaliana. Misy Jiosy anefa manery ireto kristianina tao Galatia ireto ho forana sy hanaraka ny lalàna jiosy mba hahafahany mirehareha fa nahazo olona maro izy. Fa ambanin’ny fahasoavana : Maneho izany fa tsy noho ny heriko na noho ny fahamendrehako no naha-voavonjy ahy fa noho i Kristy maty noho ny fahotako teo amin’ny hazofijaliana. Rehefa maty ho ahy teo Izy dia niara-maty taminy koa aho ka dia tsy naman’izao tontolo izao intsony, tsy manao ny fanaon’izao tontolo izao intsony. Tsy misy ifandraisako amin’izao tontolo izao intsony na dia mbola eto amin’izao tontolo izao aza aho. Ny dikan’ny hoe ambanin’ny fahasoavana izany dia tsy hoe mahazo manao izay tiako hatao aho, fa hoe lasa “olom-baovao”. Tsy manan-kery amiko intsony ny ota (Rômanina 6. 14). Izany no hireharehako ny amin’ny hazofijalian’i Kristy satria io no namonjy ahy fa tsy ny fiezahako. Vokany : Rehefa mandeha amin’ny fahasoavana isika dia manana fiadanana anaty satria efa nentin’i Jesoa ny sazy tokony hihatra amintsika. Ny famindrampo dia tsy ampiharin’Andriamanitra amiko izay mendrika ho ahy. Ary ny fahasoavana indray dia omen’Andriamanitra ahy izay tsy mendrika ho ahy. ZOMA 27 JANOARY SALAMO 149 F. 6 EH FALY AHO FA NOVONJEN’I JESOA Fihiram-baovao (1): Izany no hiran’ny mpanao Salamo rehefa tafaverina avy tany an-tsesitany izy ireo. Fa izany ihany koa no asandratsika noho ny fanavotana izay nataon’i Jesoa Kristy ho antsika noho ny fahafatesany teo amin’ny hazofijaliana (Apokalipsy 5. 9 ; 14. 3). Fifaliana noho ny famonjena (2-5): Noho ny voninahitra azon’Israely tamin’ny namonjen’ Andriamanitra azy dia hifaly, hiravoravo, hidera, hankalaza ary hihoby izy ireo, eny fa na dia hatrany am-pandriana aza. Iza Ilay hobiany ? – Tsy iza fa Ilay Mpanao azy, ny Mpanjakany dia ny Tompo izany. Isika koa rehefa afaka tamin’ny ota dia miverina ilay voninahitra avy amin’Andriamanitra (Rômanina 3. 23). Izay no tena anton’ny fifaliantsika ka hiderantsika an’i Jesoa Kristy Ilay Mpamonjy sy Tompontsika. Ankehitriny dia tsy misy ahazoantsika sitraka amin’Andriamanitra raha tsy amin’ny finoana ihany (Hebreo 11. 6). Famonjena noho ny fandresena (6-9) : Rehefa namaly ny Babiloniana tamin’ny alalan’ny sabatry ny Persianina Andriamanitra ka tafavoaka avy tamin’ny sesitany nahazo azy ny Jiosy. Potika sy torotoro ny Babiloniana ary nahazo voninahitra noho izany ny Jiosy. Rehefa resin’i Jesoa teo amin’ny hazofijaliana kosa ny fahotana sy ny devoly ary ny fahafatesana dia voavonjy isika izay mino ny Teniny izay sabatra roa lela (Hebreo 4. 12 ; Apokalipsy 1. 16). Voninahitra mavesatra ? Tsy ny harena materialy akory no voninahitry ny kristianina satria ireny dia mandalo toy ny vonin’ny ahitra ihany (I Petera 1.24) fa fanafahana antsika amin’ny fahotana no dikan’izany. Fampidirana ny bokin’i JOBA Boky isan’ny maha-be adihevitra ato amin’ny Baiboly ity boky ity satria sady tsy fantatra mazava hoe iza no nanoratra nefa koa dia tsy fantatra hoe oviana marina no nitrangan’ny tantara. Misy noho izany ireo mihevitra azy ho angano mihitsy. Any an-danitra no miantomboka ny tantara, resaka ifanaovan’Andriamanitra amin’i Satana. Misy hafatra mafonja be anefa ampitain’ity tantara ity ary manome fampaherezana manokana ireo marina hiharan’ny zavatra mafy izy ity ary ahitana ny karazam-panontaniana mipetraka ao amin’ny olona mazàna. Mampianatra antsika hahay hipetraka eo amin’ny toeran’ireny olona ireny koa indraindray fa tsy sanatria hanameloka na hitsara azy ireny. Fifamangiana ho fampiononana lasa nivadika ho fifamaliana mantsy no hitantsika ato hany ka maha-te hiteny hoe aleo mangina indraindray. Handray aina avy amin’ny famakiana an’ity bokin’i Joba ity anie isika ka hahalala bebe kokoa ny amin’ny fiainana, ny amin’Andriamanitra ka hampitombo antsika amin’ny fahendrena izany. SABOTSY 28 JANOARY JOBA 1. 1-22 F. 1, 2 ANGANO SA TENA NISY ? Ny tantaran’i Joba. Na ny fiandohan’ny tantara fotsiny aza (1-2) dia toa maka endrika angano, sady filazana olona toa tsy fahita ety ambonin’ny tany. Taiza teto ambonin’ny tany no nisy olona sady marina no mahitsy ary natahotra an’Andriamanitra sy nifady ny ratsy ? Ny epistilin’i Jakoba 5. 11 no manamarina fa tsy angano akory ny tantaran’i Joba. Nanana harena sy zanaka maro. Voalaza mihitsy fa nanan-karena mihoatra ny zanaky ny atsinanana tamin’izany fotoana izany i Joba. Nanan-janaka folo izy ka fito ny lahy ary telo ny vavy. Inona no azo ilazana ny fiainan’izany lehilahy izany ? Fahatretrehana tanteraka. Reharehan’Andriamanitra. Tena Andriamanita mihitsy no manamafy ny fahamarinan’ireo toetra voalaza fa nananan’i Joba (8b). Ary mirehareha ny amin’izany eo anatrehan’ny fahavalony Izy dia i Satana. Ary mbola nampian’Andriamanitra koa aza izany ka nilazany hoe :”tsy misy olona tahaka azy eny ambonin’ny tany”. Mba afaka mirehareha ny amiko sy ny aminao ve Andriamanitra ka hilaza toetra tsy azo kianina tahaka izay nananan’i Joba eo anatrehan’i Satana ? Fitsapana mahamay. Raha tahaka izany ny filazana ny amin’i Joba dia hitantsika eo amin’ny andininy 13, 16-18 ny fitanisana ireo fahavoazana nihatra taminy. Fahavoazana tsy roa aman-tany, fa fongana tao anatin’ny indray mipi-maso ny fananana rehetra hatramin’ny zanaka aza. Fa inona no navalin’i Joba izany rehetra izany ? Fisaorana an’Andriamanitra ka hoy izy: “Jehovah no nanome, Jehovah no nanaisotra, isaorana anie ny anaran’i Jehovah”(21b). Ary tena mahafinaritra ny famaranana ny toko voalohany milaza fa tsy nanota i Joba teo anatrehan’izany rehetra izany. Soratra Masina ho an’ny herinandro : Joba 1. 8 ALAHADY 29 JANOARY JOBA 2. 1-13 F. 2 TANDINDON’I KRISTY Joba mpanompoko. Ny toko voalohany andininy fahavalo Andriamanitra dia milaza amin’i Satana hoe: Joba mpanompoko ary averiny indray izany eto amin’ny toko faharoa andininy fahatelo sady hamerenan’Andriamanitra ny filazana ireo toetra ananan’i Joba.Ahatsiarovana izay voalaza ao amin’Isaia 42 manao hoe:”Indro ny Mpanompoko izay tantanako, dia ilay voafidiko sady sitraky ny foko….” Marina mitondra fahoriana. Fa inona no ratsy nataon’i Joba no hiharan’izao fitsapana mahamay izao izy ? Tahaka izao no tian’Andriamanitra hizahana toetra ny mpanompony rehetra, fa na dia iJesosy Kristy zanany aza dia niaritra ny mafy tahaka izany. I Joba no tandindon’i Jesosy Kristy ao amin’ny Testamenta Taloha dia ilay marina sy tsy nanan-tsiny nijaly sy nitondra fahoriana mangidy tokoa. Ankoatra izany dia i Joba ihany koa no maneho ny fiaretana fahoriana izay takiana amin’ny zanak’Andriamanitra ao amin’i Kristy amin’izao andro izao. Sambatra izay maharitra. Ny epistilin’i Jakoba dia manambara mazava hoe : “Sambatra izay olona maharitra fakampanahy fa rehefa voazaha toetra izy dia handray ny satroboninahitra fiainana… ”(Jakoba1. 12). Ary i Paoly Apostoly dia nanambara mazava hoe : “Eny, izay rehetra te-ho velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, izay ao amin’i Kristy Jesosy, dia henjehina” (II Timoty 3. 12). Mihazona ny Tompo hatrany. Ahoana no hevitrao momba ny valinteny nomen’i Joba ny vadiny ? Io no maneho ny halalin’ny finoan’i Joba indrindra ary manamarina ireo toetra rehetra ananany ny amin’ny fifandraisany amin’Andriamanitra. Fanontaniana : Tsy mba faniriantsika ve ny ho tahaka an’i Joba izay maneho mivantana an’i Kristy ety an-tany ? ALATSINAINY 30 JANOARY JOBA 3. 1-26 F. 2 OLOMBELONA NOFO SY RA Nahatsiaro fanaintainana. Nanozona ny androny i Joba satria nahatsiaro fanaintainana mafy loatra izy. Ny vatany mihitsy mantsy no voatohintohina, nisy vay hatrany an-tampon-doha ka hatrany am-paladia (2. 7). Ny antony lehibe nahatonga azy hanao izany diany fahatsapany fa toa nandao azy Andriamanitra. Ahatsiarovana indray izay nihatra tamin’i Jesosy Kristy rehefa teo ambony hazofijaliana Izy ka niantso mafy hoe : ”Andriamanitra ô ! Andriamanitraô !Nahoana no dia mahafoy Ahy Ianao ?” (Matio 27. 46). Toe-po mety mahazo ny olombelona rehetra izany fa na i Davida koa aza matetika dia nahatsapa ny fisehoan-javatra tahaka izany rehefa niharan’ny zava-manjo mafy. Toa tsy nahita mangirana ny amin’ny androny manontolo sy ny fahavelomany rehetra i Joba. Tsy nanohitra an’Andriamanitra. Marihina manokana anefa fa tamin’izany rehetra izany dia tsy nanozona na nanome tsiny an’Andriamanitra mihitsy i Joba. Nahatandrina tsara ny zavatra rehetra nambarany izy. Tsy diso mihitsy araka izany ny maneho amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka ny ao am-pontsika indrindra rehefa tojo zava-tsarotra tahaka izao mahazo an’i Joba izao. Ny tena fadiana dia ny manome tsiny an’Andriamanitra. Izany no tena notandreman’i Joba fatratra. Fialan-tsasatra ny fahafatesana. Ambaran’i Joba eto fa toerana fialan-tsasatra ny fasana (13) misy fiadanana mihitsy aza. Ka izany no efa niriany manoloana izao fahoriana tsy roa aman-tany izao. Ny Apostoly Paolydia nilaza ny fahafatesana ho tombony ho azy satria làlana handehanany any amin’ny Rainy izany ka hoy izy:”Fa Kristy no anton’ny hahavelomako ary ny fahafatesana no hahazoako tombony” (Filipianina 1. 21). Fampieritreretana. Inona no masaka ao an-tsainao rehefa sendra ny zava-manjo mafy ka efa hila hihatra aman’aina izany ? TALATA 31 JANOARY JOBA 4. 1-21 F. 6 FAMANGIAN-TSAKAIZA Fandresen-dahatra. Araka ny faharesen-dahatr’i Elifaza avy any Temana, tanàna malaza ho be olon-kendry - izay maharesy lahatra ny olona maro ihany koa na hatramin’izao andro izao - dia ny fahotan’ny olona na ny fanalavirany an’Andriamanitra no mahatonga ny fahoriana eo aminy. Tamin’ny andron’i Jesosy dia voalaza ihany koa izany mikasika ireo Galiliana nianjeran’ny tilikambo tao Siloama (Lioka 13. 4) Tsy diso mihitsy izany fiheverana izany saingy tsy izany mandrakariva kosa no mitranga. Fa misy tokoa, ary Andriamanitra mihitsy aza no mamela ny zava-manahirana hitranga amin’ny fiainan’ny olona mino Azy na dia tsy hoe nanota aza izy ireo. Entiny hizahana toetra azy ireo no anton’izany. Ny Salamo 66. 10-12 dia tena milaza izany mazava tsara. Fa ny tanjon’Andriamanitra amin’izany rehetra izany ambarany amin’ny farany manao hoe ”Fa nitondra anay nivoaka ho amin’ny fitahiana mahatretrika Ianao” (Salamo 66. 12b). Tsy fanambinana mandrakariva. Araka izany fiheverana mandeha ila izany dia tsy azo raisina ho marina avokoa ny tenin’ireto sakaizan’i Joba. Andriamanitra mihitsy aza no milaza any amin’ny faran’ny boky, fa maro tamin’ireo tenin’izy telo lahy no tsy marina (42. 7-8). Eto anefa dia tena manizingizina mihitsy i Elifaza milaza hoe : “Masìna ianao, tsarovy fa iza moa no very tsy nanan-tsiny ? Ary taiza no nisy olo-mahitsy naringana ? Araka izay efa hitako, dia izay miasa heloka sy mamafy fahoriana no mijinja izany. Ny fofonain’Andriamanitra no andringanana azy, eny, ny fofonain’ny fahatezerany no mahalevona azy” (7-9). Fampitandremana : Ny tantaran’i Joba no mampiseho amintsika sy mampitandrina ny amin’ireo fampianarana milaza fa fitahiana sy fanambinana hatrany ny fiarahana amin’Andriamanitra ka ilàna fitandremana ! ALAROBIA 1 FEBROARY JOBA 5. 1-27 F. 2, 7 TENY FAMPAHEREZANA Miantso ny olo-masina (1). Tamin’ny endrika manao ahoana tokoa ny fisehon’izany tamin’ny andron’i Elifaza sy ry Joba ireto ? Ny miantso an’Andriamanitra no amporisihan’i Elifaza an’i Joba. Misy fiteny frantsay izay milaza hoe “aleo miresaka mivantana amin’Andriamanitra toy izay mbola hiresaka amin’ireo masiny”. Tandremana tokoa izany fa Andriamanitra ihany no tokony hivavahana hoy ny Apokalypsy 19. 10, 22. 9. Jesoa Kristy ihany no afaka manalàlana antsika amin’Andriamanitra (1 Timoty 2. 5). Teolojian’i Elifaza. Inona no tena hafatra ampitain’i Elifaza amin’izao famelabelarany momba an’Andriamanitra ataony amin’i Joba izao ? Mamporisika an’i Joba hiantoraka amin’Andriamanitra izy. Ampahafantariny azy ny toetran’Andriamanitra izay tompon’ny hery sy ny fahefana rehetra, vonona handray ny olona mitodika Aminy. Tsy maintsy misedra fahoriana ny olona ety an-tany hoy izy saingy Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana ihany koa Izy. Miharo fijoroana ho vavolombelona ny fizaràna ataony. Fanontaniana : Eo amin’ny fifandrai-santsika amin’ny manodidina tokoa rehefa mampahery ny namana, moa ve mampitodika azy amin’Andriamanitra sa mihanona amin’ny fampahatanjahan-tsaina sy fampaherezana tsotra izao, miorina amin’ny fahendren’olombelona ihany ? Vokatry ny fiarahana amin’Andriamanitra. Ny filàzan’i Elifaza dia hoe tena mandeha tsara avokoa ny zavatra rehetra rehefa miaraka amin’Andriamanitra, ary ny fitsàrany dia hoe tsy mbola miaraka amin’Andriamanitra marina ity Joba ity matoa tratran’izao zava-mitranga izao. Mila fitandremana izany satria misy fitaka ihany. I Jesoa aza dia nilaza hoe ety amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana ka raha hoe ny fahombiazana, fahatsarana sy ny harena ihany no ampanantenaintsika ny olona rehefa hoe hanaraka ny Tompo izy dia toy ny mamitaka ihany isika. ALAKAMISY 2 FEBROARY JOBA 6. 1-30 F. 2, 5 MAFY NY ADIN’I JOBA Miatrika fahoriana. Inona no heverin’i Joba momba ny zavatra mahazo azy ? (4, 1-2, 7) Inona no vokatr’izany eo aminy (2a, 3b) ? Inona no iriany hitranga (8-9) ? Izany no mahazo an’i Joba satria izy dia resy lahatra tanteraka fa tsy misy helony eo anatrehan’Andriamanitra (10), ary vonona ny hanarina izy (29-30). Tsy mahagaga raha tsy azony ny zavatra mitranga. Mitovy amin’io mihitsy ny fanontaniana nipetraka tamin’i Asafa hoe : misy olo-marina hiharam-pahoriana, nefa misy koa olon-dratsy toa miadana (Salamo 73. 1-14). Tsaroantsika anefa fa i Jesoa Kristy dia Ilay Marina, tsy nanan-tsiny, tsy nisy ota kanefa dia nampijaliana, nalatsa-drà, novonoina. Izany no zavatra tsy rariny indrindra nihatra tety ambany masoandro. Inona anefa no antony ? Mba ho porofom-pitiavana antsika izay tsy mendrika indrindra. Mampahery sa manaketraka ? Sosotra tamin’ireto sakaizany i Joba satria nantenain-kanirina izy ireo nefa mampivandravandra (14-22). Tsy nitondra fampiononana na fampeherezana ny teny nataony fa fahasorenana kosa. Paoma volamena eo ambony lovia volafotsy ny teny atao amin’ny antony (Ohabolana 25. 11). Rehefa mitondra fampaherezana ho an’ny olona zohim-pahoriana isika dia mila mitandrina fatratra. Mila mangataka ny Fanahy isika hametraka ny teny eo am-bava, mba hifanentana amin’ny tranga tokoa ny teny omentsika ny olona hampaherezina. Aleo aza tsy miteny fa dia ny fanatrehana azy, fiarahana aminy ao anaty fahoriana dia efa zava-dehibe. Ny tena ilaina voalohany indrindra dia ny fo onena, miombon’alahelo, antra ny hafa (compassion).Tandremana mba tsy hanao teny feno fitsarana tahaka izay nataon’ireto naman’i Joba ireto. ZOMA 3 FEBROARY JOBA 7. 1-21 F. 3, 7 MITROATRA FA TSY MANOTA Ny valin-kasasarana (1-6). Oharin’i Joba amin’ny mpiasa ny zanak’olombelona, ka tokony hahazo ny valin-kasasarany na ny karamany. Malahelo anefa izy fa tsy izany no manjo azy fa toa vao mainka fahoriana aza no vokatry ny fankatoavany an’Andriamanitra. Andriamanitra manam-pahefana amin’ny zavatra rehetra anefa Izy ary manana ny hevitra iheverany ny tsirairay araka ny Isaia 55.8a manao hoe “Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo,…”. Mila faharetana tokoa isika amin’izay zava-manjo antsika ka aoka hatoky fa Andriamanitra no efa miahy ny ampitsontsika. Mijery ny olombelona tsirairay ny Tompo (7-2). Anisan’ny mampiavaka an’i Joba ny fahasahiany miresaka tsy misy hambahamba amin’Andriamanitra, ka izay ao am-pony no lazainy. Sahy nitroatra mihitsy aza izy satria tsy azony ny anton’izay manjo azy. Hany ka nahatonga azy nametra-panontaniana ny antony hanavahan’Andriamanitra manokana ny olombelona miohatra amin’ny zavaboary hafa rehetra (17). Mampahatsiahy ny Salamo 8.4 manao hoe “Inona moa ny olona no hahatsiarovanao azy ? ary ny zanak’olombelona no ahatsiarovanao azy  ?” izany. Tao anatin’izany tsy fahatakarana ny hevitr’Andriamanitra izany anefa dia tsy nanota mihitsy i Joba, fa sahy kosa namboraka ny tao am-pony sy ny alahelony. Ankehitriny ihany koa dia zontsika ny mitaraina sy mamoaka ny ao am-pontsika amin’Andriamanitra, ka tsy ao anaty fahotana no hanaovana izany. Fampieritreretana : Sahiko ve ny mamoaka ny ao am-poko tanteraka amin’Andriamanitra ? SABOTSY 4 FEBROARY JOBA 8. 1-22 F. 5 TANDREMO SAO DISO HEVITRA ! Tsy kajikajy akory ny famonjena (1-12). Hafa ny fomba fijerin’i Bildada ny anton’ny zava-nanjo an’i Joba. Aminy dia nisy fahotana nataon’i Joba matoa izy azom-pahoriana tahaka izao. Voalazany mihitsy aza fa noho ny fahotan’ireo zanak’i Joba no nahafaty azy ireo (Joba 1. 18-19). Aminy mantsy dia rehefa mivavaka sy manao ny tsara (5, 6) dia tokony hahazo fiadanana. Toa lasa kajikajy sy vokatry ny asa ny fahazoana sitraka avy amin’Andriamanitra (Efesiana 2. 8). Tsy izany anefa no izy satria Andriamanitra dia manampahefana amin’ny olony. Afaka misedra ny zanany izy. Joba rahateo nilaza fa “… moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin’Andriamanitra fa ny ratsy koa ?” (2. 10b). Izay ilay fizahantoetra ataon’Andriamanitra. Fiainana fa tsy fombafomba(13-22). Mihevitra i Bildada fa vokatry ny fahotana hatrany ny fijaliana manjo ny olona tsirairay. Tsy fantany fa tsy fombafomba fivavahana fotsiny ny fiarahana amin’Andriamanitra fa tena fiainana. Toa nadinoiny ny fisian’ny fizahan-toetra, voalaza etsy ambony. Ankehitriny tokoa dia maro ny olona no lasa toa fahazarana sy fombafomba fotsiny ny fankanesana any am-piangonana. Hany ka tsy ao anatin’izy ireny ilay tena fiainana miaraka amin’Andriamanitra. Ny vavaka nataon’i Jesoa ho an’ny mpianany rahateo dia ny nangataka tamin’ny Ray hoe: « Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin’izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin’ny ratsy » (Jaona 17. 15). Vavaka : Tompo ô ! Ampio aho hahazaka fizahan-toetra. Amena ! Soratra Masina ho an’ny herinandro : Joba 6. 14 ALAHADY 5 FEBROARY JOBA 9. 1-24 F. 1, 2 ISIKA OLOMBELONA SY ANDRIAMANITRA Mahery Andriamanitra(1-10). Izay no mandresy lahatra an’i Joba. Manam-pahefana amin’ny zavatra tsy hitantsika maso. Lehibe lavitra noho ny an’ny olombelona ny heriny sy ny fahalalany. Azonao ianarana tsianjery ny and.1-10 hampiasaina rehefa manao fiderana an’Andriamanitra raha tena mitovy amin’ny an’i Joba ny faharesendahatrao. Tsy hita, tsy fantatra. Marina tokoa fa tsy mahita an’Andriamanitra izany mihitsy ny olombelona ; Ny Baiboly anefa no mampahafantatra antsika ny momba Azy, ny fikasany ho an’izao tontolo izao. Jesoa Kristy no endrik’Andriamanitra tsy hita (Kolosianina 1. 15). Izay nahita Azy dia nahita ny Ray hoy ihany Jesoa (Jaona 14. 9). Asian’Andriamanitra. Mampirediredy tokoa ny fahoriana raha vakiana izao tenin’i Joba izao (12-24). Eto dia toa mahatsapa i Joba fa : tsy hoe tsy miraharaha azy fotsiny Andriamanitra (izany koa no heverin’ny olona maro amin’izao andro izao) fa tena tonga fahavalony mihitsy Izy ary miady aminy. Mahatsiaro anefa izy hoe, tsy hivoaka mpandresy amin’izany mihitsy anie izaho e ! Ny isam-batan’olona koa anefa dia afaka manana fifandraisana manokana Aminy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Izy mantsy no nanao ny fampihavanana tamintsika sy ny Ray. Tsy hoe Andriamanitra lavitra antsika fotsiny Izy fa tena Ray mihitsy ho antsika. Noho Jesoa Kristy nalatsa-drà sy novonoina dia nitony ny fahatezeran’Andriamanitra (13) noho ny fahotantsika. Fanontaniana : Moa ve vita fihavanana amin’Andriamanitra ianao ? Mitaona ny olona mba hihavana amin’Andriamanitra ve ianao ? ALATSINAINY 6 FEBROARY JOBA 9. 25-35 F. 1, 2 JESOA : VAOVAO MAHAFALY Te hifandahatra amin’Andriamanitra i Joba (35). Tsy azo tanterahina mihitsy anefa izany (32) noho ny ireto antony ireto : Mandalo sy mielina. Mosesy moa dia nilaza mihitsy hoe fitopolo na valopolo taona ihany ny andron’ny zanak’olombelona (Salamo 90. 10). Alahatr’Andriamanitra izy fa tsy mpandahatra. Isan’ny havoitran’i Joba ankoatran’ny maha-mandalo ny olombelona dia ny hafaingan’izany fandalovana izany. Miara-miaiky izany koa isika amin’izao fotoana izao izay hilazan’ny maro hoe : mandeha, mitsoriaka mihitsy izany fotoana izany. Fanontaniana : Mahay manararaotra ny andro azo anaovan-tsoa (Efesianina 5. 15 ; Kolosianina 4. 16) ve isika eo anatrehan’izany fandalovana haingana be izany ? Meloka. Anterin’i Paoly rahateo io hoe tsy misy marina na dia iray aza (Rômanina 3. 10). N’inon’inona ezaka hataon’ny olombelona (29b) dia tsy hisy hahamarina azy. Jakoba moa dia nilaza hoe rehefa diso amin’ny iray amin’ireo didy ireo dia meloka amin’izy rehetra (Jakoba 2. 10). Ny vaovao mahafaly anefa dia misy hirika hanamarinana ny mpanota ihany. Jesoa Kristy no efa nitondra ny sazy noho ny helotsika ary dia izay ao Aminy dia tsy misy fanamelohana mahazo azy intsony (Rômanina 8. 1). Tsy madio. Masina, madio Andriamanitra. Ny loton’ny fahotana anefa dia miraikitra amin’ny olombelona. « Moa mahova ny hodiny va ny Etiopiana, ary ny leoparda va mahova ny sorany ?» (Jeremia 13. 23a). Soa anefa fa ny ràn’i Jesoa no hahazoantsika famelan-keloka ka andraisantsika fanadiovana amin’ny tsi-fahamarinana rehetra (1 Jaona 1. 7). Fehiny : Tena Vaovao mahafaly ho antsika tokoa Jesoa. TALATA 7 FEBROARY JOBA 10. 1-22 F. 2 SAHY NANDAHATRA Olona mahatsiaro hiharan’ny tsi-rariny izao hitantsika mihikiaka izao. Mihevitra ny tenany ho marina izy nefa hiharan’ny mafy tokoa. Azo lazaina ho mitovy fihevitra sy fijery ihany i Joba sy ireto namany saingy i Joba dia tsy mahazo mihitsy ny zava-mitranga satria tsy misy tsiny heverina hanamelohana ny tenany. Mibosesika noho izany ny fanontaniana samihafa, tiany havantana amin’Andriamanitra. Mpahazo antsika ihany koa izany : fa nahoana Andriamanitra ô ? Fa dia nahoana ? Fantatr’i Joba tsara fa na dia hoe nivoaka avy any an-kibon’ny reniny aza izy (18) dia Andriamanitra no nahary azy (8-12), Tompon’ny aina sy mpiaro izany. Toa misy fanomezan-tsiny ihany hita ambaran’i Joba amin’ny hilazàny hoe mitady mafy izay ho helony Andriamanitra, tsongolohany mihitsy. Toa milaza mihitsy aza izy hoe : naninona aho no noforoninao ? (18-19). Misy tokoa fotoana rehefa tena mafy ny fizahantoetra lalovana dia toa lasa tsy mamy ny miaina ! Adinoina, takona ny zavatra tsara rehetra mety hanovozana fampaherezana sy fifaliana fa ny olana no mivandravandra be eo imasontsika eo. Manampy trotraka izany ny tsindrio fa lavo ataon’ilay ratsy. Mihataha kely. Toa mahita irony mpanao ady totohondry efa lazoin’ny ady irony isika, efa miandry ho sarahina fotsiny, rehefa mamaky ny filazan’i Joba azy (20). Tsy sitrak’Andriamanitra ny mampahory ny zanak’olombelona saingy ilaintsika ny fizahantoetra mba hanefy antsika, hampitombo antsika amin’ny finoana sy ny fianteherana Aminy. Mila mihazona hatrany ny fampaherezan’ny Ohabolana 23. 18 hoe : “Raha mbola misy koa ny farany dia tsy ho foana ny fanantenanao !” ALAROBIA 8 FEBROARY JOBA 11. 1-20 F. 5 VALI-TENIN’I ZOFARA Nanaitra an’i Zofara koa ny teny nataon’i Joba tamin’ny Tompo. Tsy misy hafa tamin’ny fomba fijerin’ireo namany teo aloha koa ny azy. Vao mainka koa nanindrona an’i Joba hatrany. Tsy mbola izao aza no tokony ho valin’ny otan’i Joba raha araka ny heviny (6). Fanaovana tsinontsinona. Toa manambany tanteraka an’i Joba i Zofara amin’izato fananarany (12). Olombelona i Joba, mety manam-pahadisoana, tsy manafoana ny maha-mpanompon’Andriamanitra mila fanajana azy anefa izany. Fahamarinana lehibe koa anefa no ambaran’i Zofara (13-20), rehefa mibebaka dia miverina amin’ny laoniny ny fiainana. Marina ho an’ny olona rehetra izany saingy eto amin’ny trangan’i Joba dia tsy hoe nanota akory izy ka hila fiaiken-keloka sy fibebahana. Fehiny. Nampiseho ny tsi-fahaizana manampy olona latsaka amin’ny sarotra toa an’i Joba ireto sakaizany ireto. Noho izany dia mila mangataka fahendrena amin’ny Tompo isika rehefa tojo namana na fianakaviana manana olana ndrao dia isika no vao mainka hampilentika ilay olona ao anaty famoizampo. Rehefa tsy mahay maka ny toeran’ny olona azom-pahoriana ny natao hanampy dia vao mainka manampy trotraka ny fahoriany. Teolojian’i Zofara. Mitovy amin’izay nambaran’i Isaia ny hevitr’i Zofara hoe ny heloka no efitra mampisaraka amin’Andriamanitra ka tsy mihaino Izy (13-15, Isaia 59. 2). Tamin’ny andron’i Josoa ihany koa, raha nanota i Akana dia izay no nambaran’Andriamanitra hoe : tsy momba anao intsony Aho raha tsy holevonina tsy ho eo aminao ny zavatra efa voaozona (Josoa 7. 13b). Ny sorona nataon’i Jesoa ihany no manome antoka antsika ny amin’ny ahafahantsika manandratra ny fanahitsika ho amin’Andriamanitra. Izay no manadio antsika ho afaka hanatona an’Andriamanitra. ALAKAMISY 9 FEBROARY SALAMO 150 F. 3 MENDRIKA AZY NY FIDERANA Toerana hideràna an’Andriamanitra (1). Eo amin’ny fitoerany masina, tsy aiza io fa ao amin’ny fitoerana misy an’Andriamanitra na koa ny tempolin’Andriamanitra. Ny tempolin’Andria-manitra koa anefa araka ny 1 Korintianina 3. 17 dia tsy dia tena hoe ilay trano hivavahana ihany fa isika zanak’Andriamanitra, ao indrindra ny fitoeran’Andriamanitra. Noho izany, na aiza na aiza no misy ny zanak’Andriamanitra dia azony hatao tsara ny manandratra fideràna ho an’ny Rainy. Nahoana no midera an’Andriamanitra ? (2). Tena betsaka ny antony azontsika hideràna an’Andriamanitra. Ny fahitantsika ny voahariny dia efa antony lehibe hideràna Azy. Anisan’izany isika olombelona izay voahary tena hafa indrindra satria noforoniny tahaka Azy. Manaraka izany ireo voahary natao hanjakàn’ny olombelona dia ny zava-maniry sy ny biby. Ny fomba fiasan’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika isan’andro ihany koa. Asa lehiben’Andriamanitra avokoa ireo rehetra ireo (2) ary maneho ny voninahiny. Aoka tsy hiteny isika hoe toa tsy mahita zavatra ho lazaina mikasika izany fideràna izany aho. Ahoana ny fomba hideràna Azy ? (3-5). Fitaovana maromaro no tanisain’ny mpanoratra eto hanaovana fideràna : anjomara, valiha, lokanga… misy izy ireo no efa tsy dia fampiasa firy intsony ankehitriny fa misy koa anefa ireo karazany vaovao taty aoriana izay tena azo ampiasaina amin’ny fideràna mihitsy. Fa fomba iray fanandratana fideràna ihany koa araka ny hita eto dia ny dihy. Endrika maro no azo hideràna Azy fa ny fideràna ankasitrahany indrindra dia ny fideràna amin’ny fo tsotra, tsy amboamboarina, mifantoka tanteraka ao amin’Andriamanitra, amin’ny fahamendrehana, amin’ny fahamaontinana. Fanontaniana : Manana fiainam-piderana ve ianao ? FAMPIDIRANA NY EPISTILY FAHAROA HO AN’NY TESALONIANINA Ny epistily faharoa, tahaka ilay voalohany koa, dia nosoratan’i Paoly ho an’ny Tesalonianina. Iombonany amin’i Silasy sy i Timoty ary ireo mpiara-dia taminy izany. Nahatonga fialonana tao amin’ireo jiosy sasany ny fahombiazan’ny fitoriana natao tao Tesalonika izay nahitana fiovam-po maro (lehilahy matahotra an’Andriamanitra sy vehivavy manan-kaja). Fanenjehana no nokotrehin’izy ireo (Asan’ny Apostoly 17. 1-15). Teo anatrehan’izany dia voatery nandao an-kamehana ireo vao nanolo-tena ry Paoly sy ny namany, tsy nisy olona tena hoe hiandraikitra azy ireo (1 Tesalonianina 2.17-3. 5). I Paoly kosa anefa, maniry indrindra hahita izany fiangonana izany hitombo amin’ny finoana ka nandefa an’i Timoty mba hampiorina tsara ireo vahoakan’Andriamanitra tao. Nandefasany taratasy izy taty aoriana mikasika indrindra ny fiverenan’i Jesoa sy ny fiafaran’izao tontolo izao. Nitombo tokoa ny fiangonana (2 Tesalonianina 1. 3), tsy nijanona kosa anefa ny tsindry sy ny fanenjehana. Nisy koa anefa ny dika vilana natao tamin’ny taratasin’i Paoly ka nisy ireo olona sasany izay nanome vahana ny hakamoana fa hoe efa ho avy ny Tompo ka tsy misy liana izay miasa izany intsony. Izay no nahatonga an’i Paoly hanoratra indray mba hampahery ny kristianina niharam-panenjehana (2 Tesalonianina 1. 3-12), hanome fanazavana momba ireo fiheveran-diso mikasika ny fiavian’i Jesoa indray ( 2 Tesalonianina 2. 1-5), hanitsy ireo kristianina tsy mitoetra tsara izay manome vahana ny hakamoana (2 Tesalonianina 3. 6-15). Handray fampaherezana anie isika eo am-pamakiana izao taratasy izao ka handre ny Tompo miteny mivantana amintsika koa. ZOMA 10 FEBROARY 2 TESALONIANINA 1. 1-12 F. 5, 7 MITOMBO FINOANA SY FITIAVANA AO ANATY FAHARETANA Fiangonana miaritra ny fanenjehana sy fahoriana nefa tsy very toky fa miha-mitombo finoana (Jakoba 1. 2-3) sy fitiavana ny tao Tesalonika ; ataon’i Paoly sy ny namany ahoana ny tsy hisaotra an’Andriamanitra (3-4), tahaka an’i Jaona faly ny amin’ny “zanany” mandeha amin’ny fahamarinana (3 Jaona 4). Fanontaniana : Isika koa ve misaotra, mirehareha sy mifaly ao amin’Andriamanitra ny amin’ny voa eny amin’ny ondry andrasantika ? Matetika hanakiana sy hanitsy no mahazatra ny mpitarika. Fampaherezana. Ny kristianina dia tsy maintsy henjehina (1 Timoty 3. 12) sady hijoroana vavolombelona izany (5) no hahamasina sy hahatanteraka antsika (Hebreo 12. 10) tahaka ny ohatr’i Kristy (Hebreo 5. 8-9). Misy valiny ny ratsy sy ny soa atao. Samy handray araka ny asany avy ny olona (6-7, Matio 16. 27). « Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo làlana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe : Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah (Deoteronomia 32. 35, Rômanina 12. 19). Tsy natao hamaly faty isika eo anatrehan’ny setrasetra atao antsika nohon’ny amin’ny finoantsika. Loza sy fahaverezana kosa no miandry ireo izay mandà sy tsy mino ka tsy manaiky an’i Kristy ho Tompo sy Mpamonjiny (8-9). Fa raha ho avy Kristy amin’ny voninahiny dia homena voninahitra koa isika ao aminy (7, Rômanina 8. 17-18) raha miara-miaritra Aminy isika (10). Fanontaniana. Inona no angatahin’i Paoly ho an’ireo mpino tao Tesalonika ? (11-12). Ataovy ho vavakao ho anao manokana sy ho an’ny hafa koa izany. SABOTSY 11 FEBROARY 2TESALONIANINA 2. 1-12 F. 6 NY HITRANGA ANY AM-PARANY Inona no fampianaran-diso nandeha tao Tesalonika ? (2b) Inona no dikan’ny hoe andron’ny Tompo eto ? Nisy ireo nilaza fa efa tonga, efa niverina Jesoa. Nahatonga fahaverezan-kevitra sy fanontaniana betsaka tao amin’ny mpino izany. Ampahafantarin’i Paoly mazava indray ny zavatra samihafa hitranga, raha ny marina dia mampahatsiahy izy satria zavatra efa nambarany ihany izany hoy izy (5). Lehilahin’ota. Io ilay antikristy noresahin’i Jaona mpaminany ihany koa. Handalo olana goavana izao tontolo izao dia hiseho io olona io hitondra ny vahaolana amin’izany. Toa hahomby tokoa izy (9-10) dia hasohasoana sy hindraindran’ny olona ka izay no hahatonga azy hanandra-tena ho Andriamanitra. Ilay misakana (6). Nahoana no mbola tsy miseho izy io ? Araka ny filazan’ny mpandinika, ny mbola maha-eto ny mpino, izay manana ny Fanahy masina dia misakana ny faharatsiana tsy hiseho amin’ny tena endriny, na dia efa hitahita soritra ihany aza ireo karazam-pahoriana vokatry ny habibian’ny olona sasany. Rehefa hakarina ho any amin’ny Tompo ny mpino izay vao hiseho io lehilahin’ota io. Fiafaran’ny fanjakany. Hiverina indray Jesoa sy ireo mino nakarina. Amin’izay fotoana izay no ho tanteraka izay lazain’i Paoly eo amin’ny andininy faha-8. Hisy fitsarana (12). Aorian’izay no hanamelohana ireo rehetra tsy nino ny marina dia ny famonjena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy fa nanaiky kosa ny famitahana nafafin’ny devoly tamin’ny fomba maro samihafa teto amin’izao tontolo izao. Soratra Masina ho an’ny herinandro : 2 Tesalonianina 3. 5 Alahady 12 febroary 2 Tesalonianina 2. 13-3. 5 F. 4 Tomoera tsara Feno fankasitrahana an’Andriamanitra ny Apostoly satria isan’ireo izay nofidiana ho amin’ny famonjena ka mitombo fahamasinana sy finoana ny fiangonana tao Tesalonika (13-14) . Na dia isan’ireo nofidiana aza isika dia mila mamaly ny antson’ny Tompo mba ho isan’ny olom-bonjena. Ny tanjon’ i Kristy koa dia ny hamoazantsika be ka haharetan’ny vokatra (Jaona 15. 16). Izany no tokony hitomoerana tsara (15). Tsy avelan’ny fampianarana marina tsy hanam-panantenana sy fiononana isika (16-17) raha hazonintsika mafy izany ka tsy ketraka isika. Finoana miasa. Ilàna vavaka ny fitoriana ny Filazantsara mba hisian’ny vokatra tsara sy maharitra (1) ary ho fiarovana amin’ny fahavalo (2-3). Misy fiainana haterak’izany Filazantsara izany eo amin’ny andavan’androntsika ary handraisana fanapahankevitra matotra ny hanana fitondrantena mendrika (3-5). Hatramin’ny voalohany tokoa dia nantsoina hiasa ny lehilahy ( Genesisy 1. 15). Tsy ozona akory ny asa. Nanome ohatra ireo Apostoly tamin’izy ireo tsy novelom-potsiny (7-9) fa niasa sy nikely aina no sady nitory (10). Toa misy anefa ny olona sasany malaina na fetsifetsy, mpanararaotra (11). Ireto farany no hiantefan’ny fananarana atao am-pitiavana mba “hiasa tsara” fa izay “tsy miasa aoka tsy hihinana” (12-15). Manam-pitiavana. Amin’izao vanimpotoana sarotra izao koa no hikatonan’ny fon’ny maro, ary misy ny kristianina, amin’ny fanaovan-tsoa amin’ireo izay tena sahirana. Misy mantsy ny te-hiasa mafy fa tsy mahita na tsy afaka noho ny toe-pahasalamana, ny amin’izy ireny dia mila fanampiana tokoa sy fijerena manokana. Aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa (13). ALATSINAINY 13 FEBROARY 2 TESALONIANINA 3. 6-18 F. 2, 5 HAFATRA FARANY Fampitandremana. Nampitandrina i Paoly eto ny amin’ireo karazan’olona nisy tao amin’ny fiangonan’Andriamanitra tao Tesalonika izay tsy mitoetra tsara, inona no tiany ho lazaina ? Olona tsy miasa fa kamo hany ka lasa mitango fotsiny ny fisasaran’ny hafa na koa mampiasa ny fampianarana na ny fitoriana ny Filazantsara ho fivelomana na ho fahazoan-javatra. Tsy ozona araka ny ambetitenin’ny olona akory ny asa fa nataon’Andriamanitra hampandroso sy hampivelatra ny fiainan’ny isam-batan’olona, ny vondron’olona, tafiditra ao anatin’izany ny asan’Andriamanitra. Maro ireo mpitarika fivavahana izay manao fanentanana hahatonga ny fiangonana hanohana ny asan’Andriamanitra, kay rehefa zohina dia misy ambadika, mitsentsitra ny fiangonan’Andriamanitra hahazoany tombontsoa manokana, izy kosa mitsotsotra. Fanontaniana : Miasa ve aho ka raha miasa aho dia miasa mba haninona ? Modely tsara. Tsy hoe namporisika be fahatany fotsiny i Paoly ny mba hianarana azy (7, 9) fa naneho ohatra mivaingana teo amin’ny fiainany izy (8). Ny fiainan’i Paoly amin’ny ankapobeny mihitsy dia naneho ohatra tsara hatrany : teo amin’ny fitondrantenany, teo amin’ny fitiavany; teo amin’ny faharetany; teo amin’ny fiaretany; teo amin’ny fahendreny, misy fotoana koa tena masiaka sy hentitra izy amin’ny fotoana ilàna izany. Tsy marina velively amin’ny fiainan’i Paoly ilay hiran’ny mpanakanto hoe “aza ny hataoko no hatao fa izay lazaiko tanteraho”. Misy ohatra tsara azo alain-tahaka ve ny fiainako ? FAMPIDIRANA NY BOKY SALAMO Boky fihirana teo amin’ny jiosy ny Salamo. Taorian’ny fahababoana no nanangonana sy nanambàrana azy ireo. Amin’ny ankapobeny dia saika Davida avokoa no namorona ny hira voarakitra ao. Tahaka ny Pentatioka dia mizara ho boky dimy koa ny salamo. Ny boky voalohany dia misy salamo 41, ny faharoa misy boky 31: 42-72, ny fahatelo misy boky 17: 73-89, ny fahefatra dia misy boky 17 ihany koa : 90-106, ny boky fahadimy farany misy boky 44 :107-150. Ny Salamo 119 no boky lava indrindra ao amin’ny Baiboly ary ny Salamo 117 kosa no fohy indrindra. Resaka hifanaovan’ny olona amin’Andriamanitra ny voarakitra ato. Misy ny fiderana, misy ny vavaka fitalahoana, misy ny fanambarana finoana ihany koa. Asehony miharihary ny toe-pon’olombelona manoloana ny tranga samihafa. Misy ny azo alain-tahaka, misy kosa ny ahitsin’ny fanekena vaovao satria fironana amin’ny maha-nofo izay tokony hihoarana rehefa feno ny Fanahy. Samia mahery handray ny fampaherezana avy amin’ny Tompo indray eo am-pamakiana ny salamo. Talata 14 febroary Salamo 1 F. 6 NY TSARA FANAHY SY NY RATSY FANAHY Ny tsara fanahy ? Tsy mifampiraharaha amin’ny ratsy na manan-draharaha aminy. Raha azony hatao aza dia misintaka lavitra ireo mpanao ratsy mba tsy ho voataonany. Raha fehezina dia miaro mafy ny tenany tsy ho voapentimpetin’ny fahotana. Tia ny Tenin’Andriamanitra. Manana fitaovana mahery vaika izy ho fiarovana ny tenany : ny filomanosany ao amin’ny Tenin’Andriamanitra isan’andro. Zava-dehibe aminy ny mampifanindran-dàlana ny fiainany isan’andro amin’ny Tenin’Andria-manitra. Vokatra. Fiainana be dia be zara ho azy ireo (3) : firoboroboana, famokarana, fahombiazana amin’ny lafiny rehetra, raha fehezina dia sambatra (1). Ny ratsy fanahy. Ny an’ny ratsy fanahy kosa dia ny mifanohitra tanteraka amin’izay voalaza rehetra izay. Ireo tena tsy tamana koa eo amin’ny fiombonan’ny mino. Ny fitsaràn’Andriamanitra (5, 6). Ny mpanao Salamo eto dia maneho karazan’olona roa, tsara fanahy sy ny ratsy fanahy. Ho avy ny fotoana izay hametrahana azy roa ireo amin’ny toerany mandrakizay, toerana samihafa izay tsy afaka hiaraka na oviana na oviana, samy manana ny azy. Ny marina, miaraka amin’Andriamanitra, ny ratsy fanahy kosa, any amin’ny fahaverezana mandrakizay. Ny safidinao dieny eto an-tany ihany no hamaritra ny mandrakizainao. Tenin’Andriamanitra : “Tariho amin’ny làlana mandrakizay aho” Salamo 139. 24b Ho saintsainina : 2 Korintianina 6. 14 ALAROBIA 15 FEBROARY SALAMO 2 F. 1, 2 MANDRESY NY MESIAN’ANDRIAMANITRA Mikambana ny fahavalo mba hanohitra (1-3). Mahay mikambana ny fahavalo hiady amin’ny mpanjaka apetraky ny Tompo toa an’i Davida. Mbola hita taratra io taty amin’ny Testamenta vaovao. Ilay voahosotr’i Jehovah avy amin’ny taranak’i Davida no notoherin’ny firenena hovonoina (Heroda sy Pontio Pilato ary ireo mpanapaka ny Isiraely). Tsy nahatsapa akory ireo mpiaramiombonantoka amin’ny ratsy ireo fa nahatanteraka ny fikasan’Andriamanitra ny amin’ny famonjena izao tontolo izao (Asan’ny Apostoly 4. 24-28). Hita taratra hatramin’izao ireo endrika fanoherana, na fitsipahana ireo eo anivon’ny asa fitoriana ny Filazantsara. Ny fijoroana ho vavolombelona sy ny fahatokiana Ilay Mpamonjy izao tontolo izao no hery hoentina handresena izany. Manjaka any an-danitra sy ety an-tany ny Tompo (4-9). Voafetra ny hery, ny fahefana, ny fahalalan’ny firenena ety ambany masoandro satria ny Mpahary izao tontolo izao no manoratra sy mifehy ny tantara. Tahotra sy horohoro no ataony ao anatin’ireny mpanohitra Azy ireny (5). Mbola hahita hatramin’ny faran’izao tontolo izao ny firenena rehetra fa mandresy Ilay Mesian’Andriamanitra. Jesoa kristy zanak’ Andriamanitra velona izay maharitra mandrakizay no hanjaka sy handresy mandrakizay (Apokalypsy 2. 27). Fahamarinana : Mbola ho avy ny andro handevonan’i Jesoa Kristy an’ireo mpanohitra azy ireo amin’ny fofonain’ny vavany araka ny efa novakiantsika ( 2 Tesalonianina 2. 8) Mahaiza misafidy (10-12). Tena lehibe loatra ny fitiavan’ny Tompo ka mbola mampandini-tena ny mpanapaka, ny olona rehetra Izy handray fanapankevitra hendry, dia ny hiverenana Aminy. Ny fanetrentena hiandany, hialoka amin’ny Tompo no hahazoana fiainana; fa ny fandàvana Ilay Mesian’Andriamanitra dia mitarika ho amin’ny fahaverezana. Tsarovy : “ Sambatra izay rehetra mialoka Aminy” Salamo 2. 12 FAMPIDIRANA NY BOKY JOSOA Mitantara ny fidiran’ny Zanak’Israely ao amin’ny tany Kanana teo ambany fitarihan’i Josoa ity boky ity. Niatrika ady tokoa ny Zanak’Israely tamin’izany : ady amin’ireo tompon-tany izay nahazoana baiko mazava avy amin’Andriamanitra hoe haringana, ady anatiny koa noho ny tsi-fankatoavana ny sitrapon’Andriamanitra teo amin’ny sasany teo amin’ny vahoaka, teo koa ireo fitakiana, fangatahana samihafa tsy maintsy natrehan’i Josoa. Boky tsara vakian’ny mpitarika manokana koa ity boky ity satria misy lesona betsaka momba ny haitarika azo raisina avy amin’izao tantara voarakitra ato izao. Boky azo hisintonana fampaherezana, fampitandremana ho amin’ny fiainana kristianina andavanandro ihany koa ity boky ity. Ny fidirana ao Kanana mantsy dia tsy hoe fidirana any an-danitra akory fa fidirana eo amin’ny fiainam-pitsaharana tokony hiainan’ny kristianina tsirairay avy dieny ety an-tany. Hiteny amintsika tsirairay manokana anie ny Tompo avy amin’izao famakiantsika ny boky Josoa izao. ALAKAMISY 16 FEBROARY JOSOA 1. 1-18 F. 3, 5 FIFANDIMBIASAN-TOERANA Azo hinoana fa nahita ireo zavatra maro mitory ny fahalebiazan’Andriamanitra Josoa tamin’ny fotoana rehetra niainany niaraka tamin’i Mosesy. Ny mampahery manoloana ny asa dia Ilay Tompon’ny asa mihitsy no mifidy izay tiany hanompo azy (1, 2). Ny iraka (mission) tsy miova. Raha maty tsy nahita ilay tany tondra-dronono sy tantely Mosesy, dia nisy solofo notendren’Andriamanitra hanohy ny asany (3-4). Mahatoky Andriamanitra. Ny hahatanteraka ny fampanantenana nataony tamin’i Abrahama no iraka hefain’i Josoa (Genesisy 12. 7; Deotoronomia 11. 24) Fanontaniana : Misy ve teny fampanantenany ho anao ? Matokia fa hohefainy izany amin’ny fotoanany sy amin’ny fombany (Nomery 23. 19). Izy no mampitao. Misy fotoana mahatsiaro bitika ny mpanompony manoloana ny asa. Andriamanitra tompon’ny iraka tsy mandao ny sakaizany fa mampahery azy (5-6); mampahatsiahy ny fototry ny iraka (7); manome antoka fa Izy tsy mandao na mahafoy (9). Ny antoky ny fahombiazana. Ny fo manaiky ny lalàn’Andriamanitra, misaintsaina izany andro aman’alina. Ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra no torolàlana mahatoky hitondra antsika amin’ny fahalavorariana sy fahombiazana (8). Fifampitokisan’ny mpirahalahy (12-16). Na efa nahazo ny anjarany aza ireo Robenita sy Gadita dia tsy namela ireo rahalahiny hiady irery. Nanaiky ny fahefana nomena an’i Josoa. Nitsodrano azy mba hahefa hatramin’ny farany ny adidy masina nampandraiketina azy (18). Mampita toromarika : Toa an’i Mosesy nanoloana an’i Josoa, toa an’i Paoly nanoloana an’i Timoty, aoka ireo mpitarika am-perin’asa hivonona hanomana sy hampita antsakany sy andavany ireo toromarika avy amin’ ny Tompo mba ho tontosa amin’ny fahatsarana ny asa (2 Timoty 2. 2). ZOMA 17 FEBROARY JOSOA 2. 1-24 F. 1, 7 FAMONJENA ARAKA NY FOMBAN’ANDRIAMANITRA Tsy nanana eritreri-dratsy akory ireto mpisafo tany raha natory tao an-tranon-dRahaba (2-3). Iza tokoa no hieritreritra fa hisy hialokaloka ao an-tranon’ny vehivavy janga ? Ara-jeografika ity trano ity nanakaiky ny mandàn’ny tanàna (15) ka nanamora ny fitsoahan’ireo mpisafo tany. Nandainga Rahaba mba hamonjena ireto mpisafo tany. Fahotana eo imason’i Jehovah izany. Tsy nanamarina izany Izy. Ny olona rehetra dia mpanota avokoa ary mendrika famelankeloka (Lioka 1. 7). Na teo aza izany, Andriamanitra kosa nidera ny finoana nananany. Nampahatsiahivin-dRahaba tamin’ireto mpisafo tany ireo zava-dehibe namonjen’Andriamanitra ny vahoakany (10), ny vokatr’izany tamin’ireo firenena manodidina (11). Niaiky ny fiandrianan’Andriamanitra izy. « ...Jehovah Andriamanitrareo, Izy no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy ety amin’ny tany ambany. » (11). Andriamanitra mpamonjy, tsy mifidy olona hampiasaina na hovonjena. Rahaba noho ny finoany dia nisana ho isan’ny razam-be nihavian’ny Mpamonjy (Matio 1. 5) Fifampitokisana. Sarobidy ny fanatontosana ny teny nampanatenaina. Ny fepetra amin’izany dia ny kofehy jaky nafatotra ny varavarankely (18) sy ny fihazonana ny tsiambarantelon’ny fepetra (20). Ireo no marika hitondra famonjena ho an’izay ao tranon-dRahaba (Hebreo 11. 31) Fahaizana tetik’ady avy amin’Andriamanitra avokoa izany. Mila manaiky isika fa ny fahefana rehetra dia eo am-pelantanan’Andriamanitra ary tsy takatry ny saina ny fiasany. Ny fandresena dia ho an’izay mialoka Aminy (24). Vavaka. Tompo ô, ampianaro aho hijery Anao fa tsy ireo fahavalo maro manodidina ahy. Amena. « Ataovy mahagaga ny famindram-ponao, ry Mpamonjy amin’ny tananao ankavanana izay olona mialoka aminao, mba tsy ho azon’ny fahavalo. » (Salamo 17. 7) SABOTSY 18 FEBROARY JOSOA 3. 1-17 F. 3 MIBANJINA NY FAMONJENY Nahazo antoka i Josoa sy ny zanak’Israely fa nomen’Andriamanitra azy ireo ny tany. Nanome toro-marika sy paik’ady ireo vahoaka izy toy ny fanajana ny elanelan’ny fiaran’ny fanekena izay mitory ny fanatrehan’Andriamanitra sy ny vahoaka mba tsy hahadiso làlana azy ireo (3-4). Fanamasinana am-pahabehimaso (7). Mavesatra ny andraikitr’i Josoa. Sarobidy aminy ny fankasitrahana sy ny fombàn‘Andriamanitra azy tahaka an’i Mosesy eo anatrehan’ny vahoaka. Fiomanana (9-13). Nanomana ireo vahoaka i Josoa fa hanao fahagagana Jehovah : Manamasina ny tenanareo (5). Masina sy lehibe Jehovah. Iza no tahaka Azy ety an-tany ka manana fahefana hanapaka ny ranomasina ? Izay tsy manam-pahamasinana anefa dia tsy hahita ny Tompo (Hebreo 12. 14). Fanontaniana : Sao dia noho ny tsy fahampian’ny fanamasinan-tena no mahatonga antsika tsy afaka hahita fahagagana firy intsony amin’izao androntsika izao ? Fahagagana. Tsy voalohany teo amin’ny tantaran’ny zanak’Israely izao fahagagana izao. Nidera ny fahalehibiazan’i Jehovah ireo razan’izy ireo rehefa tafita soa ny ranomasina mena raha nandositra ireo Egyptiana (Eksodosy 15. 1). « Jehovah ô, iza moa no tahaka Anao amin‘izay andriamanitra ? Iza moa no tahaka Anao, Izay ankalazaina amin‘ny fahamasinana, deraina amin‘ny fahatahorana, Mpanao fahagagana ? » (Eksodosy 15. 11). Tsy ho fifalian’ny vahoaka anefa ny fahagagana fa ny hiaikeny fa Jehovah irery ihany no tompon’ny fandresena. Izy no handroaka ireo fahavalo maro (10). Saintsaino : « Fa tsy avy amin‘ny nofo ny fiadian‘ny tafikay, fa mahery amin‘Andriamanitra handrava fiarovana mafy » (2 Korintianina 10. 4). Soratra Masina ho an’ny herinandro : Josoa 1. 7 ALAHADY 19 FEBROARY JOSOA 4. 1-24 F. 1, 2 SAROBIDY NY TARANAKA Mianatra : Josoa no voatendrin’Andriamanitra hitondra ny taranaka faharoan’ny Zanak’Israely handova ny tany Kanana (Deoteronomia. 1. 38-39). Nianatra tamin’i Mosesy izy nandritry ny fotoana nanompoany azy. Rehefa nandray ny andraikitra izy dia nampihatra ireny sady nanohy izay efa nataony (10-12). Ho antsika tanora, fomba fianarana ihany koa ny miara-manompo amin’ireo zoky ara-panahy sy mandray ny traikefany entina hanohizana ilay iraka lehibe dia ny fanitarana ny fanjakan’Andriamanitra (Marka 16. 15) Miomana : Rehefa tafita an’i Jordana ny Zanak’Israely dia tsy ny ady hahazoana ny tany Kanana no baiko nomen’Andriamanitra azy voalohany. Asainy miomana sy mifantoka kokoa Aminy izy ireo sy mahatsiaro izay nataony mialohan’ny handehanany hiady haka ny tany (1-24). Mampianatra antsika izany mba hiomana sy hiverina hahatsiaro an’Andriamanitra rehefa hiatrika asa. Mora manadino ny herin’Andriamanitra isika rehefa variana loatra amin’ny asa. Mampita : Sarobidy amin’Andriamanitra ny fampitana ny fitahiana amin’ny taranaka arivo mifandimby (Eksodosy 20. 6). Ireo vato 12 dia fahatsiarovana mandrakizay ny andro izay nampitan’Andriamanitra ny Zanak’Israely an’i Jordana tamin’ny tany maina (5-7, 21-23) sy hahafantaran’izao tontolo izao ny heriny (24). Hahita ny vato ireo taranaka, handre ny tantara ary hahalala sy hianatra momba an’Andriamanitra. Fanontaniana : Manana tantara na fijoroana vavolombelona manokana izay manampy ny zanakao hahalala sy hianatra momba ny fiasan’Andriamanitra amin’ny fiainanao ve ianao ? Miresaka aminy momba izany ve ianao ? Ny fitantarana ny zava-nisy dia mamelona ao amin’ny ankohonana ny fahatsiarovana fa mahatoky Andriamanitra. Fintina : Makà fotoana mangina hanangananao ny fahatsiarovana ny herin’Andriamanitra teo amin’ny fiainanao. ALATSINAINY 20 FEBROARY JOSOA 5. 1-12 F. 6 FANAVAOZANA NY FANEKENA Tsy nahomby ny fikasana voalohany hiditra ny tany Kanana noho ny tsy namantaran’ny Zanak’Israely ny fotoanan’Andriamanitra ka namotsifotsiany Azy (6, Nomery 14. 23-43). Efapolo taona taty aoriana vao nifanojo ny fotoanan’izy roa tonta ka nahatanterahan’ilay teny fikasana. Toran-kovitra ny Kananita sy ny firenena hafa raha nahita ny herin’Andriamanitra (1). Hain’Andriamanitra ny manova izay sakantsakana rehetra ho làlana hanehoany ny voninahiny eo amin’ny fiainanao amin’ny fotoanany. Amena ! Fanalahidy : Aoka ho mpankatoa ny teny ianareo… sao mamitaka ny tenanareo (Jakoba 1. 22, Jaona 15. 5-8). Ny famorana : 1. Marika hita maso fanamafisana ny fifanekena mandrakizay nataon’Andriamanitra sy Abrahama ho azy sy ho an’ny taranany (Genesisy12. 2 ; 17.10-14 ; Rômanina 4. 11, 12). 2. Mariky ny fialàna amin’ny fiainana taloha mba hidirana amin’ny fiainana vaovao. Tanatin’ny firenena maro nanao ny famorana dia ny firenen’Israely irery no nanana izany ho mariky ny fiarahana amin’Andriamanitra sy fidirana ho isan’ny taranak’Israely (Eksodosy 4. 23-24). Fanavaozana izany no nataony teto mialohan’ny hakany ny tany Kanana (2-9). Ao amin’ny Testamenta vaovao, tsy ny marika ivelany intsony no zava-dehibe fa ny famoran’i Kristy, famonoana ny asan’ny nofo amin’ny Fanahy ary fidirana amin’ny Fanekena Vaovao ao amin’i Kristy (Kolosianina 2.11-13 ; Filipianina 3.3). Sahaza avy amin’Andriamanitra (10-12) : Niaraka tamin’ny fanomezana ny tany Kanana ny fampitsaharana ny mana. Tsy hoe tsy hiantoka sy hikarakara azy ireo intsony akory Andriamanitra fa amin’ny endriny hafa indray no hisehoan’izany eo amin’izay ireo manomboka eto. Misy dingana ny fiainana. Tonom-bavaka: Ohabolana 30.7-9. TALATA 21 FEBROARY JOSOA 5. 13-6. 14 F. 2, 4 TAFIKA HAFA KELY Taorian’ny fiomanana ara-panahy sy ny fampaherezana dia nanomboka naka ny tany Kanana ny taranak’Israely. Jeriko no tanàna voalohany harodana (6. 1). Ny nisehoan’ilay Komandin’ny miaramilan’i Jehovah dia naneho fa an’Andriamanitra ny ady ary ny tany dia fanomezana avy amin‘Andriamanitra ho an’izay mahazo azy (5.13-14, Salamo 24.1-2). Ho mariky ny fanajana dia nanala ny kapany Josoa (15). Na dia efa nasandratr’i Jehovah ho mpitarika ny Israely aza izy (4. 14) dia nanaiky nofehezin’ilay tena Mpitarika Lehibe. Ahoana no fomba anehoantsika ny fanajana sy ny fahatahorana an’Andriamanitra ? Fanafihana an’i Jeriko: Filaharana tsy ara-miaramila fa ara-pivavahana tarihin’ny mpisorona mitondra trompetra no paik’ady nomen’ Andriamanitra (6. 2-5). Nanatanteraka izany tsy am-pihambahabana Josoa sy ny vahoaka rehetra (6. 7-14). Raha amin’ny fisainana sy fahendren’olombelona dia hadalana izany nefa dia nandresy ny Zanak’Israely. Ho antsika kristianina, ny Filazantsaran’i Kristy izay fahadalana amin’izao tontolo izao no herin’Andriamanitra amintsika (1 Korintianina 1. 17-31 ;2 Korintianina 10. 3-5). Efa resy ny fahavalo : Vao tsy nanomboka akory ny ady dia efa niteny tamin‘i Josoa Andriamanitra hoe « efa natolotro eo an-tànanao Jeriko » (2). Nahazo toky Josoa ka niatrika ny ady tamim-pahasahiana. Fampiharana : Isika kristianina ihany koa dia miatrika fahavalo efa resy. Satana ilay fahavalontsika dia efa noravan’i Jesoa Kristy (Hebreo 2. 14-15, 1 Jaona 3. 8). Na izany aza, mbola miady isan’andro isika, mahery vaika ny fihazakazaky ny fitaoman’ny ota eo amin’izao tontolo izao. Hafatra : Aoka tsy ny tahotra ny herin’ny fahavalo no hihazona antsika tsy hihetsika fa mpiantafika mandresy isika noho ny herin’i Kristy (Lioka 22.31-32, Rômanina 8. 37-39). ALAROBIA 22 FEBROARY JOSOA 6. 15-27 F. 2 FANDRESENA MIEZINEZINA Fomba hafa kely no nahazoan’ny Zanak’Israely ny fandresena. Hita miharihary eto ny vokatr’izany fankatoavana izany. Fanakorana. Iza no hanampo hoe fomba toy izao no hahazoana miditra ao Jeriko ka mandresy azy. Tsy manaraka ny lojikan’ny ady mihitsy fa dia izao no ilàna ilay hoe fankatoavana «jamba», tsy misy adihevitra. Tahaka izany koa no nataon’i Petera rehefa nasain’ny Tompo nanjono ka hanokatra ny vavan’ny trondro mba hahitany sekely iray handoavana ny hetran’izy sy i Jesoa (Matio 17. 27). Mitaky fifantohana mihaino ny Tompo tsara izany. Avotra. Noho ny finoany dia tsy niharan’ny fandringanana i Rahaba sy ny ankohonany. Manako aty amin’ny Testamenta vaovao izany tamin’ny nitenenan’i Paoly tamin’ilay mpiambina ny tranomaizina hoe : «Minoa an’i Jesoa Tompo dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao» Asan’ny Apostoly 16. 31. Mitandrema. Inona no baiko nomen’Andriamanitra momba ny zavatra izay ho babo avy ao Jeriko ? Manana ny antony ny baikon’Andriamanitra ; tsy voatery ho takatra sy azontsika foana. Ny lazainy fotsiny dia hoe hitondra ozona ho anareo ny zavatra avy ao. Misy koa anefa tamin’ireny nalefa any amin’ny tempoly. Ny soa ho antsika foana no tanjon’ny baikon’Andriamanitra. Izany no katsahiny ho anao ary Izy mahatakatra lavitra noho isika sy ny fisainantsika. ALAKAMISY 23 FEBROARY JOSOA 7. 1-26 F. 5 MANDALO FAHARESENA Faharesena. Teo anoloan’ny tatitry ny mpisafo tany toa midika hoe “maivana amintsika ireo” dia tsy niandry toro-làlana avy amin’Andriamanitra ry Josoa sy ny tafiny. Tratry ny fitokisan-tena ve ? Nitoky tamin’ny hita maso ve ? Tandremana izany ! Akana. Nihevitra ho tsy nisy nahita izy fa nandeha irery. Tsy fantany ve fa Andriamanitra anie ka mahita ny fanjaitra iray latsaka anay antonta-mololo e ! Nitondra faharesena ho an’ny firenena iray manontolo ny fahalavoany teo anatrehan’ny fitsiriritana. Fampitandremana : Aza mitsiriritra ary indrindra aza ny lohasaha mangina no jerena ! Ny feon’i Jehovah. Rehefa angatahina toro-làlana ny Tompo dia tena manome tokoa. Mbola mitaky fankatoavana indray anefa izany. Hita hoe tsy mora amin’i Josoa sy ny vahoaka ny hankatoa io baiko hamongorana ny fototry ny fahavoazana io. “Anaka” mantsy hoy Josoa tamin’i Akana ! (19). Resaka fananana, harena. Io no nahatonga fahalavoana teo amin’ny olon’Andriamanitra teto ary hitantsika koa fa io koa nahalatsaka an’i Ananiasy sy Safira ka nahatonga azy ireo handainga. I Akana aloha teto mba nitsotra, niaiky ny fahadisoany. Fanontaniana: Sao dia mbola misy zavatra eo amin’ny fiainanao mitondra faharesena mandrakariva ho anao satria tsy ankasitrahan’Andriamanitra ? ZOMA 24 FEBROARY JOSOA 8. 1-17 F. 5 RESY IHANY AY Rehefa nihaino ny tari-dàlana avy amin’Andria-manitra dia hita fa tsy tokony natao tsinontsinona ny herin’ny tao Ay na dia kely sy vitsy aza. Inona no baikon’Andriamanitra ? Manafika. Ny mpiantafika rehetra no manafika. Tsy araka ilay natao araka ny fiheveran’ny saina tamin’ilay voalohany. Fanontaniana : Sao dia manao tsinon-tsinona ny devoly fahavalo ianao ka misangisangy fahotana ? Indrisy. Raha mba nahandry tantana mantsy i Akana fa kay tao Ay dia niova indray ny baiko hoe afaka maka babo ho anareo ianareo amin’ny fananana. Vavaka : Tompo ô ! ataovy manam-paharetana miandry ny fotoananao amin’izay zavatra andrandraiko sy iriako aho fa tsy ho maimay ka hanaonao foana sy hanota mihitsy aza. Amena ! Paik’ady. Tsy nandeha fotsiny tamin’izao koa ry Josoa fa nametrapetraka ny fomba iatrehana izany. “Ny fahaiza-mandamina tsara no entonao miady” hoy ny Ohabolana 20. 18 Fanontaniana : Ry mpanompon’Andria-manitra, ny asa ataontsika ho an’ny Tompo ve mba misy paik’ady sy rindran-damina sa dia mandeha anjoanjo fotsiny amin’izao, tsy mikendry vokatra ? SABOTSY 25 FEBROARY JOSOA 8. 18-25 F. 1, 2 MANDRESY HATRANY NY MPANKATO NY BAIKON’NY TOMPO “Atondroy ny lefona …fa hatolotro”. Andriamanitra Ilay Mpiady mahery no nitarika ny ady tamin’ny alalan’ny paik’ady mahavariana (19, 21). Fahendrena sy saina lalina no nomen’ny Tompo an’i Josoa. Ny mpitarika mpankatoa ny toromarika (23, 26, 27) rehetra dia mahazo fandresena. Toy ny tany Refidima tamin’ny andron’i Mosesy (Eksodosy 17. 8-12). Rehefa nitazona maharitra ny lefona i Josoa dia montsana ny fahavalo. Ny fiankinana amin’ny Fanahin’Andriamanitra sy ny fanetrentena eo ambany tànany mahery ihany no ahafantsika mandresy ny fakampanahy, ny ady sy izay olona atrehintsika (Zakaria 4. 6). Meteza mandrakariva hihaino sy hotarihin’ny Tompo Ilay mifehy ny zava-drehetra sady manao traikefa be. Fandinihan-tena : Mitoky amin’iza tokoa aho manoloana ny sarotra ? Fiaraha-miasa mahomby. Ny faneken’ny tsirairay ho mpiara-miombona antoka manoloana ny ady no nampahomby ihany koa izao fanafihana izao. Ny fiaraha-mientana, fiombonana , firaisan-kina maha-te hidera no nisongadina tamin’izao ady tao Ay izao. Niara-nifantoka tamin’ny fahavalo ny fijery ka nanaiky ny fandaminana ny rehetra. Vavaka : Tompo ô, mampianara anay hanaiky ny lamina eo amin’izay sehatra misy anay. “ Araka izay nandidian’i Mosesy…”(31, 33, 35). Niavaka mihitsy eto i Josoa tamin’ny fanatanterahana antsakany sy andavany ny hafatra nampitondraina. Niombona tamin’ny fisaorana feno fanajana, fanetrentena, fankatoavana an’Andriamanitra ny olona. Nosoratana indray ny dikan’ny làlana, notonina indray ireo fitahiana sy ozona ho tsiaro, fananarana, fampitodihana ny Isiraely amin’Andriamanitra Izay namonjy, nanampy, nampandresy azy ireo. Fandinihan-tena : Maka fotoana hiderana ny Tompo tokoa ve aho aorian’ny fandresena ? Manao ahoana ny famerenana mamaky sy mandinika ny Tenin’Andria-manitra ? Soratra Masina ho an’ny herinandro : Josoa 9. 20 ALAHADY 26 FEBROARY JOSOA 9. 1-27 F. 5, 6 MATAHORA AN’ANDRIAMANITRA AMIN’NY ATAO REHETRA Manambatra hery ny fahavalo (1-2). Niely ny lazan’ilay fandresena tao Ay sy Jeriko ka niteraka tahotra, hovitra tamin’ny firenena manodidina izay nanapakevitra hikambana hamely ny zanak’ Israely. Miombona ny fahavalo, mamela izay tsy itoviana satria mazava tamin’izy ireo fa Isiraely no mila hiadiana. Ny fahatsapan’i Satana sy ny forongony ny herin’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika tokoa dia mahatonga azy hikendry sy handefa zana-tsipika handavoana antsika. Matokia fa miaraka amin’Ilay Mahery isika. Voafitaka rehefa tsy miambina tsara (3-15). Ny fandresena azo dia mila hazonina mandrakariva satria rehefa tsy miambina dia lavo indray. Voafitak’ireto gabaonita ireto ny loholona sy i Josoa tamin’ny endrika ivelany( 4-5); tamin’ny teny mandrobo isan-karazany momba ny herin’ Andriamanitra (7-13). Voafitaka ihany koa izy teo amin’ny toe-po izay toa nieboebo noho ilay fandresena azo (14-15). Paik’ady hatry ny ela nataon’i Satana ny famafazana lainga, fitaka na fisolokiana, handavoana ny olombelona (Genesisy 3). Tsy nanontany ny hevitry ny Tompo izy ireo hany ka tsy nanana ilay Fanahy mahay manavaka sy mandinika ary mamakafaka. Vokany ny fanekena tsy nankasitrahan’ny Tompo (Deoteronomia 7. 1-2; 16-17). Vavaka : Tompo ô ! fenoy ny fahazavan-tsaina izahay ka hahay handroaka ireo fahavalonay. Mafy mandrakariva ny vokatry ny lainga (16-27). Ahariharin’ny Tompo hatrany ny marina satria tra-tehaka ny lainga sy fitaka. Hanompo ny Isiraely izy ireo. Misy fiantraikany hatrany ny fahotana na dia mamela heloka aza ny Tompo. Saintsaino : Nitana ny teny nianianany ry Josoa satria te hankatoa an’ Andriamanitra; ary ianao mba ahoana ? ALATSINAINY 27 FEBROARY JOSOA 10. 1-21 F. 1, 2 ANDRIAMANITRA MIFEHY NY ZAVATRA REHETRA Miray hina ny fahavalo (1-5). Raiki-tahotra ny mpanjakan’i Jerosalema raha nahare fa ravan’ny Zanak’Israely i Ay sy Jeriko izay tanàn-dehibe. Nihombo ny fanahiany ny amin’i Gibeonita izay nanao fanekem-pihavanana tamin’ny Zanak’Israely (1-2). Nanapakevitra izy hiady amin’ireo izay lasa fahavalony noho ny fifanarahany amin’ny Zanak’Israely. Niantso ireo mpanjaka dimy manodidina izy hiaraka aminy hanafika an’i Gibeona (3-5). Miray hina, manambatra hery ny fahavalo hamelezana izay miaraka amin’ny vahoakan’Andriamanitra. Fanontaniana : Aiza ho aiza kosa ankehitriny ny firaisan-kina, firaisan-tsaina, firaisam-po, fiaraha-mientana, fifanka-tiavana, fifanomezan-tanana eo amin’ny fiangonanan’Andriamanitra amin’ny fito-riana ny Filazantsara ? (Filipianina 2. 2). Fanavotana ny Gibeonita (6-8). Tsy nisalasala niantso ny Zanak’Israely hanampy azy amin’ny ady atrehiny ny Gibeonita noho ny fanekena nifanaovana. Lasa adin’ny Zanak’Israely izao ny adiny. Niainga namonjy ny Gibeonita ny Zanak’Israely ka nahazo fampaherezana tamin’Andriamanitra (8). Momba ny olony tokoa Andriamanitra : “Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; Mampahery anao Aho sady mamonjy anao; Eny, mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho.”(Isaia 41. 10). An’Andriamanitra ny ady (9-21). Namely tampoka ny fahavalo ny Zanak’Israely. Niditra an-tsehatra koa Andriamanitra nampiasa ny heriny mahagaga nampifanaritaka ny fahavalo (10), nandatsaka havandra vaventy (11) nanajanona ny masoandro tsy hihetsika mba handripahana azy ireo (13). Nandositra ireo mpanjaka dimy, ringana ny fahavalo, tsy nisy sahy niteny ratsy ny Zanak’Israely intsony. Saintsaino : Tsy ampy ve izay ny fanomezan-tsiny an’Andriamanitra manoloana ny ady atrehina isan’andro; tsy aleo miandany Aminy sy mametraka ny ady rehetra Aminy fa Izy no hiady ho antsika ? TALATA 28 FEBROARY JOSOA 10. 22-43 F. 2, 3 FANDRESENA Fampaherezana hafa-kely (22-27) Nasain’i Josoa navoaka avy ao anaty zohy izay niafenany ireo mpanjaka dimy, ka nasainy nanitsaka ny vozon’ireo mpanjaka ireo ny komandin’ny tafiny. Novonoina sy nahantona tamin’ny hazo ary nalevina tao anatin’ny zohy ihany. Entina hanehona ampahibemaso sy ho fampaherezana izany, fa toy izany no hanjo izay manohitra ny vahoakan’Andriamanitra. Tsy mora ny fakana ny tany Kanana izay nampanantenain’ Andriamanitra ny Zanak’Israely, koa dia tamin’ ny fomba mahery vaika, feno finoana no nampaherezan’i Josoa ireo komandin’ny miaramilany. Manoloana ny ady sarotra atrehina mila mifampahery. Fampaherezana : “Aza matahotra na mivadi-po; mahereza sy matanjaha” (25a). Fanafihana mahomby (28-43). Nanafika ireo tanàna atsimon’i Kanana ny Zanak’Israely ka naringany avokoa ny fahavalony. Azony ny tany Kanana manontolo atsimon’i Jerosalema. Avy aiza ny fahombiazana ? Avy amin’Andriamanitra ! “Natolotr’i Jehovah” (30, 32, 42). Tsy ny hery, na fahaiza manao, na fahaiza-mandamin’i Josoa, izay tena ilaina tokoa, fa Andriamanitra miady ho azy no tena zava-dehibe. Ho toy izany anie isika kristianina, izay Israely ara-panahy ankehitriny ! Tsy handeha amin’ny herin’ny tena fa hametraka mandrakariva ny ady amin’Andriamanitra. Fahavalo hita maso tamin’izany, fa ankehitriny kosa dia tsy hita maso : “Fa isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-drà, fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra” (Efesianina 6. 12). Baiko : “Maneke an’Andriamanitra hianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.” (Jakoba 4. 7) “Mahonona tena, miambena : fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany;tohero izy, ka miorena tsara amin’ny finoana hianareo,”(I Petera 5. 8-9a). ALAROBIA 1 MARSA SALAMO 3. 1-8 F. 2 VAVAKY NY MATOTRA AMIN’NY FINOANA Miantoraka amin’Andriamanitra (1-2). Raha isika re no teo amin’ny toeran’i Davida inona no nataontsika ? Tsy mora izany hoe zanaka nateraka, Absaloma, no manenjika, vonon-kamono, nanongana ny tena eo amin’ny fitondrana. Davida ? Niantoraka tamin’Andriamanitra ! Mamboraka mazava, tsy miholikolika ny zava-manjo azy sy ny fahoriana mafy lalovany : “…akory izato hamaroan’ny mpampahory ahy” (1). Tena mahatsiaro fa malemy, tsy mahefa na inona na inona eo anatrehan’ireo mpanohatra azy. Tsy vitan’izany fa voeson’ireo fahavalony fa tsy afaka hamonjy azy Andriamanitra : “…tsy manam-pamonjena amin’Andriamanitra”(2). Ao amin’ny ady mafy izay lalovana miantoraha amin’Andriamanitra ! “Antsoy Aho amin’ny andro fahoriana, dia hamonjy anao Aho” (Salamo 50. 15a). Matoky ny Tompo (3-6). “Kanjo”: teny maneho fialàna amin’ny fahakiviana fa mibanjina kosa an’Andriamanitra izay afaka hamonjy azy. Tsy mifantoka intsony amin’ny haben’ny olana sy ny hamaroany fa Andriamanitra no hitokiany : “ampinga manodidina ahy”, “voninahitro”, “mpanandratra ny lohako”, “mpamaly ahy”, “mpanohana ahy”, “mpampahery”. Nahazo toky tanteraka tamin’Andriamanitra izy, afaka ny tebitebiny satria fantany fa Andriamanitra miaro azy sy manome fiadanana ho azy. Fanontaniana : Mbola afaka miaina ao anatin’ny fiadanam-po sy fahatoniana ve isika izao, manoloana ireo ahiahy sy tebiteby maro ? Vakio Filipianina 4. 6-7. Mangataka an’Andriamanitra hiasa (7-8). Mampiditra an-tsehatra an’Andriamanitra i Davida : “Mitsangàna Jehovah ô”. Mametraka ny famalian’ny fahavalony Aminy. “…Ahy ny famaliana; Izaho no no hamaly hoy Jehovah” (Rômanina 12. 19b), ary ny vokatr’izany amin’ny fahavalo dia : “namely ny takolako ny fahavaloko rehetra Ianao, ny nifiny ny ratsy fanahy novakivakianao”(7b). Tahaka an’i Davida, mahatsiarova ny famonjen’Andriamanitra anao tamin’ny olana nolalovanao. ALAKAMISY 2 MARSA MATIO 8. 1-13 F. 6 NY TENA FINOANA Na ilay boka, na ilay kapiteny manana ankizilahy marary dia samy niandrandra fanasitranana avy amin’i Jesoa. Tsy nisalasala Jesoa namaly ny hetahetany : « Mety Aho, madiova ianao » (3b). « Ho avy Aho hahasitrana azy » (7b). Finoana manao ahoana re no hitan’i Jesoa tamin’izy ireo ? Finoana mikatsaka ny sitrapon’Andriamanitra (1-4) Anisan’ireo vahoaka nanaraka an’i Jesoa ity boka iray ity.Tokana no masaka tao an-tsainy : io Jesoa io no mahay manasitrana azy. Narahany fiankohofana marika fanetren-tena izany finoana izany. Tsy nanery ny Tompo anefa izy fa nanaiky ny fiandrianany; nametraka ny sitrapon’i Jesoa ho eo ambonin’ny sitrapony : “ Raha mety Ianao” (2b). Manoloana ny zava-tsarotra misy, dia mety manadino ny fiandrianan’ Andriamanitra isika, ka kivy rehefa tsy tanteraka ilay nirintsika. Jesoa nanome ohatra tsara ho antsika raha hiatrika ny hazo fijaliana : “Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.” (Matio 26. 39). Finoana matoky ny fahefan’ny Tenin’Andria-manitra (5-13). Raha nikasa ho any an-tranon’ilay kapiteny i Jesoa hanasitrana ilay ankizilahiny (5-6), dia toe-po sy toe-tsaina feno fanetren-tena no navaliny Azy (8a). Fahatokiana feno ny fahefan’ny tenin’i Jesoa no nasehony (8b-9). Finoana lehibe sady mahagaga, tsy fahita teo amin’ny jiosy vahoakan’Andriamanitra no nilazan’i Jesoa ny nataon’ilay kapiteny, izay hafa firenena (10-12). Nandray valim-bavaka avy hatrany ilay kapiteny : “Tongava aminao araka ny ninoanao. Dia sitrana… ilay ankizilahiny” (13) . Fanontaniana : Finoana manao ahoana ny finoanao rehefa manao vavaka fangatahana ? ZOMA 3 MARSA MATIO 8. 14-22 F. 5, 6 MANARAKA AN’I JESOA Mba hanompo Azy (14-17). Sitrana avokoa izay marary nihaona tamin’i Jesoa fa tsy nisy niala maina. Isan’izany ny rafozam-bavin’i Petera izay nararin’ny tazo. Eto dia tsy ilay marary no nanatona an’i Jesoa na nisy olona nitondra azy teo Aminy, fa Izy mihitsy, rehefa nahita ilay marary, no nandray dingana hanasitrana azy (15). Fantatrao ve fa na tsy nitady an’i Jesoa aza ianao tao anatin’ny aretinao, ka sitrana, dia Izy no niasa tamin’ny fanafody sy ny dokotera ? Tao koa ireo demoniaka maro izay nositraniny tamin’ny alalan’ny teniny fotsiny (16). Raha nanaiky ho faty teo amin’ny hazofijaliana i Jesoa, dia tsy ny hanasitrana ny aretin’ny nofo ihany no tanjony, fa ny aretin’ny fanahy indrindra noho ny fahotantsika (17, Isaia 53. 4-5). Voalaza fa rehefa sitrana ny rafozan’i Petera dia nanompo ny Tompo (15b). Nitondra anao amin’ny fanarahan-dia sy fanompoana ny Tompo ve ny fanasitranana noraisinao ? Mba ho Azy tanteraka (18-22). Mpanora-dalàna iray no niteny tamin’i Jesoa fa hanaraka Azy (19). Inona no valiny ? : “Ny Zanak’olona tsy manana izay hipetrahan’ny lohany” (20). Izany hoe mila fahafoizana sy fihafiana ny manaraka Azy fa tsy fanantenan-javatra fotsiny. Manamafy izany Izy raha namaly ny mpianany iray izay nametraka fepetra amin’ny fanarahana Azy (21).Tsy ny mandevina ny rainy akory no tsy ankasitrahan’i Jesoa, fa te hampisaina azy ny amin’ny laharam-pahamehana Izy (22). Efa mifamato-piainana amin’i Jesoa Kristy amin’ny finoana ve ianao ? Vavaka : Tompo ô! Ampio aho mba hanao Anao ho lohany amin’ny zavatra rehetra eo amin’ny fiainako. Amena. SABOTSY 4 MARSA MATIO 8. 23-34 F. 1, 2 NY FAHEFAN’I JESOA Mandresy ny tafio-drivotra (23-27). Avy nanao asa maro Jesoa dia reraka ka resy tory tao an-tsambokely niaraka tamin’ny mpianany (23). Manoloana ny tafio-drivotra mahery dia raiki-tahotra ny mpianatra ka niantso vonjy taminy (24-25). “Nahoana no saro-tahotra ianareo ry kely finoana” (26a) hoy i Jesoa. Kely finoana satria Jesoa, Izay efa fantany loatra ny asa mahagaga rehetra nataony, no miaraka aminy. Isika mpino koa dia tsy tokony hatahotra manoloana ny zava-tsarotra maro lalovana. Mampahory mantsy ny tahotra (I Jaona 4.18). Mila miantoraka Aminy amin’ny finoana isika satria voasoratra hoe : “Fa izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo no hovonjena” (Rômanina 10. 13). Manana fahefana amin’ny aretina ny tenin’i Jesoa fa manana fahefana amin’izay endrika tafio-drivotra rehetra eo amin’ny fiainantsika koa (26b). Mandresy ny fanahy ratsy (28-34). Nifanena tamin’ny demoniaka roa lahy tena masiaka Jesoa (28). Fantatry ny devoly ny maha zanak’Andriamanitra Azy (29a). Fantany ny heriny sy ny fahefany mandrava ny asany, ka dia toran-kovitra izy : “Tonga et? va Ianao hampijaly anay alohan’ny fotoana ?” (29b). Fantany koa fa tsy mbola fotoana hangejana azy any amin’ny farihy mirehitra afo izao, ka dia nifona nangataka mba alefa any anaty kisoa izy (31). Notanterahin’i Jesoa izany : maty ireo kisoa (32), sitrana ireo demoniaka. Ny mponina teo kosa nangataka Azy mba hiala amin’ny fari-taniny (34). Inona no antony ? Ny fananany very no zava-dehibe taminy fa tsy ny fahasitranan’izy roalahy. Fampieritreretana : Inona no sarobidy aminao, ny zavatry ny tany ho levona sa ny fanahinao maharitra mandrakizay, izay nanoloran’i Jesoa ny ainy teo amin’ny hazofijaliana ? Soratra masina ho an’ny herinandro : Matio 8. 26 ALAHADY 5 MARSA Matio 9. 1-13 F. 2 MITENY DIA MAMPIHATRA Jesoa Kristy miasa fatratra : Ny toritenin’i Jesoa (Toko 5-7) dia arahin’asa (Toko 8-9). Eto Jesoa sady manasitrana no mamela heloka. Ny Fanjakan’Andriamanitra dia mijery koa ny zava-misy ilain’ny olombelona eo amin’ny fiainany andavanandro ary misahana ny olona manontolo (saina, vatana, fanahy). Matetika dia adinoin’ny mpitory Filazantsara izany lafiny izany, andao atao ho modelitsika Jesoa. Jesoa Kristy manome mihoatra lavitra : Tamin’ny finoana no nitondran’ireto olona ireto ny mararin’ny paralysisa teo amin’i Jesoa; raha niandry sy nanantena fanasitranana ho an’ny paralysisa izy ireo dia nahazo mihoatra lavitra dia ny famelana ny heloka izany. Toy izany koa i Abrahama raha nionona tamin’i Ismaela zanany tamin’i Agara (izay neritreretiny handova azy), nomen’Andriamanitra an’i Isaka izay tsara lavitra izy. Moa tsy izany va no fiasan’Andriamanitra amintsika koa ankehitriny ? (Hebreo 11. 40). Jesoa Kristy maneho ny voninahitr’Andria-manitra : sitrana ary voavela heloka ilay paralysisa. Ny aretina dia tsy voatery ho vokatrin’ny otatsika foana (Jaona 9. 1-3). Na izany na tsy izany, mila mandray ny famelankeloka isan’andro isika satria mety ho faty noho ny aretina ara-nofo isika fa mandova ny fiainana mandrakizay kosa satria voavela heloka. Ahoana kosa ireo olona salama tsara ara-batana sy finaritra nefa tsy manana an’i Jesoa Kristy amin’ny andro hahafatesany ? Toe-tsain’ny mpanora-dalàna sy fariseo : (3-8; 11), na ny eritreritra ao am-po, na ny hambara mivantana dia fantatr’i Jesoa avokoa. Meteza hanaiky ahitsiny ao amin’ny fihevitrao sy ny fihetsikao ary maneke hiova (Rômanina 12. 2). ALATSINAINY 6 MARSA Matio 9. 14-26 F. 1, 2 FINOANA MISY VOKATRA Fanontaniana mila valiny (14-16). Na ny mpianatr’i Jaona mpanao batisa aza eto dia mbola tsy tena mahalala tsara ny mpianatr’i Jesoa na ny maha izy azy an’I Jesoa ka gaga ny amin’ny tsy anaovan’ireto farany fifadiankanina tahaka ireo fariseo. Mampiasa fanoharana i Jesoa Kristy, fanoharana ny amin’ny fety fampakaram-bady. Raha mbola eo ny mpampiakatra, fifaliana no atrehin’ireo namany, koa inona no antony hifadiana hanina izay fanao amin’ny vanim-potoana manjombona ? Ny tonta sy ny vao (17). Mitohy ny fanazavana : ny divay sy ny siny indray izay ilaina amin’ny fiainana andavan’andro no ampiasain’i Jesoa mba hanehoany fa tsy manana toerana ao anatin’ny fanekena vaovao ny fombafomba amam-panaon’ny mpianatr’i Jaona sy ny fariseo. Finoana (18-26) : Fanehoana finoana karazany roa no hita eto (18-23) : ny finoan’ilay mpanapaka, manambara mivantana amin’i Jesoa Izy fa raha mametra-tànana amin’ny zanany vavy ny Tompo dia ho velona ity zanany (18-19). Ny an’ilay vehivavy izay narary nandritry ny roa ambin’ny folo taona kosa. Finoana anakampo fa raha voatendriny na ny lamban’i Jesoa ihany aza dia ho sitrana izy. Samy hitan’i Jesoa ireo olona roa ireo ary samy niantrany. Nisy akony tamin’izy ireo izany finoana izany, ary nisy akony tamin’ny tontolo manodidina koa satria dia niely ny fahagagana nataon’i Jesoa (26). Fetran’ny siansa : manampetra tokoa ny fahaizana ara-medikaly satria dia 12 taona be izao no tsy nahitam-panafana ity aretina ity (nandeha rà). Andao hanatona ny Tompo Ilay tompon’ny fanasitranana. Andininy vitsivitsy momba ny finoana Matio 21. 21-22, Rômanina 4. 18-22, Hebreo 11. 17-19. TALATA 7 MARSA Matio 9. 27-38 F. 6 AZA VARIANA FA RAISO NY ANDRAIKITRA Hafatra sa fampisehoana ? (27-31) Mbola mitohy ny asan’i Kristy velona, nihiratra ny mason’ireto jamba. Namepetra mafy Jesoa mba tsy hielezan’ny vaovao satria tsapany fa ny fahagagana no mahavariana ny olona fa tsy ny hafatra fonosin’izany fahagagana izany. Isika koa rehefa mijoro ho vavolombelona, andao hiezaka hizara ny hafatra fonosin’ny fahagagana ataon’i Jesoa amitsika fa tsy variana mitantara ny zava-misy nahagaga fotsiny, ohatra : fanasitranana tamin’ny aretina mafy mahafaty, inona no lesona raisina amin’izany ? Ny fahagagana dia avy amin’ny finoana ary ny finoana dia avy amin’ny toriteny (Rômanina 10. 17). Fihetsika roa samihafa (32-34). Samy nahita an’i Jesoa nampiteny ny lehilahy moana izay demoniaka ny vahoaka sy ny fariseo. Ny vahoaka naneho fahagagana ary niaiky fa tsy mbola nisy niseho toy izao tamin’ny Israely. Ny Fariseo tonga dia fitsikerana tsy mitombina. Tandremo fa hampamoahina ny olona amin’izay teny foana rehetra ataony! (Matio 12. 36). Ry Raiko feno antra (35-38). Na dia sahirana be aza i Jesoa dia mijery ny zava misy manodidina Azy. Mila fanetrentena sy fo antra ny Fanjakan’Andriamanitra. Na dia Jesoa aza izay Andriamanitra dia maneho ny maha-Izy Azy amin’ny maha-olombelona azy koa dia ny fo onena izany. Andao atao modely ny fiantran’i Kristy. Vakio ny boky “Devenir une femme de compassion” nosoratan’i Laetitia Chamard, ho hitanao ao izany hoe fo onena mitarika asa !. Azo jifaina ao amin’ny fivarotam-bokin’ny F.M.M.B ALAROBIA 8 MARSA Matio 10. 1-15 F. 3, 6 JESO MPANAZATRA ! Fiantsoana ekipa : “ Be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy” (Matio 9. 38), izay no zava-misy hitan’i Jesoa eo amin’ny tontolo manodidina Azy ka mandray andraikitra Izy amin’ny fiantsoana ny mpianatra sy fanomezana azy ireo fahefana hanao ny asa dia ny hanasitrana ny marary sy ny hamoaka demonia (1). Jesoa dia manatanteraka izay nambarany ary manambara izay ho tanterahiny. Sa ahoana hoy ianao ? Fananganana ekipa, iza no manao inona ? Oharina amin’ny baolina kitra ny irak’i Jesoa eto. Misy ny mpiandry tsatokazo, miaro ny baolina tsy hiditra. Misy ny mpanafika izay miezaka hampiditra kosa ny baolina ! Jesoa maniraka ny mpianatra hanasitrana (asa fiarovana), ary koa mandroaka ny devoly (asa fanafihana). Isika kosa irahin’i Jesoa ankehitriny ho isan’ny ekipany. Aza adino ny akanjo fanamiana (Efesianina 6. 14-17). Fametrahana fitsipi-dalao. Henoy ny mpanazatra  ! (5-10), Jesoa Kristy manome amin’ny antsipiriany ny fitsipi-dalao. Misy ny taktika, misy ny fametrahana laharam-pahamehana (ondry verin’ny Israely), misy ny fandrarana (ireo “aza…..”). Ankatoavintsika ve ireo fitsipika sy didy ao amin’ny Soratra Masina ? Fantaro tsara… (11-15). Jesoa Kristy mampitao antsika ka manomana olona handray antsika eny amin’ny sehatra iasantsika. Mila fantarintsika tsara nefa izay mendrika (11). Miarahabà (12), fomba tsotra, tsy mandany hery na fotoana ny miarahaba. “Fiadanana ho an’ity tokantrano ity” (13). Andao atao fahazarana eo amin’ny fiainantsika ny miarahaba sy manonona fiadanana. SHALOM ! ALAKAMISY 9 MARSA Matio 10. 16-33 F. 4, 5 MIATRIKA ADY Jesoa Kristy tsy manafina ny fahasarotan’ny iraka (16-23). Tontolo tsy manam-piantrana no asehon’i Jesoa Kristy eto, ao ny herisetra ara-batana sy ara-moraly amin’ny alalan’ny kapoka sy fitorina any amin’ny tribonaly noho ny fanarahana an’i Kristy. Eo amin’ny sehatra rehetra mihitsy no hisian’izany herisetra izany. Ohatra : mpanapaka sy mpanjaka (18), fianakaviana (21), tanàna (23). Hoy Jesoa hoe aza matahotra fa hendre ary mba aoka ho malina (16). Raha sendra ny fanenjehana sy fiampangana amin’ny tsi-rariny ary isika (19, 20, 23), Andriamanitra mampanantena antsika ny Fanahy Masina hiteny amin’ny toerantsika ary mandidy antsika handositra (Salamo 55. 8). Mpianatra manahaka ny mpampianatra (24-33). Ny mpianatra dia mifamatotra amin’ny mpampianatra azy. Izay mihatra na iainan’ny andaniny dia toy izany koa no mahazo ny ankilany. Noho izany, raha i Jesoa no ekentsika ho Mpampianatra amin’ny fiainantsika manontolo, tsy misy tokony hatahorantsika (26, 28, 31). Aza matahotra ny haneho am-pahibemaso ny lokonao sy ny maha-kristianina anao. Na eny amin’ny toeram-piasana ianao na eny amin’ny biraom-panjakana , n’aiza n’aiza misy anao satria tsy fanahy osa no ao anatinao fa fanahy mahery (2 Timoty 1. 7). Misy mihitsy ny fikambanan’ny tsy mpino any amin’ny tany mandroso manao izay hitaomana ny kristianina hiala amin’ny finoany ary dia mahasintona olona anarivony maro izany fikambanana izany, ary tsy miafina izy ireo. Hoy ny Tompo hoe tsy misy takona tsy ho hita, koa maninona no tsy hambara ny Filazantsara ? Raha tsy izany dia tsy ho isan’ny ekipa mpandresin’ny Tompo ianao, ka sao dia ho laviny (33) ! ZOMA 10 MARSA Matio 10. 34-42 F. 3, 5 FIADANANA SA SABATRA? Tolona ny fiainana (34-39). Mitohy ny fametrahan’i Jesoa Kristy fitsipi-dalao amin’ny fanarahana Azy. Tsoriny eto fa tsy mitondra fiadanana izy fa ady (34) ary hisy tokoa ny fifandrafiana ao anatin’ny ankohonana arakin’ny faminaniana ao amin’ny Mika 7. 6. Ekena fa ny fara tanjon’ny Filazantsara dia ny fiadanana (Jaona 14. 27), mandra-pahatonga izany fiadanana izany anefa dia tsy maintsy mandalo ady sy tolona. Ny fanarahana an’i Kristy dia matetika mitarika disadisa eo anivon’ny ankohonana. Tian’Andriamanitra hanana fanolorantena tanteraka sy feno isika mba hahaizantsika mihoatra ny sakana rehetra. Isan’izany ny sakana eo anivon’ny ankohonana. Ento ary ny hazofijaliana (38), fa izany no antoka hahazoana ilay valimpitia lehibe indrindra dia ny fiainana mandrakizay. Iza re no ampiantranoako ? (40-42) Tsara sy mahafinaritra tokoa ny mampiantrano havana, namana, sakaiza mahatoky sy akaikin’ny fo satria mampiseho firahalahina sy mahatsara ny fifankatiavana izany (Salamo 133). Ahoana kosa ny amin’ireo mpanompon’Andriamanitra ? (41) Iraka solon’i Kristy izy ireny (2 Korintianina 5. 20), mpitondra ny hafatry ny Filazantsara ka izay mandray azy ireny dia mandray ny Tompo ary ho an’izay mandray an’ny Tompo dia mitoetra eo aminy ny fiadanana. Ary ny amin’ny ireo madiniky ny Tompo ? (42) Tsy iza ireo fa ireo izay avy manolotena ka manaiky am-panetrentena an’i Kristy ho mpianany ary tsy manana iankinana hafa afa tsy amin’ny Tompo irery ihany. Mety ho ireo olona mahantra eo amin’ny fiarahamonina koa izany. Ireo izay heverin’ny manodidina ho tsinontsinona, ireny koa no tian’ny Tompo ampiantranointsika. SABOTSY 11 MARSA MATIO 11. 1-15 F. 1, 6 MAMANTATRA NY VOA Mampianatra ny olona mahatoky (1). Mialohan’ny olona rehetra, dia ny mpianatry ny Tompo aloha no mila mafy orina ny amin’ny fahafantarana ny sitrapon’Andriamanitra mba hahafahan’izy ireo mampita izany. Ny mpitarika dia mila mijery ireo mpiara-miasa aminy akaiky mialohan’ny hivoahana eny ivelany. Iza moa Jesosy Kristy ? (2-6) Na dia any an-tranomaizina aza dia re ny asan’ny Tompo. Miparitaka ny Filazantsara ary tsy voasakan’ny fahamaizinana ny heriny sy ny asany. Nahatanteraka ny asany i Jaona mpanao batisa ary te-haka toky izy fa Jesosy tokoa ilay efa nolazainy sy nampiomanany ny olona. Mazava ny valintenin’ny Tompo : ny asany no manambara Azy. Fanontaniana : Amin’ny asa fanompoana ataontsika, hita taratra amin’ireny tokoa ve Kristy, inoan’ny olona Azy ? Iza moa Jaona ? (7-15) Manambara toetra tsy miovaova sady marina nananan’i Jaona eto Jesosy (7c). Manamafy izany ny nampidirana azy an-tranomaizna noho ny fihazonany ny fahamarinana, sahy nanapotsitra ny fahotan’i Heroda mpanjaka. Nanana fiainana feno fanetrentena koa izy (8b) na dia lehibe tokoa aza ny asa izay niantsoana azy : hampiomana ny fon’ny olona handray ny Tompo (Matio 17. 11-13). Tanteraka teo amin’i Jaona io faminaniana io. Iza moa isika ? Manana anjara raha samy olona ny mino an’i Kristy. Izay mety ho fahalehibiazana rehetra dia tsy azo oharina amin’ilay Fanjakan’ Andriamanitra izay omeny an’izay rehetra mino Azy. Hafatra : “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin’ny Ray”. Jaona 14. 12. Soratra Masina ho an’ny herinandro : Matio 10. 42 ALAHADY 12 MARSA MATIO 11. 16-2 F. 1, 2 MINO NY ASAN’ANDRIAMANITRA HO FAMONJENA Mafy fo, manamarin-tena (16-18). Misy tokoa ny olona mitady ny alaolana rehetra tsy hinoana ny Filazantsara marina. Hamarinina amin’ny resaka fombafomba sy lalàna izany. Sarotra ho an’ny olona fotsiny indraindray ny hino na dia efa hita mivantana sy mivaingana aza ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra marina. ”Tamin’izany andro izany dia namaly Jesosy ka nanao hoe : Midera Anao Aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany ka nasehonao tamin’ny zaza madinika.”Matio 11. 25. Ny fanekentsika hanokatra ny fontsika hiasan’ny herin’Andriamanitra no hampahiratra ny masontsika. Manokatra ny fo ka manaisotra ireo izay rehetra heverintsika fa fahaizantsika sy fahalalantsika izay tena bitika eo anatrehan’Ilay Mpahary ny lanitra sy ny tany. Maizina am-pototry ny mazava (20-24). Na dia nahalala, nahita ny asa lehibe nataon’ny Tompo aza ny olona teto dia tsy nety nino sy tsy nibebaka foana. Maro ankehitriny ny manao toy izany. Tsy vitsy ny olona, tanàna na firenena izay minia tsy mahita ny asan’Andriamanitra hitarika ho amin’ny fibebahana marina. Loza ho an’izay nampahafantarina, nahalala ny sitrapon’Andriamanitra anefa tsy mety mino sy tsy mibebaka: “Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron’ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka” Asan’ny Apostoly 17. 30 Vavaka : Andriamanitra ô ! Araka ny teninao, kasiho ny foko ho fo nofo, hibebaka sy handray ny Famonjenao amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. AMENA. ALATSINAINY 13 MARSA MATIO 11. 25-30 F. 1, 3 FANTATRO IZAY INOAKO Fon-jaza. Ampiasain’i Satana ny fahalalana, ny fahendrena amin’ny maha-olombelona, hanakonana ny masontsika tsy hahita ny fahendrena sy ny fitiavan’Andriamanitra antsika. Asan’ny Fanahy anefa ny fahatakarana izany ary tsy misy làlana hahafahantsika miala amin’izany ankoatry ny fanekentsika tsotra izao ny herin’ny Fanahy Masina izay tian’Andriamanitra omena ho an’izay rehetra mangataka izany amin’ny alalan’ny Zanany: “Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy ?”Lioka 11. (13). Azo hitarafana sy hakàna lesona ho amin’ny fankatoavana ny sitrapon’Andriamanitra, ny toetry ny zaza madinika izay manana fo malemy, tsotra, manaiky tsy misy fisalasalana. Ny fananana fo sy saina tahaka izany no hahafahan’Andriamanitra miasa malalaka eo amin’ny fiainantsika. Ary ho tsapantsika tokoa izany raha ekentsika. Omeo fotsiny. Tsapan’ny Tompo tokoa ny vesatra, adin-tsaina, adim-panahy mahazo sy mpahazo ny olombelona ary niainany izany amin’ny naha olona Azy. Amin’ny maha-Andriamanitra Azy kosa anefa dia afaka mitondra sy mizaka izay tsy efantsika rehetra Izy. Ilay Andriamanitra tsy mba mandatsa, tsy mba maneso no miantso antsika eto, hanolorantsika Aminy izay rehetra manahirana antsika, na amin’ny fifandraisana Aminy, na amin’ny fifandraisantsika samy isika, na amin’ny fiainantsika manokana. Koa misy ohatr’izany indray ve ? Vavaka : Jesosy Tompo ô ! Raha mety Ianao dia mahay manova ahy fa manaiky aho ny hovanao ! AMENA. TALATA 14 MARSA Matio 12. 1-21 F. 6, 7 ANDRIAMANITRA : TOMPON’NY SABATA Sabata, andro fitsaharana. Tamin’ny vaninandro famoronana no nanendren’Andriamanitra ny andro fahafito na sabata ho andro hitsaharana (Genesisy 2. 2-3). Rehefa tonga ny didy folo dia napetraka ho andro hanamasinana an’Andriamanitra izany (Eksodosy 20. 8-11). Raha araka ny fijerin’ny Fariseo (1) dia tsy azo atao mihitsy ny manao zavatra na inona na inona amin’ny andro Sabata. Inona no nambaran’i Jesoa tamin’izy ireo ? Tompon’ny Sabata ny Zanak’olona, mety ny manao soa amin’ny sabata (8, 12). Sabotsy sa Alahady ? Mbola mitoetra hatramin’izao ny fanokanana andro iray amin’ny herinandro hiangonana saingy misy ny mihazona ny andro fahafito, misy kosa ny nanova izany ho andro voalohany amin’ny herinandro (Alahady) izay andro nitsanganan’i Jesosy Kristy (Asan’ny Apostoly 20. 7 ; 1 Korintianina 16. 2) tamin’ny maty. Safidy izany ary tsy tokony hifampitsarana (Rômanina 14. 5) satria tsy miankina amin’izany (lalàna) intsony ny famonjena. Tsy novakianareo va ? Fariseo sy mpanora-dalàna no anontanian’i Jesoa an’izany fanontaniana izany. Matsiro ery rehefa mandray avy amin’ny Tompo famoahankevitry ny Soratra masina tahaka izao (3-7, Lioka 24. 27, 32). Mila mamaky tsara (mandinika) ny Tenin’Andriamanitra isika mba hahatakatra tsara ny tena heviny sy ny hafatra ampitain’Andriamanitra ao anatin’izany ! Ndeha hanahaka an’i Maria hifidy ny anjara tsara e ! (Lioka 10. 38-42). Ilay Zanaka malalan’Andriamanitra. Fihetsika feno fahendrena ny fisintahan’i Jesosy sy ny fandrarany ny olona tsy hanely ny fahagagana maro vitany (15-16). Andriamanitra manam-pahefana sy voninahitra, hitoeran’ny Fanahin’Andriamanitra kanefa dia tsy tia sehoseho (17-21). Vavaka : Tompo ô !ampianaro aho hahay hanetry tena toa anao ! ALAROBIA 15 MARSA Matio 12. 22-37 F. 2 MAMOA VOA TSARA Mino an’Andriamanitra sy ny heriny. Talanjona tamin’ny fanafahana sy fanasitranan’i Jesosy ilay demoniaka ny olona (22) ka niaiky ny maha-Zanak’Andriamanitra Azy (23). Manamafy ny fanambaran’ny olona ny Tompo fa ny Fanahin’Andriamanitra no ahafahany manao izany ary Izy ilay Andriamanitra anivon’ny olona, Ilay nandrasana hatrizay (28). Ny Fanahin’Andriamanitra irery ihany no ahafahana manaiky ny maha Andriamanitra tonga nofo an’i Jesosy sy hinoana azy ho ilay maty namonjy antsika ary nitsangana tamin’ny maty mba hahavelona antsika ao Aminy (jereo 1 Jaona 4. 2, Asan’ny Apostoly 2. 36-39). Fo mialona. Fanamelohana sy endrikendrika no nasetrin’ny Fariseo ny asa mahagaga nataon’i Jesosy sy manoloana ny fahefany sy ny fanarahan’ny vahoaka Azy. Efa jamban’ ny fankahalana loatra izy ireo ka manoso-potaka ny Tompo ho mamoaka demonia amin’ny fanahin’i Belzeboba (23-26). Inona intsony tokoa moa no antenaina amin’ny olona miteny ratsy ny Fanahin’Andriamanitra (31) toy izany ? Efa manidy tanteraka ny fony ary tsy ho vonona handray ny Fanahy Masina mihitsy, na oviana na oviana (32) ! Ento am-bavaka ny manodidina anao mba tsy ho isan’ny toy izany ! Izay ao am-po no mivoaka. Mety ho vita ihany ny mamoaka zavatra tsara ivelany na dia ratsy aza ny ao am-po. Na ho ela na ho haingana anefa dia tsy maintsy ho tafavoaka miharihary eny ihany izay rakitra ao anaty ao (33-35). Fomba hialàna amin’izany ny famenoana Tenin’Andriamanitra ny fo mba tsy hitoeran’ny zava-poana isan-karazany ! Vavaka : Jesosy ô ! kasiho ny fon’ireo izay mbola tsy mino na minia mandà tsy hino Anao ! ALAKAMISY 16 MARSA MATIO 12. 38-50 F. 2, 6, 7 ANTSO HO AMIN’NY FANAPAHANKEVITRA Fahagagana sa famantarana ? Mangataka famantarana amin’i Jesosy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna. Tsy hetaheta ho tonga amin’ny finoana anefa no ao anatiny fa ny hiady hevitra sy hamandrika Azy (Marka 8. 11-12). Fahagagana mahatalanjona sy mampiaiky no tadiavin’ny olona nefa tsy voatery hitondra amin’ny finoana akory izany fa tsikiriana hahita zava-mahagaga fotsiny. Ny famantarana asehon’i Jesosy momban’i Jona mpaminany (nitondra ireo Jentilisa tao Ninive tamin’ny fibebahana) dia ny fahafatesany teo amin’ny hazofijaliana sy fitsanganany amin’ny maty. Ireo no famantarana lehibe roa izay iorenan’ny finoantsika (I Korintianina 15. 17). Ary ao amin’i Jesosy Kristy tsy izay mahita no mino fa izay mandre sy mino (Rômanina 10. 17) no mahita ! Fibebahana feno : Tsy ampy ny fibebahana (fiovana zotra; todika ivoho) fotsiny fa mila mandray an’i Jesosy sy manaiky ny Fanahy Masina mba tsy ho latsaka amin’ny ratsiratsy kokoa (45). Ilaintsika ho ao anatintsika izany Fanahy Masina izay lehibe noho ny fanahy rehetra eo amin’izao tontolo izao (I Jaona 4. 4) izany mba tsy hiverenan’ny fanahy hafa ratsiratsy kokoa eo amintsika. Fianakavian’i Jesoa : Ny fandraisana sy fanekena an’i Jesosy eo amin’ny fiainana dia mampiditra antsika anaty fianakaviana vaovao. Anisan’izay mamaritra ny mpikambana ao amin’izany fianakaviana izany ny fitiavana sy hetaheta hanao ny sitrapon’ny Ray (50). Amin’i Jesosy Kristy moa dia “hanina” isan’andro mihitsy no manatanteraka ny sitrapon’ny Rainy (Jaona 4. 34). Fandinihan-tena: Eo amin’izay toerana misy ahy ankehitriny, inona no dingana tokony horaisiko hanakaikezako bebe kokoa ny Tompo ? ZOMA 17 MARSA SALAMO 4 F. 2, 6 MANDRY FEHIZAY Vavaka no manokatra ny Salamo. Vavaky ny olona efa nahita ny fiasan’Andriamanitra tamin’ny lasa (1b) ary mbola miandrandra azy amin’ny tranga iainany ankehitriny koa. Fa inona no mety iainany  ? Olom-boafidy. Nantsoin’Andriamanitra manokana hanao asa ho azy ity mpanao salamo ity kanefa dia misy ireo izay manesoeso, manaraby azy hoe : izay ianao ve ? Ao ireo lehibe (2) izay mahita azy hoe zaza vao iray ranonon’orana io koa ve ? Toy izay angamba no nahatonga an’i Jeremia hilaza hoe : mbola zaza aho ! ? Misy mpanohana. Misy ihany kosa anefa ireo izay momba sy mankasitraka ny fifidianana an’ity mpanompon’Andriamanitra ity izay ampahereziny koa hitoky amin’Andriamanitra (4-5), hivavaka Aminy. Mahasorena tokoa ny ataon’ireo fahavalo, manenjika sy manaratsy saingy fanamby ny mihazona hatrany ny fahadiovam-po. Matoky tanteraka. Fifaliana sy fiadanana anefa no mameno ny fon’ny mpanompon’Andriamanitra na dia eo aza izany fanenjehana sy ny eso izany. Ara-bakiteny mihitsy ny hilazàna fa mandry fehizay izy noho ny fananany an’Andriamanitra. Fanontaniana : Manao ahoana ianao rehefa miatrika olana toy izao ? Mahita tory ve sa mandry tsy lavo loha noho ny adin-tsaina ? Fanentanana : Apetraho amin’ny Tompo ny adinao rehetra. SABOTSY 18 MARSA JOBA 12. 1-25 F. 1, 2 MIANARA FAHENDRENA Miha-henjana ny tady eo amin’i Joba sy ireto namany. Maherihery mihitsy ny teny avalin’i Joba azy ireo. Tsy tantin’i Joba fa toa lasa mandatsa sy mihomehy azy ireto sakaizany (4-5). Mbola tanora fanahy loatra ianareo (12) hoy i Joba ary Andriamanitra ihany no Tompon’ny fahendrena ka mianara Aminy (13). Jereo ny biby. Inona avy ireo biby resahin’i Joba eto ? Mampahatsiaro ny toritenin’i Jesoa nilaza hoe tsinjovy ny voromanidina fa tsy mamafy na mijinja izy ireny. Ny Ohabolana koa milaza hoe mianara amin’ny vitsika ry ilay malaina. Ahitana taratra ny fahendren’Andriamanitra avokoa ny rindram-piainan’ireo. Tsitoha Izy. Izay no azo lazaina ho fehin’ny fitanisàna ataon’i Joba. Iza amin’ireo nambaran’i Joba ireo no tena mikasika anao manokana ? Inona amin’ireo no hitanao niharihary teto amin’izao tontolo izao, na voalaza ato anaty Baiboly, na teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao ? Ohatra : Mandrava izy ka tsy hatsangana intsony (14) : Sodoma sy Gomora. Manampina ny rano Izy ka dia ritra iny (15) : Tamin’ny andron’i Elia, nihantona telo taona ny orana. Alefany indray ka mahasimba ny tany (15b) : Safodrano tamin’ny andron’i Noa. Afaka manohy manokana ianao. Hafatr’i Joba. Tsy voafehy ny saina kelinareo Andriamanitra amin’ny fomba fiasany ka aza mitompo teny fantatra, miziriziry mitady izay ho heloko satria hoy ianareo hoe : nanota io matoa voakapoka toy izao ! Soratra masina ho an’ny herinandro : Matio 12. 30 ALAHADY 19 MARSA JOBA 13. 1-28 F. 2, 6 MITODIKA AMIN’ANDRIAMANITRA Ny hifandahatra amin’Andriamanitra no tian’i Joba atao. Mbola asiany teny mafy ihany ireto mpamangy azy. Na toa inona na toa inona mety ratra ao anaty, mila mitandrina ihany isika amin’ny teny mandratra sy mamono, manivaiva tahaka izay ataon’i Joba eto. Sa izao ve no atao hoe fahatsorana ? Efa tonga eo amin’ny lentam-pifandraisana avo dia avo ry zareo mpisakaiza ireto ka mifanao teny mahery toy izao ? Mangina ianareo. Eo anoloan’ny fahorian’ny sakaiza dia aleo tokoa indraindray mangina, dia manotrona fotsiny izao. Ny fiezahantsika mitady antony hanazavàna ny zava-misy dia mety hahatonga antsika hiteniteny foana. Indraindray koa ilay olona mety ho efa leo mihaino ny resa-be entina eo aminy eo. Amin’ireny fotoana ireny dia mitombina ilay ambara hoe : volamena ny fahanginana ! Saintsaino : Raha afaka mamaly amin’ny tsi-fihatsarambelatsihy tokoa moa ny olona ampaherezintsika, sao dia mba toy izao koa no ho lazainy ? Na dia hamono ahy aza Izy. Mbola fikirin’i Joba hatrany izay efa nambarany tamin’ny vadiny hoe : tsy hiala amin’Andriamanitra izany aho e ! Hoy i Petera tamin’i Jesoa hoe : «hankany amin’iza moa izahay ? Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay» (Jaona 6. 68). Nahoana ? Izany no isan’ny fanontaniana hapetrak’i Joba amin’Andriamanitra. Akon’izay fanontaniana apetrak’i Jesoa aty aoriana io, rehefa nafoin’Andriamanitra teo amin’ny hazofijaliana Izy noho Izy nitondra ny fahotan’izao tontolo izao. Ny valinteny mazava azontsika dia ny hoe : Tian’Andriamanitra loatra izao tontolo izao ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay. Jaona 3. 16. ALATSINAINY 20 MARSA JOBA 14. 1-22 F. 6 FAMELAN-KELOKA SY FIAINANA Mamarana ny valin-teniny i Joba Ny anton’ny fahoriana (1-6). Faritan’i Joba ny toetran’ny olombelona : natera-behivavy, marefo, ory, mihelina. Nahoana no tsy avelan’Andriamanitra hiaina miadana sy finaritra izy amin’izay androny kely mandalo ? Marina fa ny fahotan’ny olona no mampisaraka azy amin’Andriamanitra, ka mahatonga ny fahoriana sy ny tsi-fiadanana. Fa mamela ireo hitranga ihany koa ny Tompo ho fizahan-toetra ny finoana, ary izany no manjo an’i Joba eto ka mampametra-panontaniana azy. Olombelona ihany (7-17). Mpanota ny olombelona, ary fahafatesana no tambin’ny ota (Rômanina 6. 23). Ny hazo mbola mitsimoka ihany na maty aza, fa ny olona kosa tahaka ny loharano ritra, tsisy antenaina intsony rehefa maty. Ny miery any amin’ny fiainan-tsi-hita no heverin’i Joba ho fanafodiny, ary maniry ny mbola hisian’ny fiainana indray izy aorian’izay. Tsisy mahafafa ny fahotany anefa, fa ny asam-panavotana nataon’i Jesoa Kristy irery ihany no manaisotra ny fahotantsika (Jaona 1. 29) sy hananantsika fiainana aorian’ny fahafatesana (Jaona 11. 25-26) raha mino isika. Voafetra (18-22). Izay hitan’ny masony sy ny fiainany tamin’ny lasa sy ankehitriny ihany no fantatry ny olombelona. Ary izay ametrahany fanantenana aza mety ho rava ao anatin’ny indray mipi-maso. Misy fetrany avokoa na ny andro iainany, na ny fifaliany na ny fahefany. Ny hany azo antenaina dia Andriamanitra Ilay Izy hatrizay hatrizay ary ho mandrakizay. Fampanantenana : « Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy ? » (14), Hoy Jesoa «  Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. » (Jaona 11. 25) TALATA 21 MARSA JOBA 15. 1-35 F. FAMAIZANA SA FIZAHAN-TOETRA Toa marina (2-16). Niteny araka izay hitany sy hainy i Elifaza, fa tsy araka izay hevitr’Andriamanitra. Nanome tsiny ny famalin’i Joba izy. Tsy fitenin’olon-kendry hoy izy : teny foana, fanamarinan-tena, tsy fahatahorana an’Andriamanitra (2-6) ; mirehareha ho mahay noho ny hafa (7-11) ; misafoaka amin’Andriamanitra (12-16). Toa tsy fahendrena tokoa ! Mety ho voafitaka anefa isika. Ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ihany no misy fahendrena sy fahamarinana, ary hamantarana ny sitrapon’Andriamanitra. Fa ny tanora na ny zaza izay manana ny Tenin’Andriamanitra dia manan-tsaina sy hendry kokoa noho ny antitra fotsy volo (10). Ny anjaran’ny ratsy fanahy (17-35). Ny traikefany sy ny fahalalan’ny zokiolona indray no nentin’i Elifaza hampieritreritra an’i Joba. Notanisainy ny tahotra izay iainan’ny ratsy fanahy, ny fisesisesin’ny zava-dratsy izay manjo azy ireo, arakaraka ny fahadisoany. Tsy mijery fotsiny ny ratsy fanahy tokoa Andriamanitra fa manafay. Kanefa mahari-po sady be famindram-po Izy ka mananatra, ary manenina ny amin’ny loza izay lazainy fa ataony raha mibebaka marina ny olona. Fampitandremana : Raha misy olona azom-pahoriana entin’ny Tompo eo aminao, aza maika ny hanameloka hoe ny fahotany no mahatonga izany, fa fantaro aloha ny sitrapon’Andriamanitra, sao fizahan-toetra ny finoany izany. Fampaherezana : « Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan’ny fakam-panahy na fizahan-tœtra samy hafa ianareo, satria fantatrareo fa ny fizahan-tœtra ny finoanareo dia mahatonga faharetana. » (Jakoba 1. 2-3) ALAROBIA 22 MARSA JOBA 16. 1-22 F. 1, 2 ANDRIAMANITRA TSY MANDAO Mpampionona mahasorisorena (1-5). Misarika ny sain’ireto namany hipetraka eo amin’ny toerany i Joba. Mba hahazoana tsara ny manjo ny hafa, dia mila mahatsiaro miaina ao anatin’izay iainany koa (Hebreo 13. 3). Nahatsapa ny vesatry ny fahorian’ireo olona nositraniny i Jesoa Kristy, ary efa nandalo tamin’izay fahoriana mety hanjo antsika (Isaia 53. 4). Izany no tena namana, miezaka mahatsapa ny manjo, mampahery, manohana, eo foana amin’ny fotoana rehetra. « Izay te-ho be fitiavana dia manaron-keloka; Fa izay mamohafoha teny mampisaraka ny tena mpisakaiza… Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ny andro rehetra, sady miseho ho rahalahy hamonjy amin’ny fahoriana. » (Ohabolana 17. 9, 17). Raha mibedibedy foana dia mahasorena sy manampy ny alahelo indray. Mafy loatra ny manjo (6-17). Mahatsiaro ho voa mafy i Joba fa ny fahatezeran’Andriamanitra nitambesatra taminy, ny olona koa etsy andaniny nampahory azy fatratra (7-10). Ny vadiny efa namporisika azy hiala amin’Andriamanitra (2. 9). Izany rehetra izany manjo azy nefa tsy nisy tsi-rariny teo aminy. Iza intsony tokoa moa izany no antenainy ? Indraindray tokoa mahatsiaro ho irery isika, toa manohitra antsika avokoa ny olona sy ny zavatra rehetra, manontany tena isika hoe inona ny fahadisoana nataoko ? Inona no atao manoloana izany ? Mitady ny famindrampon’Andriamanitra (18-22). Tonga saina Joba ka mbola nitaraina tamin’Andriamanitra ihany na dia nahatsiaro hoe nasiany aza. Niasa tao anatiny Andriamanitra ka takany fa ao Aminy ihany no misy famindrampo. Efa niharan’izany fandaozana sy fampahoriana izany koa Jesoa Kristy, tamin’ny nanamelohana Azy tsy ahoan-tsy ahoana sy nafoy nandritra ny ora telo teo amin’ny hazofijaliana (Matio 27. 46). Ny ràny latsaka no manavotra ny mino (18) ary izany no fanamarinana nandrandrain’i Joba (21). ALAKAMISY 23 MARSA JOBA 17. 1-16 F. 6 HO FATY AHO Mihatra aman’aina ny fangirifirian’i Joba. Tsapany toa manakaiky azy ny fahafatesana. Kivy izy amin’ireto namany toa tsy manohana azy fa miampanga. Andriamanitra no itodihany sady ambarany fa tokiny sy hany azony antenaina. Fosain’ny olona. Tena mafy tokoa izany fahatsapana izany hoe toa manohitra anao avokoa ny olona rehetra, eny na ny sakaiza aza. Indrisy fa izany tokoa no misy eo amin’ny fiarahamonina eo mazana. Mifampiandry kendry tohana eo dia rehefa lavo na tra-pahoriana ny hafa dia atao resaka eraky ny toerana rehetra. Sao dia mba izany koa aza ny ao anivon’ny kristianina ka nahatonga an’i Paoly niteny hoe : «aoka ny fitiavana ho amin’ny tsi-fihatsarambelatsihy ?» Rômanina 12. 9. Voaongotra ny fikasako. Foana eo amin’ny fahafatesana tokoa izay mety ho fikasan’ny olona rehetra, n’inona n’inona mety mbola fahaiza-manao na hoenti-manana na faniriana sy finiavana ananany. Hoy ny mpitoriteny hoe aleo amboa velona toy izay liona maty (Mpitoriteny 9. 4). Mamporisika antsika izany hanararaotra ny andro azo hanaovan-tsoa dieny tsy mivaha ilay kofehy volafotsy hoy ihany ny mpitoriteny 12. 6. Ny mampalahelo dia ny fisian’ny olona toa velona ihany fa tsy manana fikasana na inona na inona fa dia mihanona fotsiny amin’ny hoe : izay mahasoa ataon’Andriamanitra e ! Izay mantsy no heveriny ho fiainana ilay nambaran’i Jakoba hoe aza manao hoe amin’izao izahay dia hankary ananona na hanao izato sy izatsy… Jakoba 4. 13-16. Jereo izay lazain’i Paoly mikasika ny fikasana 2 Korintianina 1. 15-20 Fanontaniana : Inona no fikasanao tamin’ity taona ity ? Inona no fikasana ho amin’ny taona ho avy ? ZOMA 24 MARSA JOBA 18. 1-21 F. 2, 6 NY HANJO NY RATSY FANAHY Nivadika ho fifamaliana ny fifamangiana teo amin’i Joba sy ireto sakaizany. Anaovan’izy ireo adim-borontsiloza i Joba. Niresaka ny any ambadiky ny fahafatesana i Joba teo aloha fa i Bildada kosa miresaka ny zava-mitranga amin’ireo ratsy fanahy ety an-tany. Tsy miteny mivantana akory izy ireo hoe i Joba no tiany ho lazaina saingy azo an-tsaina ihany hoe sokajiany ho ao anatin’izay resahiny i Joba. Deoteronomia 28, tapany faharoa. Mampahatsiahy an’io teny nambaran’Andriamanitra io ny teny ataon’i Bildada. Rehefa tsy mihaino tsara ny feon’i Jehovah Andriamanitra ny olona dia izao tokoa no mahazo azy. Ny tsy ampy amin’izay ambarany dia ny hoe : mety ho tratran’ny loza ihany koa ny olona mankatoa ny Tenin’Andriamanitra. Noho izany tsy ampy hamaritana ny maha-tsara fanahy na ratsy fanahy ny olona iray mihitsy ny olana mahazo azy eo amin’ny fiainany na koa ny fahombiazany ara-materialy eo amin’ny fiainany. Tsy hoe rehefa manana dia notahian’Andriamanitra sy ankasitrahany ary rehefa mahantra sy sahirana dia nilaozany sy faiziny. Antony hivavahana ? Ka inona izany no antony hivavahana hoy ny sasany hanontany. Ny fahoriana sy olana eo amin’ny fiainan’ny mino dia mandalo ihany ary ampiasain’Andriamanitra ho soa ireny araka ny Rômanina 8. 28. Mahatonga antsika handinika tsara koa izao ny amin’ny zavatra ambarantsika rehefa mitory ny Filazantsara isika. Sao dia fampanantenana fiadanana eto an-tany sy fampitahorana ny amin’ny loza miandry eto an-tany sy any an-danitra fotsiny ihany no ambarantsika fa tsy ny fitiavan’Andriamanitra ? SABOTSY 25 MARSA JOBA 19. 1-29 F. 6 MANANA FANANTENANA Mahatsiaro ho irery i Joba. Mafy tokoa izany, indrindra raha tratry ny zava-mahory tahaka azy izao. Betsaka koa ny olona toy izany amin’izao fotoana izao na dia ao anatin’ny vahoaka be aza. Ny fiaraha-monina misy antsika mantsy dia mamporisika ny fiolonolonana (individualiste), ny fitaovam-pifandraisana farany raitra no lasa mampisaraka ny olona amin’ny manodidina azy fa mampiditra sy manidy azy kosa ao anaty tontolo artifisialy. Miresaka amin’olona any an’aliny kilometatra fa ny olona manodidina azy tsy misy ifandraisany : mahatsiaro ho irery ny maro. Fanantenana (25-27). Mbola manantena an’Andriamanitra ihany anefa i Joba. Ary toa mahita amin’ny finoana an’I Jesoa Kristy, Ilay nitsangana tamin’ny maty izy. Velona ny mpanavotra hoy izy. Hitsangana eo ambonin’ny vovoka. Midika izany fa naharesy ny fahafatesana izy. Tsy nody vovoka Izy. Fiainana ao ambadiky ny fahafatesana. Misy ny mihevitra fa ao ambadiky ny fahafatesana dia fahafoanana no misy. Tsy mahatsiaro na inona na inona ny olona. Tsy izany anefa no finoan’i Joba. Ny fanantenany dia ny hahita an’Andriamanitra. Namafisin’i Jesoa Kristy izany tamin’ny nilazany tamin’ilay jiolahy hoe : Anio no hihaonanao amiko any am-paradisa. Manao dinika. Izao voasoratra eo amin’ny andininy faha-28 izao tokoa ve moa izany no tanjon’ny dinika (cûre d’âme) ampanaovintsika ny olona ? Hitady izay helony na mahameloka azy ? Inona no nambaran’i Joba tamin’izy ireo ? Matahora ny sabatra… misy fitsaràna ! Soratra Masina ho an’ny herinandro : Joba 19. 25 ALAHADY 26 MARSA JOBA 20. 1-29 F. 2, 6 TSY VOAFETRAN’NY SAINA NY FIASAN’ANDRIAMANITRA Valin’ny atao. Zofara dia resy lahatra fa ny valin’ny nataon’ny olona ratsy fanahy sy ny mpihatsaravelatsihy no mihatra amin’i Joba. Izao no tonga ao an-tsainy avy hatrany: - Izay mety ho fahombiazana sy fahambonian’ny olona tahaka ireny, dia ho levona vetivety ihany.  - Izay rehetra mety efa nangoniny, ananany, hahitany fahafinaretana sy fahafaham-po dia esorina aminy, tahaka ny loharano hiala avy ao anatiny. - Ny toetran’ireny dia mampahory ny hafa sy manao an-keriny, tsy mahalala onony amin’izany, mpierina (tsy tia manome hahasoa ny hafa) - Loza no ho fiafaran’ny fananana sy fiainan’ireny. Izany no efa hitan’i Zofara sy fahafantarany fa ataon’Andriamanitra, hatramin’izay nisian’ny olombelona teto an-tany. Handray ny valin’ny ataony tokoa ny olona tsirairay.  Andriamanitra sy ny saina ary ny traikefa. Nahatsiaro tohina Zofara raha tsy neken’i Joba ny fanazavana nomen’izy sy ireo namany (3). Avy hatrany dia ny sainy no niasa hitadiavany izay hamaliana indray an’i Joba sy hanamarinana misimisy kokoa izay heveriny fa hany tena marina amin’izao zava-misy izao. Jereo ny toko 1 sy 2 momba izay tena marina. Tsy azontsika ferana amin’izay fantatry ny saintsika sy ny efa traikefa ananantsika Andriamanitra amin’izay ataony sy hainy atao. Mahay manao mihoatra noho izay sainintsika sy heverintsika Izy. Tsy misy afaka mametra an’Andriamanitra amin’ny fomba, endrika, fotoana hanaovany izay tiany sy sitrapony. - Mila mitombo amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra isika fa tsy hionona amin’izay efa fantatsika fotsiny - Mila mihaino mandrakariva ny fitarihan’ny Fanahy Masina isika mba tsy handehanana amin’izay masaka ao an-tsaina fotsiny. ALATSINAINY 27 MARSA JOBA 21. 1-34               F. 2 ANTOM-PAHAVELOMANA Na ambinina aza ny ratsy fanahy... Raha nilaza Zofara fa ny fahoriana nihatra tamin’ny fiainan’i Joba dia fomba famalian’Andriamanitra ny olona nanao ratsy. Joba kosa mahita fa misy ratsy fanahy izay miadana, manana izay ilainy, mahomby amin’izay ataony, ela velona, ny loza aza toa tsy mahatratra azy, ary ao anatin’ny laza sy moramora no hahafatesany. Fakampanahy mahery be ho an’ny olona ny ho toy izany fotsiny ihany ho anton’ny ahavelomana sy ny atao rehetra. Matetika dia milaza ho tsy mila an’Andriamanitra ny olona rehefa misy eo amin’ny fiainany ireo. Manoloana izany dia matahotra sy mangovitra Joba (6).   …tsara lavitra ny mahatoky ao amin’ny Tompo. Andriamanitra (Kristy) no anton’ny ahavelomana ka na mora na mafy, na fifaliana na fijaliana no tiany hisy eo amin’ny fiainantsika mba hahatanteraka ny sitrapony sy ny fikasany dia ny manaiky no anjarantsika. Tsy fandosirana ny zava-misy izany fa fihazonana ny fiainana mandrakizay” (1 Timoty 6. 12). “Raha amin’izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika” (1Korintianina 15. 19). “Fa ny zavatra rehetra nataon’i Jehovah dia misy antony avokoa” (Ohabolana 16. 4) Ny teotra mahatoky izay hitan’Andriamanitra ao amin’i Joba dia voamarina amin’izay nataony manoloana izany zavatra toa manahirana ny saina izany.  - “Ho lavitra ahy anie ny fisainan’ny ratsy fanahy” (16), na mamirapiratra aza ny fiainan’ireo.  - Mijoro amin’ny marina tena misy izy ka tsy manaiky ny fahadisoana entin’ny hafa (34) Hosaintsainina : “tsy ny fahavitan’ny fiainana eto an-tany akory no fanamby fa ny fidirana any amin’ny fanjakan’Andriamanitra”. TALATA 28 MARSA JOBA 22. 1-30          F. 1, 2 FIJERIN’ANDRIAMANITRA SA FIJERIN’OLONA Aza mitompo teny. Mifanipaka tanteraka ny fijerin’Andriamanitra sy Elifaza. Andriamanitra nijery sy natoky ny fahamarinan’i Joba ka nizaha toetra azy (Joba 1. 8-13). Elifaza nahita ny loza nanjo azy ka nilaza fa tsy mampaninona an’Andriamanitra izay marina nataony, fa valin’ny tsy marina nataony izao. Na tsy natrehany aza dia nitompoany teny ka nadikany avy hatrany ho anton’izany ny : - Fahamafisam-po tsy manampy ny sahirana mitady vonjy aminy, - Fanaparam-pahefana sy fanararaotana ny olona azo tsindriana manodidina, - Fiheverana an’Andriamanitra ho tsy mahita ka dia sahisahy amin’ny fanaovan-dratsy. Ilaina ny mamantatra ny sitrapon’Andriamanitra izay hany mamaritra ny tranga misy.  Ny tena sarobidy. Marina tokoa fa raha ratsy tahaka izany no fiainan’ny olona dia mila « mifona sy miverina amin’Andriamanitra” izy (23, 27). Ny fialàna amin’ny karazana fomba ratsy tahaka izany fa manao ho fahazarana kosa ny fanaovana ny zavatra rehetra hifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra - izay mila tena atao latsaka ao am-po - izany ihany no mahasoa ny olona.  Ny fiheverana hahitana tombontsoa manokana matetika no anaovana fitondrantena diso tahaka ireny. Rehefa tena ny Tsitoha anefa no avelan’ny olona hanjaka ao aminy, dia ho tsapany sy ho hitany mazava fa mihoatra noho ny fananana volamena sy volafotsy betsaka ny fiarahana marina Aminy (24-25). Hosaintsainina: Inona no lazain’ny olona momba ny fiainanao ? Inona kosa no tenenin’Andriamanitra aminao manokana momba izany ? Vavaka : “Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko; Izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro; Ary izahao na misy làlana mampahory ato anatiko, dia tariho amin’ny làlana mandrakizay aho” (Salamo 139. 23-24). FAMPIDIRANA NY BOKY HEBREO Tsy mitonona anarana ny mpanoratra ity epistily ity. Misy ny mihevitra fa i Silasy no nanoratra. Misy koa ny mihevitra fa I Paoly ihany. Ny azo antoka dia olona nanana fahalalana be mikasika ny fivavahana jiosy no manoratra ary nataony indrindra handresen-dahatra ny jiosy niova ho kristianina mba haharitra amin’izany finoana izany dia ny amin’ny maha-Mesia an’i Jesoa ny asa sorany. Azo lazaina ho mamintina ny tiany ambara izay nosoratan’I Paoly ho an’ny Kolosianina hoe : aloky ny zavatra ho avy ny tany amin’ny Testamenta taloha (Jodaisma) fa ny tenany dia Kristy, Jesoa izany. Entaniny izy ireo hahafoy tanteraka izay siny hoditra tonta fa haka kosa siny hoditra vaovao hasiana ny divay vaovao, araka ny nanambaran’i Jesoa azy ihany. Hampiorina ny finoantsika an’i Jesoa Kristy anie ny famakiana ity epistily ity na dia tsy Hebreo aza isika fa jentilisa ara-pirazanana. ALAROBIA 29 MARSA HEBREO 1. 1-14 F. 1 NY FAHAMBONIAN’I JESOA Ny asan’i Jesoa (1-4). Hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao dia tsy nitsahatra niteny tamin’ny olombelona ny Tompo. Naira-niaina tamin’ny olombelona voalohany. Niteny tamin’ny alalan’ny zava-boary. Naniraka ny mpaminany. Endrika sy fomba maro samihafa no nitenenany araka ny voalaza eto. Roa arivo taona lasa izay ka hatramin’izao dia niteny tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, Zananilahitokana Izy. Tanteraka tamin’ny fahatongavan’i Jesoa tety an-tany ny hafatra tiany hambara ny zanak’olombelona. Mbola tsy mangina Izy satria mbola betsaka ny olona tiany ho afaka amin’ny fahotana. Nanome baiko ny Tompo tamin’ny fotoana niovan’i Jesoa endrika tao an-tendrombohitra “ Ity no Zanako voafidiko, Izy no henoy” Lioka 9. 35. Manao ahoana ny fankatoavantsika izany ? Fa iza i Jesoa ? jereo tsara ny andininy faha-2 hatramin’ny andininy faha-4 dia tanisao daholo izay ilazana Azy. Fampitahana an’i Jesoa sy ny anjely (5-9). Raha samy lazaina fa hery tsy hita i Jesoa Zanak’Andriamanitra sy ny anjely, inona no mampiavaka an’i Jesoa ? Apetrak’Andriamanitra amin’ny toeram-boninahitra Izy. Manompo sy miankohoka Aminy ny anjely. Hita izany ao amin’ny Apokalipsy 5. 9-14. Nahazo izany toeram-boninahitra izany Izy noho ny nanolorany ny tenany ho sorona hamonjy ny mpanota. Ho mandrakizay ny fanjakany (10-14). Namorona izao rehetra izao Ilay Tompo mandrakizay. Misy farany avokoa anefa izay rehetra nohariana fa Ilay Mpahary hitoetra mandrakizay. Iza na inona no ametrahanao ny fanantenana ny amin’ny ho avy ? Fampaherezana lehibe ho an’izay mino ny and.14. “Tsy fanahy manompo va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho an’izay handova famonjena” Raiso ho anao ny Salamo 34. 7 ALAKAMISY 30 MARSA HEBREO 2. 1-9 F. 2, 6 NY ANJARA TOERAN’NY OLONA Raha tia dia mankatoa. Hita taratra ao anatin’ity Tenin’Andriamanitra ity ny halalin’ny fitiavany ny olombelona. Tsy navelany hijanona ao amin’ny fahotana ka izay hiafarany any dia hiafarany fa novonjeny ary naveriny amin’ny toerana izay noheveriny hasiana azy tamin’ny namoronany azy. Andraikitra goavana be no andrasana amin’izay nahazo izany famonjena izany dia ny mihazona sy mitahiry izany hatramin’ny farany. Ny fankatoavana sy firaisana amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny vavaka isan’andro no manampy antsika amin’izany. Ny Fanahy Masina mitoetra ao anatintsika dia tombontsoa lehibe satria mampahatsiahy ny zavatra rehetra Izy. Mahay mihaino ny Fanahy Masina ve isika sa miandry kapoka sy famaizana vao mahatsiaro ny tsy mety natao ? Fampitahana ny olona sy ny anjely. Ambonimbony kokoa ny anjely raha miohatra amin’ny olona saingy ny olona no nataon’Andriamanitra ho mpanjakan’ny zava-boary. Mahazo fikarakarana manokana koa izy satria sarobidy. Ny olombelona no hiara-mandova amin’i Jesoa ny fanjakana mandrakizay. Mba azonao an-tsaina ve izany tombontsoa manokana omena anao izany ry olom-boavonjy ? Novonjena ho afaka amin’ny faharatsiana ny olona. Natsangana ho zanaka. Nomena fahefana ho velona mandrakizay. ZOMA 31 MARSA HEBREO 2. 10-18 F. 1 TENY TONGA NOFO Ny fitiavan’i Jesoa. Tsy menatra ny miantso ny olona nandray famonjena ho rahalahiny i Jesoa. Voalaza ao amin’ny Jaona 1. 12 fa “Izay rehetra nandray Azy dia nomena hery ho tonga zanak’Andriamanitra”. Zava-dehibe ny iraka nataon’i Jesoa tety an-tany, ataony ahoana tokoa moa no hijery ireo izay nohariany hiara miaina Aminy mandrakizay no ho very mandrakizay. Manao ahoana ny hafaliany miseho eo anatrehan’Andriamanitra miaraka amin’ireo olom-boavonjy ? Mampiseho izany fa tena zava-dehibe amin’ny Tompo ny faneken’ny olona iray ny famonjena natolony. Niova ho olona. Mba ahafahan’ny Tompo mamonjy ny olona ho afaka amin’ny fahotana dia tsy maintsy niova ho olona Izy. Midika izany fa ny zavatra rehetra mahazo ny olona amin’ny maha nofo aman-drà azy dia niainan’Ilay Zanak’Andriamanitra avokoa. Hatramin’ny fahafatesana, mbola mafy lavitra aza no niaretany satria nahantona teo amin’ny hazofijaliana Izy. Izany hoe izay fahoriana heverin’ny olona ho mafy indrindra mety ho lalovana ety ambonin’ny tany dia efa nentin’i Jesoa Kristy. Inona ny fakam-panahy heverinao fa sarotra indridray miady aminy ? Efa nolalovan’i Jesoa izany (18). Raha lavo amin’ny fakam-panahy izany izaho sy ianao dia safidy izany satria tsy niambina. Efa vitan’i Jesoa ny fandresena fa ny mihazona izany no anjarantsika. Saino : “Kanefa amin’izany rehetra izany dia manoatra ohon’ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia Antsika” Rômanina 8. 37. Mbola tokony ho resy ve ?