TENY FANOLORANA Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’i Jehovah, izany no notadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon’i Jehovah amin’ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan’i Jehovah sy mandinika ny tempoliny” (Salamo 27.4) Mazava ny antom-bavaky ny Mpanao Salamo... io no notadiaviny : (4b) ! Inona kosa re ny ahy no tena antom-bavaka mazava hifotorako sy ho tratrariko ? Hoy ny dikanteny DIEM raha milaza ny tanjony (4d) : “mba hianoka amin’ny hatsaram-pony sy hiandry ny torolàlany ao an-tempoliny”. Ny dikanteny “Semeur” kosa nanoritra izany hoe : “...de chercher à Le connaître dans Sa demeure ”. Andeha hampiharintsika ireo, ka ny fanohizana ny fandinihina ny bokin’ISAIA, hampiorina bebe kokoa hatrany ny fahatokiana an’Andriamanitra, ny ASAN’NY APOSTOLY hanentana antsika ho sahy handroso hijoro ho vavolombelon’i Kristy eo amin’ny fiainana an-davanandro, ny bokin’i MATIO hampahery antsika ny amin’ny fiainam-pankatoavana, araka izay niainan’i Jesosy Kristy. Ho tahian’ny Tompo anie isika Mpiara-Mamaky ny Baiboly tsirairay, raha hiatrika ny fandinihan-tena mialohan’ny fiafaran’ny taona indray. Rakotolehibe Mamy Tale Nasionaly FMMB ALAHADY 1 OKTOBRA MATIO 24. 32-44 F. 3,6 NY FIVERENAN’NY ZANAK’OLONA INDRAY Tsy maintsy hiverina ny Zanak’olona (32-35). Ianareo mahalala, hoy ny Tompo, fa ho avy ny fahavaratra rehefa mandravina ny aviavy. Mihoatra noho izany ny fihavian’ny Tompo indray. Tsy azo ihodivirana. Efa miseho ireo famantarana samihafa (24. 1-31). Tsy ho ela, raha ny faharavan’i Jerosalema manokana, satria hisy taranaka velona tamin’izany no hahita ny fahatanterahany (Taona 70). Tsy misy mahasakana izany satria ny Tenin’ny Tompo, izay manambara izany, dia tsy ho levona. Tsy misy mahalala ny fotoana (36-41). Nambaran’i Jesoa miharihary fa tsy misy olona afaka hahalala ny fotoana hihaviany indray afa-tsy ny Ray ihany. Faminaniana sandoka avokoa izay milaza momba izany. Toy ny tamin’ny andron’i Noa ny fisehony. Maro no naniratsira ny fampitandremana hany ka nanampoka ary nahafaty tampoka azy ireo ny fiavian’ny safodrano. Marihina anefa fa hiavaka foana izay nino sy nanaja Azy amin’io. Koa na samy tany an-tsaha aza ny lehilahy roa dia ny iray marina ihany no voavonjy. Toy izany koa tamin’ny vehivavy roa naira-nikosoka vary. Mila miomana isika (42-44). Miambena, hoy ny Tompo, fa tsy fantatrareo ny fotoana. Tsy maintsy ho tampoka ary hahavoa izay tsy miomana izy io. Mila vonona hatrany isika fa ny nenina tsy aloha handatsa, hoy ny ntaolo, fa ao aoriana hananatra. “Raiso ny fananarana mba ho hendry ianao amin’izay hiafaranao” (Ohabolana 19. 20). Hafatra : Mbola ho avy indray Ilay Mpitsara marina. Mazava ny baiko : mila miomana isika, izany hoe mitoetra ao amin’i Kristy Tompo, mba tsy hiharan’ny fanamelohana. Soratra masina ho an’ny herinandro : Matio 24. 24 ALATSINAINY 2 OKTOBRA MATIO 24. 45-51 F. 2,6 IREO KARAZANA MPANOMPO Ny mpanompo mahatoky (45-47). Ambaran’ny Tompo fa olona mato-tsaina izy. Raha tsy izany tsy hahavita ny andraikitra sarotra apetraka aminy. Tena mpandraharaha mitondra mpanompo maro hafa koa. Mahatsapa tena izy fa manompo ny Tompo amin’izay rehetra ataony ka feno fahatahorana Azy. Santariny dieny ety an-tany ny fahasambarana anaty satria sitraky ny Tompo ho azy rahateo izany. “Sambatra izany mpanompo izany”, hoy Izy. Hahita vokatra tsara izy satria hahazo fisondrotana amin’ny fitokisana azy ; amin’ny asany satria hotendrena hiadidy ny fananany rehetra ; amin’ny fitahiana satria ho faly ny Tompo hitsena azy amin’ny fiaviany indray. Ny mpanompo ratsy fanahy (46-51). Mampieritreritra ihany ny fiantsoana eto fa “mpanompo” nefa ratsy. Samy mpanompo avokoa mantsy isika eo amin’ny andraikitra voatendry ho antsika saingy ny vokatra sy ny fitsaran’ny Tompo no mampiavaka ny tsara sy ny ratsy. Ilay ratsy fanahy eto dia voalaza ho manararaotra fahefana amin’ny olona feheziny. Mieritreritra izy fa mbola ela vao ho avy ny Tompo mpampiasa. Ratsy fitondrantena rahateo izy noho ny fimamoana. Hanampoka azy tokoa ny fiavian’ny mpampiasa azy ary dia handray fandroahana sy fanasaziana noho izany izy. Fampaherezana : Mila maka tahaka ny fomban’ilay mpanompo tsara isika. Tsy mpanompo eo imaso ihany, mila sitraka aman’olona fotsiny, fa mpanompo amin’ny fahatsoram-po, mahatoky ny Tompo (Kolosianina 3. 22). Hitondra fahasambarana ho antsika izany. “Tsara izany ry mpanompo tsara sady mahatoky, nahatoky tamin’ny kely ianao dia hotendreko ho mpanapaka ny be ; midira amin’ny fifalian’ny Tomponao” (25. 21). TALATA 3 OKTOBRA MATIO 25. 1-13 F. 3, 5 NY ANDRO HIVERENAN’I KRISTY Miomana amin’ny fiverenan’i Kristy. Fanoharana fahafolo farany amin’ny fanjakan’ny lanitra no entin’i Jesoa hanambarana ny fiomanana amin’ny fiandrasana ny androny eto. Tantaran’ny virjina folo izay iray safidy ary manana andraikitra mitovy no sary hanehoana izany eto. Nomena fitaovana mitovy ihany koa izy ireo (1). Niara-niaritra tamin’ny fiandrasana ary samy resi-tory. Samy nandre ny antso ary fihetsika mitovy no nasehon’izy ireo. Inona ary no nahasamihafa azy ireo ? Ny fomba fiomanana (3, 4) no tsy nampitovy azy (7, 8) dia ny fananana solika hitsenana ny mpampakatra ! Izay nitahiry dia natao hoe hendry ka vonona amin’ny fitsenana fa ireo tsy nanana intsony kosa natao hoe adala ka nolavina. Antoky ny fandresena (4). Ny hendry dia mailo ka mahafantatra fa ny fananana solika ihany no tsy hahafaty ny jiro. Toa izany ny kristianina tsy mihanona amin’ny fisehoana ivelany fa mikatsaka mandrakariva ny fifandraisana tsy tapaka amin’Andriamanitra (Efesianina 6. 10; 2 Timoty 2. 1) hitahirizana ny fahamasinana (Hebreo 12. 14). Manao ahoana ny fikajianao ny fifandraisana amin’Andriamanitra ? Misy tokoa mantsy ny olona variana amin’ny fanarahana ny hafa fotsiny ka tsy mahalala izay tena andrasana aminy sy izay takian’ny Tompo aminy. Fahadisoam-panantenana (3). Ireo tsy mailo fa nanao tsirambina kosa dia nangaihay rehefa tonga ny ora fidirana satria tsy tafiditra intsony. Samy voantso avokoa saingy ny tsy finoany nitarika tsy faharetana hany ka lasa variana amin’ny rendrarendra. Fanentanana : Aoka ary ho vonona mandrakariva satria na ny ora na ny fotoana hiverenan’i Kristy dia ho tampoka (Marka 13. 35, 36). ALAROBIA 4 OKTOBRA MATIO 25. 14-30 F. 2, 6 KARAZANA MPANOMPO Samy nomena ny talentany (15). Mahafantatra amin’ny antsipirihiny ny tsirairay ny mpampiasa ka amim-pahamarinana, tsy misy fiangarana, no hanomezany ny anjara ho azy ireo. Ankehitriny dia alaim-panahy ny maro hilaza fa misy fiangarana manoloana ny fahasamihafàn’ny fari-piainana. Marina anefa Andriamanitra ka samy omeny anjara amin’izay tandrify azy avokoa ny rehetra (Jeremia 29. 11). Fanontaniana : Manaiky izay anjara natolotr’Andriamanitra anao ve ianao ka mahay mihanina amin’izany ? Ny mpanompo tsara sady mahatoky (23). Ireto karazana mpanompo ireto dia nahatakatra fa tsy maintsy hampitomboina ny talenta nomena azy hany ka nilofo niasa fatratra. Ny fikirizana sy ny famolahan-tena nananany dia hita taratra tamin’ny vokatra azony. Fantany mantsy fa raha miverina ny mpampiasa azy ireo dia tsy maintsy haseho azy ny vokatra azo. Fanontaniana : Fantarao ve fa ho avy ny andro tsy maintsy ampamoahiana indray ny amin’izay nampiasanao ny talentanao ianao (Galatianina 6. 7) ? Ny mpanompo ratsy sady malaina (26). Ireto mpanompo ireto dia lany andro teo amina fampitahana manoloana ny azon’ireo teo alohany hany ka fahalainana sy fahakamoana no nasetriny ny natolotra azy . Noho izany tsy nisy vokatra nentina fa fanomezan-tsiny indray (24 ) no naroso hany ka sazy mahery vaika (30) no miandry amin’izany. Ny tokony hahatery ny mpanompon’Andriamanitra dia ny handeha ka hamokatra fa izay no niantsoana azy (Jaona 15. 16) fa tsy lany andro hitsiriritra na hialona zay hananan’ny namana fotsiny. Fanentanana : Kajio ny toe-po eo anatrehan’Andriamanitra fa izany no hananantsika fahazotoana hampitombo ny talenta nomeny antsika ka mba tena ny fitiavan’i Kristy marina no hanery antsika amin’izay rehetra hatao (II Timoty 4. 5 ). ALAKAMISY 5 OKTOBRA MATIO 25. 31-46 F. 2, 5 NY FITSARANA FARANY Handalo fitsarana avokoa. Tsy misy afaka hidify izany fitsarana izany fa hipetraka eo amin’ny seza fiandrianana Jeso hitsara ny olona avy amin’ny firenena rehetra tsy ankanavaka (31, 32) ka tsy misy takona izay tsy ho hita na miafina izay tsy haseho (Marka 4. 22). Efa miomana amin’izany fisehoanao eo anoloan’ny Tompo zany ve ianao ? Fisarahana (33). Ny finoana an’i Jesoa dia tsy maintsy arahin’asa (Jakoba 2. 14-26). Samy ho tsaraina araka ny nanehoana ny fitiavana an’i Kristy ny olona rehetra. Izay natao tamin’ireo madinika ireo dia taratry ny atao amin’i Kristy araka ny Teniny (40) ka eto dia ny fifandraisana amin’ireo sahirana manodidina antsika no hamaritana izany. Hisy ny fisarahana arak’izany ka ireo nino dia ho vonjena fa ho voaheloka kosa ireo tsy nino. Ireo voavonjy. Dia ireo olona nandray ny famonjen’i Kristy ka maneho ny fitiavana an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fitiavana ny manodidina azy indrindra ireo malahelo izay tsy hahavaly ny soa natao taminy. Maneho hetsika hita maso mba hanamaivana ny fahoriany satria tsy vitan’ny teny sy firarian-tsoa fa atolotra mihitsy ny tena manontolo (35). Ireo voaheloka. Ireo mihirim-belona manoloana ny fahorian’ny manododina azy ka tsy vitan’ny manetsin-tadìny fa manidy tànana ihany koa. Tsy midika izany fa ny famonjena dia avy amin’ny alalan’ny asa fa hanamarihana kosa fa ny finoana no mahavonjy saingy ny finoana dia tsy maintsy arahin’asa (Jaona 2. 14-26). Fahamarinana : Raha tena mafy orina ny finoana, mandeha tsy voizina ny asa fanompoana izay fijoroana vavolombelona hanehoana ny fitiavana an’i Kristy ka tsy ilàna tambiny (II Korintianina 5. 14). ZOMA 6 OKTOBRA SALAMO 23 F. 1,6 JEHOVAH NO MPIANDRY TSARA Mpiandry ondry mahay Izy (1-4). Tsy misy izay tsy mankafy ity Salamo 23 ity. Asehon’i Davida mpanoratra, mpiandry vahoaka amin’ny maha-mpanjaka azy, fa Jehovah no tena Mpiandry ondry mahay. Mahavita mitondra ny ondriny amin’ny ahi-maitso sy rano fialan-tsasatra Izy. Tena mampahazo aina ny ondry ireo singa roa ireo. Tsy mahagaga raha miaiky ny mpanoratra fa velombelona ny fanahiny. Eny, fa na dia ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza, izay toerana mety hampidi-doza ho an’ny ondry rehefa mifindra toerana izy, dia tsy hampatahotra azy satria mitondra sady mahay mampiasa ny tsorakazony sy ny tehiny Ilay Mpiandry azy hikapohana izay biby masiaka mikasa hanao ratsy azy. Mpampiantrano sy Mpiaro amin’ny fahavalo (5-6). Eto indray Jehovah dia aseho ho toy ny tompon-trano mampiantrano sady manasa olona iray enjehin’ny fahavalony. Mamelatra amin’ny fahefana ny latabatra eo imason’izany fahavalony izany Izy sady manosotra diloilo ny lohany mba ho fanajana azy. Tena afaka mihinana am-pilaminana izy ary tsy misy ahiahy satria manam-pahefana hiaro azy ilay tompon-trano. Kisarin’ny tranon’i Jehovah izany trano izany ka fahasoavana sy famindram-po toy izany no hanaraka azy amin’ny andro rehetra hiainany raha mazoto mitoetra lava ao izy. Miahy Izy. Mazava izao fa tsara ny Tompo ho an’izay miankina Aminy, toy ny ondry matoky ny mpiandry azy. Koa na any ivelany na ao an-trano, dia tena mamelona sy miaro antsika Izy. Manamarina ny tsodranony amin’ny olony Izy : “Hotahiana ianao, raha miditra, ary hotahiana ianao, raha mivoaka”(Deoteronomia 28. 6). SABOTSY 7 OKTOBRA ISAIA 13. 1-22 F. 5 MISY FARANY NY ZAVA-DREHETRA Hifarana ny fanjakan’i Babylona. Fitaovan’Andria-manitra hanasazy ny Joda ny babylonianin’i Nebokadnezara izay ambarany fa mpanompony (Jeremia 25. 9) satria mpanatanteraka ny sitrapony. Noho ny faharatsiany koa anefa (11, Daniela 5. 22-23) dia hihatra amin’i Babylona ny fahatezeran’Andriamanitra ka homeny ny Mediana ny fanjakany (17, Daniela 6. 1). Ireto farany moa dia lazain’i Jehovah fa lehilahy maheriny (3), miaramilany mpiady (4) avy lavitra (5) izay handrava tanteraka an’i Babylona (18, 19) ka ny bibidia sisa (21, 22) fa tsy olona intsony no hameno ny taniny (20). Rehefa ho resy ny babyloniana dia hiala amin’ny jiogany ireo vahoaka lasany ho babo ka hiverina amin’ny taniny avy (14, Ezra 2. 1). Ny andron’i Jehovah (6, 9). Io andro io dia andro hidiran’Andriamanitra an-tsehatra mivantana hitsarany mafy ny zanak’olombelona mpanota , ka i Babylona no voakasik’izany mivantana eto (15, 16, 18). Andro mahakivy (7) sy mampahory izany andro izany (8), andron’ny fahatezeran’i Jehovah (9, 13b). Izany andro izany koa anefa dia manambara ilay tena andro lehiben’i Jehovah amin’ny andro farany izay hahatonga ny masoandro koa ho tonga mainty sy ny kintana hiraraka amin’ny tany ka handositra ny fahatezeran’ny Zanak’ondry ny olona (10, Apokalypsy 6. 12-13,16). Ho rava koa amin’izany ilay Babylona lehibe ara-panahy izay entina milaza ny herin’ny maizina rehetra eo ambany fitarihan’i Satana (Apokalypsy 17. 5, 18. 2). Misy fetra tokoa mantsy ny faharetan’Andriamanitra manoloana ny mpanota ka loza no hiafaran’ireeo tsy mety mibebaka (Apokalypsy 21. 8). Baiko : Minoa ny teny faminanian’ny Soratra Masina fa tsy maintsy ho tanteraka avokoa izy ireny (Habakoka 2. 3-4). Soratra masina ho an’ny herinandro : Salamo 23. 4 ALAHADY 8 OKTOBRA ISAIA 14. 1-23 F. 5, 6 HANKAIZA NY MPIREHAREHA ? Mbola hifidy an’Isiraely indray Jehovah (1). Diso fanantenana mandrakariva ireo mpankahala ny Isiraely na i Hamana izany (Estera 3. 8, 9) na ireo milaza hoe « Avia, ka handeha hofongorantsika tsy ho firenena izy, mba tsy ho tsaroana intsony ny anaran’Isiraely» (Salamo 83. 4) ... na ny babyloniana izay hambabo ny Jiosy...Andriamanitra mantsy tsy hanary velively ny olony (Rômanina 11. 2) fa mbola hamindra fo aminy indray (2, 3). Ny fitodihan’ny jentilisa amin’i Kristy taranak’i Abrahama, dia azo lazaina ho famaboan’Isiraely ny firenena hafa (2). Hay ve ho resy ihany Babylona e ? Babylona dia nanjakazaka (5b, 6) sy nampihoroho (16b) ny firenena ! Hofaranan’i Jehovah anefa ny tantarany (5a, 22) ka na ny mpanjakany aza tsy halevina ao am-pasana (19, 20) . Asehon’ny mpaminany toy ny amin’ireny teatra ireny ny fandraisan’ny fiainan-tsy hita ny mpanjakan’i Babylona maty (9) : « Hay ! hianao koa mba efa osa tahaka anay ! (10) ...Moa ve io ilay ... nampihorohoro ny tany (16) ?» Tsara fiandohana ny mpanjakan’i Babylona fa ratsy fiafara ka tsy tontosany ny tenin’ny Mpitoriteny 7. 8 hoe « tsara ny iafaran’ny raharaha noho ny iandohany». Inona no tena olan’ny mpanjakan’i Babylona ? Diso nirehareha loatra izy ka nampitovy ny tenany tamin’Andriamanitra aza (13, 14) : naka ny endrik’i Satana izy amin’izany satria ity farany dia te-hahazo koa ny toeran’Andriamanitra (Lioka 4. 6-7). Ny fiavonavonana mantsy dia mialohan’ny fahasimbana (Ohabolana 16. 18). Fampitandremana : Aza matoky ny fahombiazanao fa mitarika amin’ny fanalavirana an’Andriamanitra izany sady mety hirodana amin’ny fomba tsy ampoizina. ALATSINAINY 9 OKTOBRA ISAIA 14. 24-32 F. 5 ANDRIAMANITRA NO MIFEHY NY TANTARAN’NY FIRENENA Asyria koa hotsarain’Andriamanitra. I Asyria dia firenena tena nanana ny maha-izy fahiny ka nanjanaka firenena maro : anisan’izany ny firenena Israely avaratra izay nentiny ho babo (II Mpanjaka 17. 5, 6). Tsy nahafapo an’Andriamanitra koa anefa ry zareo Asyriana ka dia hanorotoro azy Izy (24) ao amin’ny tanin’ny Zanak’Isiraely ihany Izy (25). Jehovah mantsy no Mpitsara ny tany rehetra ka mampietry ny iray izy fa manandratra ny iray hafa (Salamo 75. 7). Nasandrany Asyria dia avy eo haetriny. Mpitsara marina (Salamo 7. 11a) sy mahery Izy ka tsy misy afa-manohitra ny didimpitsarany (26-27). Izany fitsaran’Andriamanitra ny firenena rehetra izany dia manambara ihany koa ilay fitsarana farany izay hitsaran’i Jesoa Kristy ny olona rehetra ka ny marina handova ny fiainana mandrakizay ho eo amin’ ny ankavanany fa ny mpanota tsy nety nibebaka kosa ho eo amin’ny ankaviany (Matio 25. 31, 34, 41) Ary i Filistia mba ahoana ? Nanantena fahombiazana bebe kokoa ny Filistina satria maty Ahaza mpanjakan’ny Joda izay efa nanomboka tsy nahatohitra an-dry zareo (II Tantara 28. 16-18). Mbola hisy taranak’i Ahaza anefa izay handresy ny Filistina aty aoriana (Hezekia : II Mpanjaka 18. 1, 7,8) ary indrindra indrindra hisy firenena avy any avaratra (31b : Asyria) hampitondra faisana azy. Izay tsy ho ringana amin’ny Filistina dia ho maty mosary (30). Fa i Ziona kosa dia harovan’Andriamanitra ka mbola ho fialofan’ny ory ihany (32b) ; manamafy izay voambara tery aloha izany (1). Baiko : Miomàna ny tsirairay hihaona amin’Andriamanitra (Amosa 4. 12b) ka hiatrika koa ny fitsarany. TALATA 10 OKTOBRA ISAIA 15. 1-16. 14 F. 2, 6 NY FANOMPOAN-TSAMPY SY NY AVONAVONA Samy tsy ankasitrahan’Andriamanitra avokoa na ny fanompoan-tsampy na ny avonavona. Faminaniana ny amin’ny loza hanjo an’i Moaba izay sady nanompo andriamani-kafa no niavonavona no anehoan’Andriamanitra ny fahasaro-piarony. Fongotra tanteraka ny mpanompo sampy (15. 1-9). Tao anatin’ny indray alina monja dia rava Moaba sy ny tanàna manodidina azy noho ny fanompoany andriamani-kafa voalaza amin’ny tempoly sy toerana avo (2). Ary na dia nisikina lamba fisaonana maneho alahelo, nidradradradra sy nitomany ary nitaraina eny rehetra eny aza ny Moabita (3-5, 8), dia fahapotena hatrany no hita : eo amin’ny maha-olona (2d), eo amin’ny zava-boahary (6, 9), eo amin’ny fihariana (7). Fandinihan-tena : Sao mba ny firongatry ny fanompoan-tsampy eto amin’ny firenena no maha-tafalatsaka antsika ao anaty lavaka mangitsokitsoky ny fahantrana ? Mahari-po Andriamanitra (16. 1-5). Azo heverina fa noho ny rohim-pihavana nisy teo amin’ny Zanak’Israely sy ny Moabita (Genesisy 19. 29-38) no nahatonga an’Andriamanitra hampitondra an’i Isaia an’izao faminaniana izao ; tiany ho voavonjy mantsy ireo Moabita ka hasainy manatitra zanak’ondry (16. 1, Jaona 1. 29), asainy ampiantranoin’ny Zanak’Israely (16. 4-5, Jaona 6. 37). Fampaherezana : «...fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra” (2 Petera 3. 9). Fiavonavonana sy fireharehana, (16. 6-14). Toetra roa tsy afa-misaraka ireo (6) ary dia fahasimbana sy fahalavoana amin’ny endrika samihafa no vokany : ranomaso sy fidradradradràna(7, 9), alahelo (10, 11), hain-tany (8), tsy fahazoana valim-bavaka (12), fanaovana tsinontsinona (13-14). Fahamarinana : “Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona” (Jakoba 4. 6). ALAROBIA 11 OKTOBRA ISAIA 17. 1-14 F. 1, 2, 6 ANDRIAMANITRA IHANY NO ITOKIO (1) Fa voaozona izay olona matoky olona (1-6). Teny nampitondrain’Andriamanitra an’i Isaia mpaminany ny amin’ny haharava ny tanànan’i Damaskosy no hitantsika eto (1) ; nambara koa anefa fa rava koa Efraima, fanjakana avaratra dia ny Israely (3a). Ny antony ? Na dia firenena azo heverina ho mpifahavalo aza izy ireo dia nikambana mba hamely an’i Asyria. Vokany : tsy nitoky tamin’Andriamanitra intsony ny Zanak’Israely fa niantehitra tamin’ny herin’ny firenena hafa, hany ka nihena ny fahefany nefa rava koa ilay nianteherany. Tsy mahatsara velively mantsy ny fikambanana na fitokiana amin’ny mpanao ratsy sy izay tsy mihevitra ny sitrapon’Andriamanitra, na inona na inona antony (II Korintianina 6. 14-18). Fampitandremana : “Aza mety ho fitahina ianareo, ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara”. (I Korintianina 15. 33). Fa Izy no Mpanao Anao (7-14). Ampaha-tsahivin’i Isaia amin’izao faminaniana nampi-tondrain’Andriamanitra azy izao fa Izy Andriamanitra no tokony hitokian’ny olony (7). Toy ny manadino ny famonjeny sy ny fiarovany mantsy (10) ny fitokiana amin’ny tanàna sy ny alitaran-tsampy ary ny tsangam-bato (8) izay tsy mahefa na inona na inona satria zava-boahary ihany fa vao mainka aza mitondra faharavana (9-11). Porofoin’Andriamanitra eto rahateo ny heriny fa ilay Asyria nokasain’i Efraima sy Damaskosy ho ravana, dia Izy Andriamanitra mihitsy no handringana azy (12-14). Fahamarinana : “Hotahina izay olona matoky an’i Jehovah, dia izay manana an’i Jehovah ho tokiny” (Jeremia 17. 7). ALAKAMISY 12 OKTOBRA ISAIA 18. 1-7 F. 2, 6 ANDRIAMANITRA IHANY NO ITOKIO (2) Fa tsy ny hery na ny tanjaka (1-6). Nihevitra ny tenany ho firenena tena matanjaka i Etiopia (1) satria nanapaka an’i Egypta manontolo ny mpanjakany tamin’izany fotoana izany; nandefa iraka tany Israely koa izy mba hanao fifanekena hamelezana an’i Asyria (2). Nahariharin’Andriamanitra anefa fa tsy afaka manao na inona na inona ny Etiopianatazaniny fotsiny, fa Izy Andriamanitra irery ihany no nandresy ny Etiopianina tamin’ny fombany (3-6). Noho izany, amin’izay rehetra hatao, na eo anoloan’izay ady mety atrehina, dia aza mitoky amin’ny kalesy na amin’ny soavaly fa ny Anaran’i Jehovah Andriamanitra ihany no aoka hoderaina (Salamo 20. 7). Fahamarinana : “Jehovah Andriamani-trareo izay mandeha eo anoloanareo, Izy no hiady ho anareo” (Deoteronomia 1. 30). Mba hahafantaran’ny olona fa Izy no Andriamanitra (7). Rehefa hitan’ny Etiopiana fa resy i Asyria, dia nankany Jerosalema nitondra fanomezana ho an’i Jehovah izy ireo. Fihetsika maneho fiaikena ny maha-Andriamanitra an’Andriamanitra sy ny heriny izany; izany rahateo ny tanjon’Andriamanitra ny amin’ny asany, dia ny hahafantarana fa Izy no Izy (Ezekiela 12. 15, 29. 9). Noho izany ary : “Lazao isan’andro isan’andro ny famonjeny mahafaly, ambarao any amin’ny jentilisa ny voninahiny, ary any amin’ny firenena rehetra ny fahagagana nataony” (Salamo 96. 2-3). ZOMA 13 OKTOBRA ISAIA 19. 1-25 F. 1, 6 FITSARAN’ANDRIAMANITRA Egypta. Taorian’ireo firenena jentilisa samihafa dia anjaran’i Egypta indray izao no hiharan’ny didimpitsaran’Andriamanitra. Famaizana mahatsi-ravina no hanjo an’i Egypta satria hiady an-trano izy ireo, nefa ambonin’izany dia mpanjaka masiaka no hanjaka aminy. (2-4). Tsy hisy ho afa-bela amin’ny fahatezeran’Andriamanitra ny ao Egypta rehetra : na Farao, na ireo mpanompony, na ny vahoakany, na ny ranony (renirano, ranomasina), na ny taniny, na ny voa afafiny, na izay vokatra ara-toekarenany, eny fa na dia ny sampiny aza (5-9). Fa inona loatra no nahatonga izao fahatezeran’Andriamanitra mirehitra izao ? Ireo sampin’ny Egyptiana no nahatezitra an’Andriamanitra. Toy ny Rômanina ihany dia : « Nandoka tena ho hendry izy ka tonga adala, koa ny voninahitr’Andriamanitra tsy mety lò dia nosoloany zavatra tahaka ny endriky ny olona mety lò sy ny vorona sy ny biby manan-tongotra efatra ary ny zavatra mandady sy mikisaka. » (Rômanina 1. 22-23 ; 11-14) Fa inona moa no atao hoe sampy ? Ny sampy dia izay manakana antsika tsy hanompo an’Andriamanitra velona. Eny izay maka ny toerany eo amin’ny fiainantsika no sampy ! Koa rehefa manompo sampy isika dia mampahatezitra an’Andriamanitra ary hiharan’izany raha tsy mibebaka. Egyptianina miova fo. Ny mahafaly dia manambara ny Tenin’Andriamanitra fa hisy Egyptianina izay hiankohoka amin’i Jehovah ka hahalala Azy (19-21). Mampanantena azy ireo Andriamanitra fa hanasitrana azy. Na Egypta, na Asyria, dia hitovy amin’Isiraely ka hisitraka ny fitahian’Andriamanitra ao amin’ny fanjakan’Ilay Mesia (25). Baiko : « Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin’ny fanatrehan’ny Tompo, ary mba hanirahany ny Kristy voatendry ho anareo, dia Jesosy. » (Asan’ny Apostoly 3. 19-20). SABOTSY 14 OKTOBRA ISAIA 20. 1-6 F. 5 ZAVA-POANA NY FIAROVAN’OLOMBELONA Tsy toa ireo fitsarana famaizana nambaran’Andriamanitra tamin’i Etiopia sy Egypta manokana teo aloha (Toko 18-19) no vakiantsika eto. Manambara famaizana iombonana izay miandry azy ireo Andriamanitra : fanambaniana tanteraka ho an’ny tanora sy ny antitra : tsy mikiraro, tsy miakanjo, entina ho babo (4). Tsy faly Andriamanitra. Ankoatra ireo firenena roa ireo dia miteny amin’ny vahoakany koa Andriamanitra (mponina ety amoron-dranomasina) (6a). Nanome tsiny azy ireo Izy noho ny nametrahany ny fitokisany amin’i Etiopia sy ny nanaovany an’i Egypta ho reharehany (5). Nanantena fialofana sy fiarovana tamin’ireo firenena ireo izy ireo (6b). Mbola endrika fanompoantsampy koa izany, ary mendrika ny famaizana efa nambara tamin’ny Egypta tao tamin’ny toko tany aoriana. Nadinoin’ny vahoakan’Isiraely fa na ny Egyptiana, na ny Etiopiana, dia « ...olona ihany ... fa tsy Andriamanitra; Ary nofo ihany ny soavaliny, fa tsy fanahy. » (Isaia 31. 3), ka tsy ireo no hamonjy azy fa Andriamanitra ihany, izay hitondra famonjena ho azy (jereo Salamo 121). Fampianarana : Hafatra ho antsika miaina amin’izao vanim-potoana izao koa izany : Mampahatsiaro antsika fa zava-poana ny fiarovana avy amin’olombelona (Salamo 60. 13b). Noho izany, tandremo ny mitoky amin’ny olona, fa tsy hanome fahafaham-po antsika izany fa vao mainka aza handiso fanantenana antsika toa izay manjo ireto firenena ireto (5-6). Ilay Vatolampin’ny famonjena antsika no tokony hatonintsika hahazoana fiarovana (1 Korintianina 10. 4). Fanontaniana : Aiza ho aiza isika manoloana ny fankatoavan’i Isaia mpaminany izay toa nanala-baraka tena ihany raha jerena kanefa izay no baikon’Andriamanitra dia nataony izany ? Soratra masina ho an’ny herinandro Isaia 19. 1 ALAHADY 15 OKTOBRA ISAIA 21. 1-17 F. 5 FAHITANA AVY ANY AN-DANITRA Nandray fahitana izay manana endrika samihafa i Isaia : Fahitana mahatahotra, ho an’ireo mpanjanatany Babyloniana (1-9). Rehefa nataon’Andriamanitra fitaovana hamaizana ny Isiraely izy ireo, dia tonga kosa ny fotoana hamaizana azy. Nampahatahotra an’i Isaia ny fahitana, izay efa nahazo fahitana ny amin’ny handringanana an’i Babylona koa tany aloha (Toko 13-14). Ity fahitana ity dia mampiseho fa raha ao anatin’ny fahafinaretan’ny alina, tsy manan-kahiana iny i Babylona no ho tratrin’ny loza (9, jereo 1 Tesaloniana 5. 3). Fahitana manome toky ho an’i Israely (10). Ny fianjeran’i Babylona dia manambara fanafahana ho an’ny olom-boafidin’Andriamanitra izay “... voavely toy ny vary teo am-pamoloana...” (10). Eny, « moa mongomongoiny va ny vary hatao mofo? Tsia, fa tsy veleziny na hampandehanany ny kodian’ny sarietiny sy ny soavaliny lalandava izy; Tsy mongomongoiny tsy akory izy. » (Isaia 28. 28). Oharina amin’ny vary ny olom-boafidin’Andriamanitra, tsy mongomongoiny tsy akory izy, fa... « Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona.... » (Isaia 42. 3). Fahitana famonjena ho amin’ny firenena manodidina (11-17) : Ny iray antsoina mba hanatona an’i Jehovah handray famonjena, ka ho afaka amin’ny fahababoana (Doma na Edoma, 11-12) ; ny hafa kosa omena toky fa tsy ho ringana tanteraka satria hisy sisa ho voavonjy (Arabia, 13-17). Fehiny : Ny fahitana dia maneho ny fitiavan’Andriamanitra, Izay mitsara ny ratsy fanahy, manafaka ireo babo, manosika ho amin’ny fiovàna fo, ary mitondra famonjena. Izany no hevitry ny Filazantsara izay tokony hambarantsika amin’izao tontolo izao (Marka 16. 15-16). ALATSINAINY 16 OKTOBRA ISAIA 22. 1-25 F. 5 ANARINA FOANA ! Tafiditra ao anatin’ny andianà faminaniana miantefa amin’ny jentilisa mihitsy ny faminaniana ho an’ny vahoakan’Andriamanitra satria dia efa mitovy torosy amin’izy ireo ny zanak’Israely noho ny hamafisan-katok’izy ireo. Mafy hatoka. Eo am-pijerena ny loza mananontanona dia tsy fibebahana na fandinihan-tena no ataon’izy ireo fa hiram-pifaliana (13). Misy ihany ny ezaka ataon’ny tena manokana (11) hisoroka na hitsabo ny olana mitranga saingy toa herim-po very maina izany satria tsy hisy fahombiazana mihitsy. Ho saintsainina : Manoloana ny olana misy, sao dia ny fibebahana no vahaolana fa tsy fihetsiketsehana ara-teknika be fotsiny ihany, izay mety ilaina tokoa anefa tsy laharam-pahamehana. Fahamarinana : Ilaintsika ny fanahy mahay manavaka ny olana ara-teknika sy ny olana ara-panahy. Mba tsy ho vahaolana teknika no entintsika hamaha ny olana ara-panahy ary vahaolana ara-panahy no entintsika hamaha ny olana ara-teknika. Sebna sa Eliakima. Teny mahery no ataon’Andria-manitra amin’i Sebna, mpanolotsaina. Azo an-tsaina hoe tsy nitondra ny olona ho amin’ny fiverenana amin’Andriamanitra izy fa vao mainka aza mitondra ny olona hanalavitra Azy. Amin’ny fomba ahoana no mety endrika isehoan’izany amin’izao fotoana izao ? Tsy toy izany kosa Eliakima fa nahazo sitraka avy amin’Andriamanitra izy. Hahazo teny fikasana mamy izy noho izany. Fahamarinana : Izay manome voninahitra an’Andriamanitra dia omeny voninahitra ihany koa fa izay manamavo Azy dia ho afa-baraka ! TALATA 17 OKTOBRA ISAIA 23. 1-18 F. 1, 2, 5 AETRY NY MIAVONAVONA Fandravàna an’i Tyro sy ny vokatr’izany eo amin’ireo mpifanerasera taminy ara-barotra no ventesin’ity teny ity betsaka. Tarsisy, Egypta dia samy ho gaga sy talanjona ary halahelo mafy tokoa noho izany satria toa zavatra tena tsy nampoizin’izy ireo mihitsy ny hitranga. Saintsaino : Na toa inona na toa inona tokoa hery sy fahombiazan’ny olona, tanàna, firenena iray dia mety ho rava ao anatin’ny indray mipi-maso monja izany. Fanentanana : Aza miraiki-po amin’ny zavatry ny tany fa amin’ny Tompo ihany ! Avy amin’i Jehovah. Tsy tena voalaza eto ny fomba nahatanterahan’ity fandravana voambara ity saingy mazava ny fanambaràna fa avy amin’i Jehovah izany. Izy no nanapaka ny fifindran’ny hery sy fahefana avy amin’ny Kaldeana ho an’ny Asyrianina. Tsy hay tohaina ny herin’Andriamanitra ary tsy misy firenena afaka haninana na hihantsy Azy izany mihitsy ka ho afa-maina. Sady fampitandremana izany no fampanantenana ho antsika. Mety ho kivy sy velom-panontaniana manko isika manoloana ireto tany toa manao zinona an’Andriamanitra ireto nefa toa ambinina. Nahoana ? Halan’Andriamanitra ny mpiavonavona rehetra. Fiheveran-tena ho zavatra manko izany ary efa nampitandreman’Andriamanitra ny zanak’Israely mihitsy koa (Deoteronomia 8). Amin’izao fotoana izao dia tena feno avonavona ny fon-draolombelona ka mihevitra ho tsy mila an’Andriamanitra izany fa vitany amin’ny herin’ny tenany sy ny sainy ny fiainany. Fampitandremana : Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana (Ohabolana 16. 18). Mamindra fo. Hita eto koa anefa fa mbola hatsangana ihany i Tyro ao aorian’ny 70 taona. Fahamarinana : Hain’Andriamanitra ny mandrodana fa mbola hainy koa ny manangana. ALAROBIA 18 OKTOBRA SALAMO 24 F. 1, 3 JEHOVAH TOMPO MPANJAKA Fahamarinana maromaro no avoitran’izao salamo izao. Tompony Izy satria nahary (1-2). Fahamarinana hizingizinin’ny Baiboly rahateo ny hoe : Nisy mpahary izao rehetra izao fa tsy hoe tongatonga ho azy vokatry ny fivoarana. Ary satria Izy no nahary dia mazava ho azy fa Izy koa no Tompony; Azy izany. Ny tohin’izany, raha manaraka lojika isika, dia tsy tompon’inona na inona isika olombelona fa mpitantana, mpanompo. Izay rahateo no ambaran’ny Genesisy hoe nametraka ny olombelona mba hiasa sy hitandrina azy Izy. Misalotra voninahitra Izy. Tahaka ireo olona nahita voka-pikarohana ety amin’izao tontolo izao dia mahazo voninahitra avy amin’izany fikarohana vitany izany ny olona iray ary hampalaza azy sy hampanan-karena azy izany raha trandrahiny. Tsy vokatry ny zavatra nataony ihany anefa no mahatonga azy hitafy voninahitra fa ny heriny, ny maha-izy azy mihitsy. Tsy ny rehetra no afaka miseho eo anatrehany. Toa ireny filoha ambony ireny dia tsy azo hatonintonim-poana Izy. Inona no fepetra ambara eto ? (3-6). Raha tsorina dia hoe aoka ho masina ianareo satria masina Aho ! Asandrato ny tataonareo ! Tsy miandry hatonina fotsiny koa anefa Izy fa tonga midina mamangy antsika olombelona mihitsy tao amin’i Jesoa Kristy. Te-handroso ao am-pontsika Izy. Mamporisika antsika hivonona ho amin’ny fiavian’ny fanjakany rahatrizay, tsy ho ela koa anefa izany. Fanontaniana : Efa nampandroso Azy ve ianao ? Mivonona ho amin’ny fihavian’ny Fanjakany koa ve ianao ? Manitatra ny ambaindain’ny fanjakany koa ve mandra-pihaviny ? ALAKAMISY 19 OKTOBRA ASAN’NY APOSTOLY 5. 1-11 F. 1, 2, 5 NY FAKAMPANAHIN’NY LAINGA Zava-misy iainana. Ity andàlan-tSoratra Masina ity no ahitantsika fa mitovy ny fakampanahy iainana, na tany amin’ny andron’ny Apostoly, na aty amin’ny taonjato faha-21 ankehitriny. Mitady izay hamelezana sy hamitàhana foana ny devoly. Matetika any amin’izay misy toe-po marefo no hidirany, ka na dia teo anivon’izay heverina ho kristiana aza, dia tratra rehefa tsy miambina. Nanomboka tamin’i Adama sy Eva, izay nandositra ny fanatrehan’Andriamanitra izany (Genesisy 3. 10). Aoka ary tsy ho maika hanome tsiny an’i Ananiasy sy Safira isika … Moa tsy mety mitranga amintsika koa izy ity ? Ny lainga. Fakampanahy mora mahavoa antsika rehetra izy io, satria mora ary haingana tanterahina, mba tsy hanahirana amin’izay zavatra atao eo amin’ny fiainana andavan’andro. Azontsika eritreretina izay antony vitsivitsy nety nahatonga an’i Ananiasy sy Safira ho lavo : fitiavam-bola tafahoatra, fitiavana te-hiseho (mahavita mihoatra noho ny hafa), ho hita fa tena olona ara-panahy sns… Jesosy Kristy dia namaritra mivantana fa ny devoly dia rain’ny lainga : mpamono olona hatramin’ny taloha izy, ary tsy nitoetra tamin’ny marina (Jaona 8. 44). Sarihany ho amin’izany koa isika olombelona. Andriamanitra mahalala ny zava-drehetra. Tsy tamin’ny sain’i Petera akory no nahatakarany ny lainga, fa ny Fanahy Masina no nanambara taminy. Manome fotoana hatrany ny Tompo hitandremantsika, ka manaiky hankatoa azy, mba tsy ho tafalatsaka amin’ny fakampanahin’ny lainga. Fandinihan-tena : Inona teo amin’ny fiainako no mbola hampahatsiahivin’ny Fanahy Masina ahy, fa fahotana, ka tokony hibebahako ? ZOMA 20 OKTOBRA ASAN’NY APOSTOLY 5. 12-21a F. 2,6 NY HERIN’ANDRIAMANITRA Ny fandrosoan’ny fiangonana. Andeha hangonintsika : inona avy ireo fototry izany fandrosoan’ny fiangonana izany, raha ny hita eto ? - Nisy ny famantarana sy fahagagàna (12) : tsy ireo Apostoly akory no mahay manao fahagagàna. Tsia ! Andriamanitra no nampiasa azy ireo araka izay sitrapony. Ny ohatra eto dia fanasitranana ny marary (16), saingy tsy voatery ho izany ihany, fa betsaka ny mety ho endrik’io famantarana sy fahagagana io. - Nisy ny firaisan-tsaina teo amin’ireo mpianatry ny Tompo, hany ka izay rehetra nataony, dia nahomby. Endrey izany hasarobidin’ny manana firaisan-tsaina ! Hatraiza no ilantsika mpino ankehitriny koa an’izany… saingy mila fifampisokàfana, fanetrentena, fitiavana izany ! Manao ahoana ny fahavononan’ny kristianina aty amin’ny taonjato faha-21 ho amin’izany ? - Fitomboan’ny fitoriana Filazantsara niteraka olona maro nanolo-tena ho an’i Kristy isan’andro. Ny fanoherana. Inona no fototra ary ahoana no fitrangan’ny fanoherana ? Ny fialonana no fototra (17), ary tsy niainga akory avy tamin’ny jentilisa izany, fa avy amin’ireo atao hoe raiamandreny am-panahy aza, dia ny mpisoronabe. Niseho tamin’ny alalan’ny fampidirana an-tranomaizina izany. Fa moa misy mahasakana ny asan’Andriamanitra ve ? Tsia satria afaka maniraka ny anjeliny ny Tompo hamoha ny varavaran’ny tranomaizina (19). Mandehana ka mitsangàna, ary mitoria. Mahafinaritra loatra ny teny fampaherezan’ny anjely … ary tsy ho an’ny Apostoly tamin’ny taonjato voalohany ihany izany, fa ho antsika mpino ankehitriny koa. Manaiky ve aho ny hizara ilay Teny mitondra fiainana ? SABOTSY 21 OKTOBRA ASAN’NY APOSTOLY 5. 21b-32 F. 2, 3 FANAFAHANA MAHAGAGA Very hevitra. Izany no azo ilazàna ny mpisoronabe sy ireo mpitarika ara-pivavahana namany. Nahoana ? Tsy takatry ny saina hoeritreretina ny fitrangan-javatra : ny tranomaizina mihidy ara-dalàna, ny mpiambina eo anoloan’ny varavarana, saingy tsy nisy olona tao an-trano. Mazava ary, raha mitaintaina ny amin’ny hiafaran’izao raharaha izao izy ireo (24). Tokony ho afaka nandray lesona lehibe ny amin’ny herin’Andriamanitra tsy hay fefena izy ireo... Ny mampalahelo dia ny mahita fa mbola manao didoha ao anaty avonavom-panahy ihany izy ireo. Tahotra olombelona. Inona no akon’ny avonavom-panahy nitoeran’ny mpisoronabe sy ny namany ? Nahatonga azy hatahotra ny vahoaka ! (26). Rehefa tsy mijoro amin’izay tokony ho izy ny tomponandraikitra, dia mihalefy ny tahotra an’Andriamanitra, fa miha-maka toerana kosa ny fahatahorana olombelona. Mety ho tarihin’ny lainga mantsy rehefa mifantoka loatra amin’ny fiarovana ny tombontsoan’ny tena. Andriamanitra no tokony ekena. Fampaharezana tsara loatra ho antsika izany tenin’ny Apostoly izany ! Mpianatra feno fahasahiana sy faherezana no miteny eto. Tanteraka amin’izy ireo izay voalazan’i Jesosy Kristy hoe : «Fa izaho hanome anareo vava sy saina, izay tsy ho azon’ny fahavalonareo rehetra valiana na resena» (Lioka 21. 15). Mbola nampiany ihany hoe “Vavolombelon’izany izahay …” (Asan’ny Apostoly 5. 32). Vavaka : «Tompo ô ataovy ato anatin’ny fanahiko koa ny ho sahy hijoro ho vavolombelonao n’inon’inona tranga misy manodidina». Soratra masina ho an’ny herinandro : Asan’ny Apostoly 4. 29 ALAHADY 22 OKTOBRA ASAN’NY APOSTOLY 5. 33-42 F. 2, 3, 5 FAMONJENA HO AN’NY REHETRA Fahalalana entina miaina. (33-39) Manoloana ny fijoroan’ny Apostoly amin’ny fanapariahana ny famonjena tian’Andriamanitra omena ny olon-drehetra, izay ny mpitondra fivavahana no voakasika eto, dia fahatezerana no nasetrin’ireo izany. Ny dikanteny sasany dia milaza fa tena romotra mihitsy ireo. Soa ihany fa misy kosa amin’izy ireo manam-pahendrena (Gamaliela), manome ny torohevitra sy porofo ara-tantara, mandresy lahatra, sahy mijoro mitondra fitoniana sy filaminana. Zava-dehibe tokoa ny fampiasana ny fahaizana amam-pahalalana izay norantovina tamin’ny Tompo mba ho ny asan’ny Fanahy Masina hatrany no hampiteny, ka hanalana ny hevi-petsin’ny devoly te-hampiady sy hanenjehana ny hafa indrindra fa ny irak’Andriamanitra. Tia ny rehetra ny Tompo. Hita amin’izany fa tsy ny vahoaka ihany no mila famonjena; fa hatramin’ny mpanabe ara-panahy izay heverina fa izy ireo no tokony ho fantsom-pamonjena voalohany ho an’ny olona. Tsy mety tafapaka tamin’izy ireto mihitsy ny herin’ny Fanahy Masina te-hanafaka azy (40), hany ka lasa ny herin’ny maizina no mameno ny fony. Fanontaniana : Izaho koa ve efa fitaovana manaiky ampiasain’i Jesoa hitory ny famonjena amin’ny manodidina hanirahany ahy, na inona mety hanjo? Antso mampandroso (41-42). Tena zava-dehibe ny mifantoka feno amin’ny antson’ny tsirairay mba hampihitatra hatrany ny Fanjakan’Andriamanitra. Ao anatin’izany dia tsy mihemotra na amin’ny inona na amin’ny inona, fa mazava ny Tenin’ny Tompo fa “tsy ho foana tsy akory ny fikelezanareo aina” (1 Korintianina 15. 58d). Mbola malalaka ny sehatra hitoriana ny Filazantsara eto amintsika, ka vao mainka mamporisika sy manome hery ny fandroson’ny asa vitan’ny mpianatra teto tao anatin’ny fanenjehana miharo vono. Ary mbola fifaliana aza no nanehoany ny fihetsiny izay fampianarana goavana mba tsy ho kivy na hihemotra. ALATSINAINY 23 OKTOBRA ASAN’NY APOSTOLY 6. 1-15 F. 2, 3 NY TENA FANOMPOANA Iray nefa mifanavaka. (1) Eny, tena mitranga tokoa eo amin’ny samy mpino, raha mbola tsy ampy fahalalana an’Andriamanitra, ny firehana tsy mifampitsinjo. Hany ka mora ahodin’ny devoly any amin’ny tsy laharam-pamehana ny olona sasany, na dia tsy azo tsinontsinoavina fa ilaina ny fanaovana asa soa. Raisina ho fanitsiana ny fomba fiasa nefa ny maneho izay tsy tomombana. Eo no ilàna mpitarika manana fahaiza-manadihady raha mitombina izany na tsia, sao mijanona amin’ny fitsikerana na lasa fanaratsiana fotsiny. Mahafantatra ny antsony. (2-6) Tena nanana fanapahankevitra feno fahendrena tokoa ny Apostoly fa tsy nanao tsinontsinona ireto mpitondratena jiosy nanana kolontsaina grika somary voahilika ireto. Nifantoka tokoa izy ireo tamin’ny antsony voalohany dia ny fitoriana ny Filazantsaran’ny famonjena sy ny fitaizam-panahy. Misy tokoa ny fifamenoan’ny tsirairay satria natao hifanohana ny zanak’Andriamanitra, ary manendry olona hampiasan’ny Tompo ho amin’izay sehatra mila izany. Antso natao hahomby (7-15). Tena olona feno ny Fanahy Masina sady tsy nianina fotsiny tamin’ny asa fizarana sakafo na ny toy izany no nataon’ireto olom-boafidy ireto; fa mpanompo ihany koa tsara fanabeazana ara-panahy sy tsara fifandraisana tamin’Andriamanitra. Hita misongadina tamin’izany ny nataon’i Stefana fa nitondra fahagagana ny asa soa izay nataony. Rehefa misy akony sy mahakasika ny olona ny asa fitoriana dia asehon’ny Tompo ny Voninahiny mba hanaporofo fa Lehibe Izy, ary mitondra fiovam-piainana. Mivonona nefa fa i satana tsy tonga raha tsy handrava, sy hamono ary handringana (Jaona 10. 10a), ary tsy faly manoloana ny fandroson’ny asan’Andriamanitra. Indrisy fa mampiasa ireo malemy ara-panahy na tsy mbola nibebaka mihitsy aza ity fahavalon’Andriamanitra mba handavoana ny mpino. Saintsaino : Vonona ve aho hiatrika ny fanenjehana maro samihafa ? TALATA 24 OKTOBRA ASAN’NY APOSTOLY 7. 1-16 F. 1, 5 FIAROVAN-TENA TSARA INDRINDRA Rehefa tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny Fanahin’i Stefana ireto lehiben’ny synagoga Jiosy maromaro ireto dia niampanga azy ho manao tsinontsinona ny tempoly sy manova ny fomban’i Mosesy (16. 9-14). Valintenin’i Stefana momba izany no novakiantsika anio. Ny Tenin’Andriamanitra. Raha tokony hiaro tena, hanohitra ireo fiampangana lainga atao aminy, eny mety hiteny ratsy ireto mpanohitra mihitsy aza, dia ny famintinana ny tantara ao amin’ny Baiboly no nataon’i Stefana. Ary voalazany amin’ny antsipirihany mihitsy izany. Ny hampita hafatra amin’ireto Jiosy mahay Baiboly kanefa tsy mahalala ny sitrapon’Andriamanitra ireto no mahamaika azy. Andriamanitry ny voninahitra (2-4). Tsy voafetran’ny toerana Andriamanitra satria afaka niseho tamin’i Abrahama hatrany amin’ny tanin’ny Kaldeana, Harana ka hatrao Israely. Tsy voatery ao amin’ny tempoly ao Jerosalema ihany izany no ahafahana mivavaka Aminy fa amin’ny Fanahy sy ny fahamarinana (Jaona 4. 21-24). Andriamanitra Mpanao soa. Nampanantena lova ho an’i Abrahama sy ny taranany (5), nanome ny tany Kanana ho azy ireo, nanao fanekena taminy (8), nomba an’i Josefa ka nahafaka azy tamin’ny fahoriany rehetra (9-10), namonjy ny taranak’i Jakoba tamin’ny mosary (11-15), namerina ny Zanak’Israely avy any Ejipta afaka 400 taona (6-7, 16). Fampieritreretana : Manao ahoana ny fahalalako ny Tenin’Andriamanitra ? Afaka mamelabelatra izany ve aho raha ampangain’olona ? Mahalala ihany koa ny tena sitrapon’Andriamanitra ve aho sa dia tantara fotsiny no haiko ? Mahita ireo soa maro be efa nataon’Andriamanitra teo amin’ny fiainako ve aho sa fatra-pifikitra amin’ny fomba ka mitady hamono ireo tsy mitovy fomba amiko ? ALAROBIA 25 OKTOBRA ASAN’NY APOSTOLY 7. 17-29 F. 1, 5 SOA NOVALIANA RATSY Te haneho amin’ireto mpitarika ny synagoga ireto i Stefana fa ny namonoan’izy ireo an’i Jesoa (51-52) sy ny fikasany hamono an’i Stefana dia tsy hafa fa tahaka ny nataon’ny razany ihany izay namaly an’Andriamanitra Mpanao soa azy tamin’ny fahotany. Ny soa nataon’Andriamanitra (17-22). Nahatsiaro ny teny fikasana nomeny an’i Abrahama 400 taona lasa Andriamanitra (17a) ka hanafaka ny Zanak’Israely amin’ny fangejan’ny Ejiptiana (18-19) rehefa avy nampitombo azy marobe (17b). Nandefa an’i Mosesy ho fitaovana hamonjena ny Zanak’Israely ka niaro azy (20-22). Ny soa nataon’i Mosesy (23-26). Nahafantatra ny antso (20) niantsoan’Andriamanitra azy izy ka nanao izay hiarovana (24) sy hampihavanana ny Zanak’Israely (26). Ny ratsy navalin’ny Zanak’Israely azy (18-20). «Iza no nanendry an’ialahy ho mpanapaka sy mpitsara anay ?» (27, 35). Rehefa tsy mahalala an’Andriamanitra dia tsy afaka ny hahalala izay olona irahiny ihany koa. Efa niainan’i Davida (Salamo 109. 4-5) sy i Jesoa Kristy (Jaona 13. 18) izany soa atao valiana ratsy izany. Ambaran’ny Rômanina 1. 21-25 fa ny tsi-fahaizana mankasitraka an’Andriamanitra dia mahatonga Azy hanolotra antsika ho amin’ny filan’ny fontsika ho amin’ny fahalotoana. Raha efa novaliana ratsy kosa ny soa nataonao olona dia hoy i Jesoa Kristy aminao hoe “Sambatra ianao” (Matio 5. 9-12). Mifalia sy miravoravoa fa lehibe ny valimpitianao any an-danitra. Fampieritreretana: Na dia misy mafy amintsika aza ny zavatra avelan’Andria-manitra mitranga amin’ny fiainantsika (18-19) dia fantaro fa soa foana no ambadik’izany koa mahaiza misaotra Azy. ALAKAMISY 26 OKTOBRA ASAN’APOSTOLY 7. 30-43 F. 5 TSY METY FAY ? Ny soa nataon’Andriamanitra (30-34). Tsy kivy Andriamanitra fa mbola niseho tamin’i Mosesy ihany afaka 40 taona na dia efa nolavin’ny Zanak’Israely aza ity farany. Andriamanitra te-hampafantatra ny tenany amintsika io Jehovah io. Tsy voafetran’ny toerana Izy. Tsy eo amin’ny « toerana masina » ihany Izy no afaka mihaona amintsika, fa izay toerana rehetra hihaonantsika aminy dia « masina » avokoa (33). Andriamanitra mahita ny fahoriantsika ihany koa Andriamanitra (34) ary vonona ny hamonjy antsika. Ny soa nataon’i Mosesy (35-38). Tsy kivy koa i Mosesy na dia efa nolavin’ny olony aza fa mbola nanaiky ny hirahin’Andriamanitra ihany. Nitondra ny Zanak’Israely nivoaka an’i Ejipta tamin’ny alalan’ny fahagagana sy famantarana maro (loza folo, fiampitana tamin’ny ranomasina mena, fanomezana rano tany an’efitra…). Nanambara ny fihavian’i Jesoa Kristy izay tsy inoan’ny Jiosy tamin’ny fotoan’i Stefana io (37). Nanome ny lalàna sy ny Tenin’Andriamanitra ho an’ny Zanak’Israely (38). Ny ratsy navalin’ny Zanak’Israely (39-43): Tsy nety nanaiky ny fitarihan’i Mosesy fa te hiverina tany Ejipta foana. Nanao ombilahikely volamena tany an’efitra (Eksodosy 32). Izany no nanoloran’Andriamanitra azy ho amin’ny filan’ny fony, koa nanaja sy nanompo ny zavatra atao fa tsy ny Mpanao izay isaorana mandrakizay. Amena (Rômanina 1. 20-24). Fampieritreretana : Tena vokatry ny fahatezeran’Andriamanitra (Rômanina 1. 18) mihitsy ny fanosehana antsika hanao zavatra ratsy rehefa tsy mety mijery ny soa nataony ho antsika isika fa mikiry ho amin’ny ditrin’ny fontsika foana. Vavaka : Mifona, Tompo, tsy mety mahay mankasitraka anao fa mimenomenona foana. Aza atolotra ho amin’ny filako aho fa tariho hibebaka hatrany. ZOMA 27 OKTOBRA ASAN’NY APOSTOLY 7. 44-53 F. 1, 5 FANOMPOANA SA FOMBA ? Fanompoam-pivavahana toy inona ? (44-50) Hatramin’ireto mpitondra fivavahana namono an’i Jesoa Tompo, dia tsy nahazo velively ny hevitry ny tabernakely. Noheveriny fa raha ao no tena toerana fihaonana amin’Andriamanitra, dia ireo fombafomba samihafa no tena notandroviny fatratra mba hahazoana fanamarinana; fa tsy ny fivavahana amin’ny Fanahy sy fahamarinana. Lehibe Andriamanitra sady Mpamorona izao rehetra izao. Fa noho ny fangatahan’i Davida, no nanomezany alalana hanorina trano tempoly fihaonana sy fanomezana voninahitra Azy. Toerana fiverenana sy fitodihana tanteraka Aminy ny trano fivavahana ho an’ireo izay tena torotoro fo sy matahotra Azy; fa tsy natao fotsiny fanaovana fanatitra hamelana ny fahotana vita, nefa mety miverimberina ihany ireny. Dia lasa toy ny mamono olona hoy ny Tompo izay mamono omby atao fanatitra, ny manatitra ditin-kazo manim-pofona ho fahatsiarovana dia tahaka ny misaotra ny sampy (Isaia 66. 3), satria fihetsiketsehana ivelany, hany ka tsy misy harem-panahy azon’ny Tompo arotsaka. Tsy fahazarana ny fanompoana, na fanajana lalàna sy fomban-drazana samihafa; fa fiovam-po marina ho olom-baovao isan’andro mampiseho asa sy voa tsara. Vokatry ny fombafombam-pivavahana. Tsy nitondra fiovam-piainana ho an’ny vahoaka jiosymaro izany asa fisoronana izany, ary porofon’izany hatramin’ny lehibe mpitarika ara-panahy aza dia voalaza fa manana “fo tsy voafora” (51). Tsy fifandraisam-pitiavana tamin’Andriamanitra ny asa nataony tao an-tempoly, hany ka tsy latsa-kapa tao am-pon’izy ireo ny fiainam-pibebahana andrasan’ny Tompo taminy, eny fa na ho antsika ankehitriny aza. Tena halalinina, saintsainina andro aman’alina, anontaniana ny Tompo izay tsy hay, mba ho fiainana ny Teniny. Raha tsy izany tokoa dia fankahalana, izay voa avy amin’i Satana, ary fo tsy vita fihavanana amin’Andriamanitra sy fahaverezana mandrakizay no vokany farany. SABOTSY 28 OKTOBRA ASAN’NY APOSTOLY 7. 54-8. 3 F. 1, 5 LALANA IZORAKO Fiandrianan’Andriamanitra. Andriamanitra izay mitoetra ao an-danitra dia be voninahitra, mamiratra indrindra ary feno fiandrianana tanteraka. I Jesoa Kristy, zanak’Andriamanitra, dia mitoetra eo an-kavanany. Fahamarinana io. Inona no ataon’i Jesoa Kristy eo ? Mifona ho antsika Izy (1 Jaona 2. 1). Eo koa no hiandrasany ny hanaovana ny fahavalony ho fitoeran-tongony (Salamo 110. 1). Miatrika fanenjehana. I Stefana, feno ny Fanahy Masina ary tarihin’izany Fanahy Masina izany, dia nahita izany ary mampianatra antsika ny fitondrantenan’ny kristiana ao anaty ady sarotra. Tsy tezitra na nanome tsiny an’Andriamanitra izy raha notoraham-bato noho ny finoany an’i Jesoa Kristy. Nanolotra ny fanahiny ho eo an-tànan’Andriamanitra izy ary nivavaka ho an’ireo namono azy izy (Asan’ny Apostoly 7. 60). Ny krisitianina dia manaiky ho tarihin’ny Fanahy Masina noho ny fiandrianan’Andriamanitra ary lasa faka-tahaka amin’ny fitondrantenany. Fanontaniana : Inona no mbola tsy fehezin’ny Fanahy Masina amin’ny fiainanao manokana ? Làlana diavina: Na marina aza ny ambaran’i Stefana dia nohenjehina sy novonoina izy. I Saoly kosa dia nanenjika, nampiditra am-ponja, nankasitraka ny famonoana ary namono ireo kristiana satria io no heveriny ho marina. Ny tsirairay dia mandeha amin’ny làlana heveriny ho marina fa i Jesoa Kristy ihany no làlana sy fahamarinana ary fiainana. Izay ao Aminy no mandeha amin’ny tena marina. Fanontaniana : Aiza ny làlana izoranao ? Inona no ahitsinao manomboka izao ? Soratra masina ho an’ny herinandro : Asan’ny Apostoly 7. 56 ALAHADY 29 OKTOBRA ASAN’NY APOSTOLY 8. 4-13 F. 2, 6 MITORY NY FILAZANTSARAN’ANDRIAMANITRA Mitory hatrany. Niely ireo mino an’i Jesoa Kristy ary nitory niaraka tamin’izay ny teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Isan’izany koa Filipo izay nitory tamin’ireo olona tao Samaria. Tanteraky ny mpianatra eto ny baikon’i Jesoa hoe hitory any Samaria na dia tsy nahavantana ny jiosy loatra aza izany baiko izany satria tsy nanan-draharaha tamin’ny samaritana ny jiosy. Fanontaniana : Aiza no toerana tokony hitoriana mihitsy nefa mbola tsy tongantsika mpitory ? Ireny faritra mena ireny ohatra, na eto Antananarivo na any amin’ny faritra hafa ihany koa ? Betsaka no nino sy nahita ireo famantarana izay nanaraka izay mino (6, 7, 13). Eo amin’izay sehatra misy ny mino an’i Jesoa Kristy dia fanararaotra izany itoriana ny Filazantsaran’ny famonjena. Fanontaniana : Inona no filazantsara voatory amin’ny alalan’ny fihetsikao? Ny fiteninao ? Fahefan’i Jesoa Kristy. I Simona izay mpanao ody tao Samaria koa dia nanana ny fahaizany, ny fahefany sy ireo olona resiny lahatra tamin’izany (9, 10, 11). Kanefa ireo rehefa nihaino ny toritenin’i Filipo ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra sy ny anaran’i Jesoa Kristy dia nino sy natao batisa ary nahita famantarana lehibe. Lehibe i Jesoa Kristy sy ny fahefany noho izay ao amin’izao tontolo izao ary mandohalika eo anatrehan’i Jesoa Kristy avokoa izany rehetra izany. Fahefan’iza no iankohofanao: fahefan’i Jesoa Kristy sa fahefan’izao tontolo izao (harena, sampy, voninahitra sns)? Inona no hialanao manomboka izao ka hametrahanao an’i Jesoa Kristy ho mpanjakanao sy mpamonjy anao manokana ? Fampitandremana : Mahavita fahagagana koa ny mpanompon’ny devoly ! ALATSINAINY 30 OKTOBRA ASAN’NY APOSTOLY 8. 14-25 F. 2, 5 HO AN’NY OLONA REHETRA NY FILAZANTSARA Jiosy sy Samaritana. Firenena roa tsy nifandray na oviana na oviana ireo fa tena nataon’ny Jiosy tsinontsinona izany Samaritana izany, ka na ny handalo ao amin’ny faritaniny fotsiny aza dia efa nosorohany (Jaona 4. 14) Raha nangataka rano tamin’ilay vehivavy Samaritana Jesosy dia hoy ny navaliny: «Nahoana ianao no Jiosy ka mangataka amiko hosotroina nefa aho vehivavy Samaritana ? Fa ny Jiosy tsy manan-draharaha amin’ny Samaritana»(Jaona 4. 9) Jesoa tsy manavakavaka. Na dia tahaka izany aza no fiheveran’ny Jiosy ny Samaritana, i Jesoa kosa tsy nanao izany ho zava-dehibe. Nanambara tsotra tamin’io vehivavy Samaritana io Izy fa Izy no Kristy. (Jaona 4. 26) Ary azo heverina fa tamin’io fihaonan’i Jesoa tamin’ity vehivavy Samaritana ity no voalohany nandrenesan’ny Samaritana ny Tenin’Andriamanitra. Manohy ny asa ny mpianatra. Rehefa nitranga ny fanenjehana ny Kristiana nataon’i Saoly dia niely ny mpianatra ka i Filipo lasa tany Samaria ary nitoriteny tany, sy nanasitrana ny marary, namoaka demonia dia nitondra hafaliana be hoan’ny olona rehetra izany (5-8). Tahaka izany koa no efa nataon’i Jesoa tamin’Izy niresaka tamin’ilay vehivavy Samaritana ka maro no nino Azy (Jaona 4. 39-42) Rehefa ren’ny Apostoly tany Jerosalema fa nandray ny Tenin’Andramanitra ny Samaritana dia nidina tany i Petera sy Jaona mba hivavaka sy hametra-tànana tamin’izay nino mba handraisan’izy ireo ny Fanahy Masina (14, 17). Tsy azo vidiam-bola ny fanomezana ny Fanahy Masina. Na ny fanomezana ny Fanahy Masina na ny fandraisana azy dia samy tsy azo vidiam-bola avokoa. Ny fisainan’i Simona mpanao ody (8, 9) dia maneho ny fisainan’ny olona te-hividy mandrakariva ny zavatra rehetra. Tsy fantany fa ny fanomezan’ Andriamanitra irery ihany no tsy azo sady tsy voavidy vola na oviana na oviana. TALATA 31 OKTOBRA ASAN’NY APOSTOLY 8. 26-40 F. 2, 6 IRAKA SOLON’I KRISTY Irahina ny mpino. Manana anjara sy andraikitra lehibe amin’ny fanambarana ny Vaovao Mahafaly amin’ny olona rehetra ny mpino kristianina. Eto dia i Filipo no nirahin’ny anjely hanambara ny Filazantsara tamin’ilay tandapa Etiopianina (26, 29) Mandrakariva dia tsotra sy mazava ireny iraka ampanaovin’Andriamanitra ny olona mino Azy ireny. Fankatoavana. Io toetra tokana io no tena irian’Andriamanitra hananan’ny olona mino Azy. Ary nahafinaritra fa izany no nasehon’i Filipo eto raha naniraka azy ho any an-tany foana ilay anjely. (26, 27). Tahaka izany koa rehefa nirahin’ny Fanahy Masina hanatona ny kalesin’io tandapa Etiopiana io izy dia nihazakazaka nanatona azy (30). Mamaky Soratra Masina fa tsy mahazo izay lazainy. Izany no nambaran’ity tandapa Etiopiana ity ka nitsotra tamin’i Filipo izy nanao hoe : «Hataoko ahoana no fahay raha tsy misy mampianatra ahy ?» (31) Tsara ny mianatra Soratra Masina samirery fa tena ilaina ihany koa ny mianatra amin’ny alalan’ny mpampianatra samihafa izay nirahina hanao izany. Meteza ho mpianatra mandrakariva fa hitondra anao ho amin’ny fahalalana ny marina izany ka handresy lahatra anao hanaiky ho mpianatry ny Tompo sy hianatra ny teniny mandrakariva tahaka ilay tandapa Etiopiana (36, 38). Mitory tsy mitsahatra. Rehefa vita ny iraka nataon’ny Fanahy masina tamin’i Filipo ho an’ilay tandapa Etiopiana dia nentiny tany Azota indray izy ka nitory ny Filazantsara tany amin’ny tanàna rehetra nalehany hatrany Kaisaria. Izany no fampiharana ilay voalaza hoe : «Mitoria ny teny, mazotoa, na amin’ny fotoana na tsy amin’ny fotoana» (II Timoty 4. 2) Fanontaniana: Manao ahoana ny fahafoizan-tena sy fahafoizantsika fotoana amin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin’izao fotoana izao ? Baiko tokony hankatoavintsika manko izany ! ALAROBIA 1 NOVAMBRA SALAMO 25. 1 - 12 F. 2, 6 NY FO MATOKY AN’ANDRIAMANITRA Miandrandra fitarihana. Ny zavatra rehetra ametrahan’ny olona ny fitokisany dia antenainy sy andrandrainy hiaro sy hitarika ary hitondra fanambinana ho azy. Tahaka izany tsy misy hafa izay matoky an’Andriamanitra. I Davida eto dia mitodika avy hatrany any amin’Andriamanitra ka manao hoe : «Aminao, Jehovah ô, no hanandratako ny fanahiko», izany hoe : mitodika aminao aho Andriamanitro ô ! Ary matoky Anao tanteraka aho (2) satria fantatro sy azoko antoka, hoy ihany i Davida, fa tsy mitsanga-menatra izay matoky Anao Andriamanitra (3). Ampahafantaro ny làlanao aho. Izany no anisan’ny fangatahana ataon’i Davida amin’Andriamanitra ankoatra ny fampianarana sy ny fitarihana mba hahalalany ny làlana marina tokony hizorany sy ny sitrapon’Andriamanitra tokony hankatoaviny (4, 5). Izay toe-po izay no maneho fa tena matoky tanteraka an’Andriamanitra i Davida ka tsy miantehitra amin’ny fahaizany sy ny fahalalany fotsiny ihany. Manamarina indray ny maha akaikin’ny fon’Andriamanitra an’i Davida izany ka nilazany hoe : «Izaho nahita an’i Davida, zanak’i Jese, lehilahy araka ny foko, izay hanao ny sitrapoko rehetra» (Asan’ny Apostoly 13. 22). Ampahafantarin’Andriamanitra ny sitrapony. Ny olona matahotra an’Andriamanitra dia amborahany ny sitrapony, ampahafantariny ny làlana tokony halehany, anehoany ny fisainany. Hoy ny voalaza eto:”Iza no lehilahy matahotra an’i Jehovah ? Izy no hampianariny ny làlana tokony hofidiany”(12) ary koa : «Ny fisainan’i Jehovah asehony amin’izay matahotra Azy ary ny fanekeny no hampahafantariny azy» (14). Ahoana no hatao ? Fanontaniana matetika fametraky ny olona ny hoe : Ahoana no hamantarana ny sitrapon’Andriamanitra ? Valiny : Matokia sy matahora Azy dia hambarany aminao izay ao an-tsainy sy ao am-pony ary izany indrindra no nilazan’ny Apostoly Paoly hoe: «Fa izahay manana ny sain’i Kristy» (I Korintianina 2. 16b). ALAKAMISY 2 NOVAMBRA ISAIA 24. 1 - 23 F 6 JEHOVAH NO HANJAKA Ho foana ny tany. Hatramin’ny fotoana nidiran’ny fahotana teo amin’ny fiainan’ny zanak’ olombelona dia tsy nitsahatra nitombo isan’andro ny faharatsiana ataony sy iainany. Ambaran’ Isaia eto aza fa efa voavetaveta mihitsy ny tany (5); izany hoe ny fahotana faran’izay ratsy indrindra no efa nataon’ny olombelona. Tsy zakan’Andriamanitra izany faharatsiana ataon’ny olona izany ka ny fandravana tanteraka ny tany sy ny olona manao izany fahavetavetana izany no ambaran’i Isaia eto amin’ity faminaniana ity. Io koa ilay nambaran’i Jesoa Kristy hoe: fahotana lehibe na «ny fahavetavetan’ny fandravana” (Matio 24. 15-16). Fahafatesana no tambin’ny ota. Fahamarinana tsy azo hiodivirana izany. Tahaka izao no hanambaran’Isaia azy eto : «Ary noho izany dia ozona no mandevona ny tany, ary ny mponina ao dia valiana noho ny helony, sady voadotra ny mponina amin’ny tany ka dia olona vitsy foana no sisa ao» (6) Mbola nohamafisina ao amin’ny Rômanina 6. 23 koa izany fahamarinana izany. Manampetra ny fahefan’i Satana. Fahamarinana faharoa ambara eto izany milaza hoe : «horoahin’i Jehovah ny antokon’ny lanitra, izay tsy iza fa i Satana sy ny demonia ary hangoniny ao an-davaka iray ka hohidiana ao an-tranomaizina» (21, 22). Andriamanitra no hanjaka mandrakizay. Izany no fahamarinana lehibe indrindra ambaran’i Isaia eto amin’ity toko ity : «Fa Jehovah Tompon’ny maro no Mpanjaka» (23). Rehefa voarodana tanteraka ny fanjakan’i Satana dia hanjaka mandrakizay Andriamanitra. «Ary ny anjely fahafito nitsoka, dia nisy feo mafy tany an-danitra nanao hoe : Ny fanjakana amin’izao tontolo izao dia efa lasan’ny Tompontsika sy ny Kristiany; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay» (Apokalypsy 11. 15). Izany no fanantenana lehibe indrindra anananan’ny mino rehetra ! ZOMA 3 NOVAMBRA ISAIA 25. 1 - 12 F. 1, 7 DERA HO AN’ANDRIAMANITRA Nahoana no midera an’Andriamanitra ? Asehon’i Isaia eto ny fikasan’ny fony hisaotra sy hidera ary hanandratra an’Andriamanitra. Nahoana no manao izany izy ? Satria : 1-Tsapany fa manatanteraka mandrakariva ny teny fikasany Andriamanitra ary zava-mahagaga mandrakariva ireny (1-2). 2-Noho ny faharesen’ireo rehetra nikasa hanohitra Azy (2-3). 3- Noho Izy manafaka sy mampionona ny olony (4). Fanontaniana : Tsy mahatsapa tahaka izany ve isika amin’ny fiainantsika andavanandro indrindra rehefa sendra ny zava-tsarotra mitranga iny fa mitondra vahaolana sy fampaherezana mandrakariva Andriamanitra ? Ho foana ny ranomaso sy ny fahafatesana. Be ny fahorian’ny olombelona miteraka ranomaso sy mitondra ho amin’ny fahafatesana aza fa tamin’ny andron’Isaia dia efa nampitondrain’ Andriamanitra azy ny faminaniana milaza fa ho foana tsy hisy intsony ny fahoriana sy ny ranomaso ao amin’ilay fanjakan’Andriamanitra maharitra mandrakizay izay ho avy any aoriana (8). Nanambara izany koa ny Apostoly Paoly: “Fa rehefa mitafy ny tsi-fahalovana ity mety lo ity, ary mitafy ny tsi -fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe : «Ny fahafatesana noresena ka levona»(1 Korintianina 15. 58) ary ny Apostoly Jaona milaza hoe : «Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha» (Apokalypsy 21. 4). Tandremo ny famirapiratry ny fahavalo. I Moaba no endrika hanehoana ireo mpanohitra sy mpikomy amin’Andriamanitra. Izy ilay fahavalon’Isiraely hatramin’ny ela. Ny endrika hisehoany ankehitriny dia ireo zavatra manintona maso izay fahafinaretan’ny nofo sy filana samihafa mitaona ho amin’ny fisarahana amin’Andriamanitra. Ny tanjony dia ny haneho zavatra mamirapiratra eo imasontsika nefa hitondra antsika ho any amin’ny fahafatesana mandrakizay. Tandremo ! SABOTSY 4 NOVAMBRA ISAIA 26. 1-21 F. 6 HIRA FIDERANA Ataon’ireo matoky an’Andriamanitra: Mahazo antoka tanteraka ireo izay mino an’Andriamanitra fa miaro sy mamonjy azy mandrakariva Izy ary tsy mivadika amin’ny fanekena efa nataony tamin’izay tia Azy. Tanàna mafy, manda fiarovana, ireo no sary anehoan’Isaia izany famonjena sy fiarovana izany. Ary io Andriamanitra mpamonjy sy mpiaro io dia tsy miova mandrakizay tahaka ny vatolampy tsy mihetsika(4). Efa nambaran’ny mpanao salamo koa io tsy fiovan’Andriamanitra io ka hoy izy : «Fa Ianao no tsy miova ary ny taonanao no tsy ho tapitra» (Salamo 102. 27) ary ny mpanoratra ny Hebreo milaza ny tsy fiovan’i Jesoa Kristy manao hoe : «Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay» (Hebreo 13. 8). Saina tsy miovaova. Ny olona manaraka an’Andriamanitra dia tokony hanana io saina tsy miovaova io. Mila manahaka an’Andriamanitra amin’ny tsy fiovana, fa hoy ny Apostoly Paoly : «Aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo tahaka ny zanaka malala» (Efesianina 5. 1). Ka na inona na inona mitranga eo amin’ny fiainana, na fahasahiranana na adim-panahy dia mifikitra amin’Andriamanitra mandrakariva ilay vatolampy tsy mihetsika isika. Izany koa no nampianarin’ny Apostoly Jakoba hoe : «Nefa aoka hangataka amin’ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin’ny rivotra ka atopatopany. Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin’ny Tompo izany olona izany: olona miroa saina izy, miovaova amin’ny alehany rehetra»(Jakoba 1. 6-8). Miandry an’Andriamanitra. Andro farany izao. Miandry amin’ny faharetana sy ny finoana ary ny fanantenana tanteraka ny fisehoan’ny Tompo ny mino Azy rehetra. Io fahatongavan’ny Tompo io mantsy no faran’ny fahoriana rehetra fa fanombohan’ny fiadanana tanteraka kosa. Isaia koa eto dia efa maminany ny hihavian’izany. Soratra masina ho an’ny herinandro Isaia 26. 4 ALAHADY 5 NOVAMBRA ISAIA 27. 1-13 F. 3, 4 MAMINDRA FO ANDRIAMANITRA Isika zanak’Andriamanitra indraindray dia mandiso fanantenana an’Andriamanitra sy mampitondra alahelo Azy nohon’ny fifikirantsika amin’ny sampy, sy ny fitambarantsika amin’ny ratsy, ka mahatonga Azy hanafay antsika. Ozona mihitsy no mahazo antsika tahaka ny eo amin’ny andinin’ny faha-10 raha miala amin’Andriamanitra isika. Fanentanana : Fantaro ireo karazana sampy misy eo amin’ny fiainantsika, sao ny olon-tiantsika, ny zanatsika, sns… ka ireny no hanadinoantsika an’Andriamanitra. Mihavana (13). Ny anjomara lehibe eto dia heverina ho antso. Miantso ahy sy Ianao Izy mba hiverina Aminy : Mila mihavana aminy raha te-hahazo famelan-keloka. Izany no baiko omen’ny Tompo antsika (5) « Aoka hihavana Amiko izy », eny fa na ny fahavalontsika aza dia mahazo fiarovana amin’Andriamanitra raha mihavana Aminy koa. Jesoa Kristy no mampihavana « aoka isika hanana* fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika » (Rômanina 5. 1b). Vao mandre ny hafatra avy aminy amin’ny alalan’ny famakiana ny Teniny na toriteny isika dia teren’ny Fanahy Masina hanatanteraka fanompoana Azy. Miaro : Tsy miseho ho mpitsara intsony Andriamanitra raha miverina Aminy isika. « Izaho Jehovah no mpiaro io ; isaky ny indray mipi-maso no andemako azy, fandrao misy manimba azy ; Na andro na alina dia miaro azy aho. » (Isaia 27. 3). Mampahery antsika koa ny Tompo eto fa Izy dia mandray an-tànana fiainantsika, miaro sady miahy antsika (Salamo 127. 1). Andriamanitra dia toy ireny reniakoho manangona antsika zanany eo ambany elany ireny azo antoka ny Fiarovany mafy ny fiainantsika (6) dia azo antoka ny fahavokarana tsara, ny fitahiana amin’ny vokatry ny asa hataontsika. ALATSINAINY 6 NOVAMBRA SALAMO 26 F. 2, 6 MANDEHA AMIN’NY MARINA Fahasahiana. Davida eto dia sahy manambara amin’Andriamanitra fa nanao ny marina, tsy niaraka tamin’ny olon-dratsy mpamono olona na mpanao kolikoly (1). Sahy izy miteny amin’Andriamanitra mba handinika sy hitsara ny ao am-pony. Fantany fa ny Tompo dia mahita izay rehetra miafina tsy miloaka any anaty any. Na dia manao ny marina aza i Davida dia toa mahatsapa ihany izy fa nanana fahadisoana ka nangataka famindrampo tamin’ Andriamanitra (11) Avoty aho ary hamindrao fo. Nitalaho koa izy mba tsy atao ho lasitra iray amin’ny mpanao ratsy sy ny mpihatsaravelatsihy (Salamo 28. 3). Fiderana. Tia manao fiderana ireo olona mitoetra eo ambany fanatrehan’Andriamanitra. Mahatsapa ny voninahitr’Andriamanitra eo amin’ny fiainany izy ireo ka manambara ny fahagagana nataony. Fantany koa fa Andriamanitra dia manana fahefana, ary Tompon’ny aina ary dia mahatoky Azy tanteraka. Fanontaniana : Manao ahoana ny fitiavansika mitoetra amin’ny làla-marina tahaka an’i Davida ? Tia manao ny sitrapon’Andriamanitra ve ? Tia mitoetra eo amin’ny fanatrehany sy tia mamonjy ny tranon’Andriamanitra ve ? Sahy mijoro Vavolombelona ny amin’ny fahagagana vitany teo amin’ny fiainantsika ve ? Vavaka : Tompo ô ! Ampio aho hilaza ampahibemaso ny asanao eo amin’ny fiainako amin’ny manodidina ahy. Amena. TALATA 7 NOVAMBRA SALAMO 27 F. 1, 6 MATOKY AN’ANDRIAMANITRA Mpiaro. Araka ny Salamo novakiana dia tsy misy tokony hatahorana na iza na iza satria matoky isika fa Andriamanitra no fahazavana, mpiaro sy mpiahy antsika. Miverina matetika fa tsy matahotra ny loza Davida miaraka amin’Andriamanitra. (2) Na dia misy olon-dratsy te hamono sy manafika aza dia mila matoky fa hianjera ho azy ireny fahavalo ireny. Manoloana ny tsi-fandriampahalemana eto amin’ny firenena, tena matoky an’Andriamanitsika 100% tokoa ve isika ? Tsara ho tadidiana fa Andriamanitra no Famonjena ho antsika (10) Fantatr’i Davida koa fa na dia mety handao aza ny raiamandreniny dia Andriamanitra no efa handray azy sy hikarakara azy. Azontsika hianarana izany toetran’i Davida izany. Fiainana : Iray ihany no fanirian’i Davida dia ny hitoetra ao an-tranon’i Jehovah mandrakariva amin’ny andro rehetra iainany. Hany ka mitalaho mafy izy mba tsy hanafina ny tavany aminy Andriamanitra (9) satria fantany fa raha ilaozan’Andriamanitra izy dia tsy mety ny fiainany. Asaina koa isika hahay hankafy ny hatsaran’Andriamanitra, ho tia mangataka ny torolàlany mandrakariva alohan’ny hanaovan-javatra. Aoka isika ho sahy manandratra ny Tompo manoloana ny fahavalo ka hidera sy hankalaza ny Anarany fa tsy sanatria rehefa mahazo izay iriantsika aminy isika dia hidera tena. Hafatra : (14) Miandrasa, manantenà an’i Jehovah, matokia Azy ary aoka hahery ny fontsika. ALAROBIA 8 NOVAMBRA MATIO 26. 1-16 F. 1, 2 NY FITIAVAN’I JESOA Mbola manantitra amin’ny mpianany indray ny zavatra hitranga i Jesoa. Tsy mihemotra rahateo Izy amin’izay làlana fantany fa sitraky ny Ray na dia efa tsinjony aza fa fahoriana tsy roa aman-tany no hianjady Aminy. Mahery loatra ny fitiavana antsika tao anatiny. Ny lohan’ny mpisorona sy ny synedriona. Miha-miroso manamasaka ny teti-dratsiny izy ireo satria i Jesoa rahateo tsy mihemotra amin’ny antsony mampianatra sy manasitrana ny olona ary mahazo vahoaka be manaraka azy noho izany. Arehitry ny fialonana lalina izy ireo ka efa mivonona handatsa-drà tsy manan-tsiny mihitsy akory. Vavaka : Tompo ô fohazy ny fanahiko ho tonga saina raha sendra mikiry biby amin’ny làlana tsy ankasitrahanao aho. Amena. Maria. Fihetsika tena nanana ny lanjany manokana teo amin’i Jesoa ity nataon’i Maria. Takatr’i Maria ve hoe izany no isan’ny hevitra fonosin’ity fihetsiny ity. Famporisihana antsika izao mba tsy voasakantsakan’ny mety hoe fiheveran’ny olona fa ny fihetsika mety ho kely indrindra aza ataontsika dia omen’i Jesoa lanjany tena sarobidy hatrany. Ny mpianatra. Fanakianana tsotra izao no nataon’ny sasany amin’ireo mpianatra. Tsy mahatakatra ny sitrapon’Andriamanitra sy ny vanimpotoana misy. Fanontaniana : Ianao ve olona feno fankatoavana Andriamanitra sa irony karazan’olona tsy mahita afa-tsy zavatra ho kihaninairony ? Jodasy. Fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra. Izy io anefa indraindray tsy miharihary fa toa misarontsarona ao ambadika hevitra toa marim-pototra nefa misy lainga mihitsy aza. Miambena tsy ho tratrany ! ALAKAMISY 9 NOVAMBRA MATIO 26. 17-30 F. 1,2 FIHINANANA NY PASKA Mangataka asa. Faka-tahaka ary maha-te hidera ny nataon’ny mpianatra eto. Tsy miandry baikoina fa mahafantatra ny tokony hataony kanefa dia mangataka tari-dàlana amin’ny Tompo hatrany fa tsy manao izay saim-patany fotsiny. Maha-te hidera koa ny fankatoavan’izy ireo ny tenin’i Jesoa. Mandamina mialoha. Efa nialoha ny mpianatra anefa i Jesoa ka efa nahita, nanomana mialoha hoe aiza no hihinanany ny paska miaraka amin’ireto mpianany. Eo amin’ny fanompoana ataontsika dia efa mialoha antsika ny Tompo amin’izay anirahany antsika fa aza be fanahiana na be tahotra ! Mpiara-miasa amin’i Jesoa. Manolotra malalaka ny tranony ity olona ity, izay tsy fantatra, tsy ampahafantarina antsika hoe iza izy… Fanetrentena koa izany. Tsy tahaka ny sasany izay manao izay hahafantarana hatrany ny asa soa ataony. Ahoana hoy i Jesoa : Izay ataon’ny tànanao ankavanana, aza atao fantatry ny tànanao ankavia ! Miala nenina amin’i Jodasy. Tsy izany ve izao ataon’i Jesoa izao mamaky bantsilana eo amin’ny samy mpianatra hoe hisy hamadika ahy ny iray aminareo ? Tiany ho tonga saina i Jodasy kanefa ity farany dia mbola nametra-panontaniana hoe : izaho va izany Raby ô ? Hodiany tsy fantatra ve sa tena tsy mahatakatra mihitsy izy ? Fanontaniana : Inona no asetrinao ny fiala-nenina ataon’i Jesoa aminao ? Mandroso hatrany. Na dia teo aza ny famadihan’i Jodasy dia tsy nanakana an’i Jesoa velively tsy handroso hanolotra ny tenany ho sorona mba hahazoantsika famelan-keloka Izy. Ny fihinanana ny nofon’i Jesoa sy ny fisotroana ny ràny dia midika firaisan’aina tanteraka Aminy. Efa miray aina marina Aminy tokoa ve ianao ? ZOMA 10 NOVAMBRA MATIO 26. 31-46 F. 1, 2 ORAN’NY ADY Taorian’ny hira fiderana - fa tsy hira fahalahelovana na dia ora manjombona aza no nolalovana - dia hanao fanambarana amin’ireto mpianany i Jesoa. Lokalokan’i Petera. Samy manana izao hetahetan’i Petera izao daholo angamba isika raha teo amin’ny toerany saingy manao ahoana tokoa isika rehefa tena ao anatin’ny ady ? Fantatr’i Jesoa avokoa ny fahalavoantsika, na ny lasa na ny hoavy koa aza dia fantany tsara… Ambarany amin’i Petera ny sombitsomby amin’ny hoaviny dia ny fahalavoany, mba hahatonga azy tsy hitoky amin’ny heriny sy ny hafanampony fotsiny ihany fa tena hiankina amin’ny Tompo izay manome hery antsika hijoro amin’ny fotoana rehetra. Sao dia ho lasan-ko vavany fotsiny toy ny haron-tabebaka manko isika. Getsemane. Mila fanohanana am-bavaka Jesoa anatin’izao ady mamay izao. Sarobidy tokoa ny fananana izany hoe mpiombom-bavaka izany mba hifanohana amin’izao andro sarotra izao. Ny olona ao anatin’ny torimasom-panahy dia tsy mahatsiaro ny hasarobidin’ny vavaka. Raha tsy mitolona am-bavaka koa anefa dia tsy hifoha amin’izany torimasom-panahy izany mihitsy koa. Fanontaniana : Manana namana hifampizaràna toa izany koa ve ianao ? Mahatoky amin’ireny fizarana antom-bavaka omen’ny hafa antsika ireny koa ve ? Aoka ny sitraponao ho hatao. Ahitantsika mazava ny fankatoavana teo amin’i Jesoa ity tantara ity. Tsy mora taminy ny nandroso ho amin’izao làlan’ny hazofijaliana izao. Nataony izany ho fankatoavana ny Ray kanefa koa noho ny fitiavany antsika. Nianatra fanarahana tamin’ny fahoriana nentiny tokoa Izy. SABOTSY 11 NOVAMBRA MATIO 26. 47- 56 F. 1, 2 SAMBORINA JESOA Jodasy. Fa inona loatra re no nitranga no dia tonga tamin’izao toerana izao i Jodasy ? Tena efa mafy ny fony ka tsy nahita ny tolo-tànana nomen’i Jesoa azy izy hampifoha ny sainy. Tsy tongatonga ho azy izao fa nisy zavatra efa nikotrika tao am-pony fotoana ela izy io ary izao vao hita miharihary. Tsy tena an’i Jesoa ny fony. Ny hitantsika dia mbola nisy fitiavam-bola tao anatiny tao. Mety nisy ihany koa zavatra maro tsy niombonany hevitra tamin’ny fampianaran’i Jesoa. Ny vahoaka. Mora tokoa ny mitarika olona ho amin’ny ratsy. Inona no nambara taminy ny momba an’i Jesoa ka nahatonga azy ireo hirohotra toy izao ? Mpitarika ratsy fanahy, tia vola, “milalao” (manipuler) vahoaka toy izao dia manimba fiainam-pirenena manontolo koa hatramin’izao androntsika izao. Jesoa. Mamerina ny olona ho amin’ny Soratra masina hatrany Izy (54, 56) ary hatramin’ny fotoana sarotra toy izao aza dia mbola ny hampianatra ny vahoaka sy ny mpianany ihany no nanery ny fony. Anteriny amin’izy ireo eto ihany koa fa manam-pahefana amin’ny anjely any an-danitra Izy (53). Mpianatra. Samy nanana ny fihetsiny : tao ny nampiasa herisetra : Baiko mipetraka hatramin’izao anefa, tokony hatao tsianjery dia ny hoe : Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao ! Na oviana na oviana alaim-panahy isika hiady aman’olona, na tsy hampiasa sabatra aza fa amin’ny teny fotsiny, dia tsarovy io baiko io. Nisy koa tamin’ireo mpianatra anefa ny tonga dia nitsoaka tsotra izao. Toa fahendrena ihany izany raha heverina satria sady tsy afaka hanohitra angamba hoy izy ireo. Fanontaniana : Iza amin’ireo ianao ? Soratra masina ho an’ny herinandro Matio 26. 52 ALAHADY 12 NOVAMBRA MATIO 26. 57-68 F. 2 SARITSARIM-PITSARANA Izany no hitantsika kanefa dia fahefam-pivavahana ity manao izany ity. Raha ny fitsaran’ny tany dia tsy mahagaga loatra – kanefa dia mampalahelo – raha ahitana an’izany. Mpitarika ara-pivavahana anefa ireto mitady fomba hiampangàna lainga ireto. Adinon’izy ireo tanteraka ny didy milaza hoe : aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao (Eksodosy 20. 6). Mamilana resaka. Izay sisa no azon’izy ireo natao mba hitondrana ho amin’ny fanamelohana an’i Jesoa. Niteny tokoa Jesoa hoe ravao ity tempoly ity fa haoriko indray ao anatin’ny hateloana (Jaona 2. 19-20). Inona anefa no heloka amin’izany ? Azo inoana fa vitan’i Jesoa izany raha tena ho noravana tokoa ny tempolin’i Jerosalema ka hoe hatsangana ao anatin’ny hateloana saingy ho hitan’izy ireo ny ho fahatanterahan’izany sy izay tena heviny tokoa. Izaho no Kristy. Nanamafy ny fahamarinan’izany i Jesoa ary dia izay no nahatonga azy ireo hanamafy ny tokony hanamelohana Azy ho faty. Io no nosokajian’izy ireo hoe blasfemia satria aminy dia tsy tokony amin’izao endrika izao mihitsy no hahatanteraka ny teny fikasana hahatongavan’ny Mesia. Tsy tokony ho olona hatera-behivavy izany, tsy tokony ho mpandrafitra ny rainy, tsy tokony ho avy any Galilia... Ankoatry ny fialonana izay tena nanimba tanteraka ny fahafaha-madanjalanja tao amin’izy ireo. Fanontaniana : Sao dia misy toy izany koa eo amin’ny fomba fihevitrao eo ka mahatonga anao tsy hisokatra amin’ny fahamarinan’Andriamanitra satria misy zavatra efa hitompoanao teny fantatra ? Herisetra maimaimpoana. Tena miseho ny faharatsian’ny olombelona. Na toa inona na toa inona mety ho heloka dia rariny ve ny hampiasàna herisetra toa izao ? ALATSINAINY 13 NOVAMBRA MATIO 26. 69-75 F. 2 FANDAVAN’I PETERA Naniry mafy ary niezaka hihazona ny lokalokany i Petera saingy indrisy ! Tsy misy tsy ho tanteraka ny teny rehetra nambaran’i Jesoa. Vokatry ny tsy fiomanana am-bavaka raha nisy fotoana ho amin’izany izao faharesena miezinezina hitantsika izao. Araraoty ny fotoana ahafahana miomana am-bavaka mialohan’ny hiatrehana ny ady. Toy izany mihitsy dia tokony hiomanana tsara am-bavaka isika isa-maraina (ny an’i Jesoa dia marain’alina) mialohan’ny hiatrehana ny ady mandritry ny andro raha te hivoaka ho mpandresy. Manararaotra ny hirika. Ny fahafantaran’ny olona ny maha- an’i Jesoa antsika dia hirika ahazoantsika mijoro ho vavolombelona eo amin’izy ireo hoe iza tokoa moa ity Jesoa arahintsika ity. Raha izay tokoa moa i Petera ka tsy natahotra fa avy hatrany dia niteny hoe : tena mpianany mihitsy aho dia tantaraiko aminareo ny zavatra nataony rehetra hatramin’izay hitan’ny masoko.... Inona re no mety ho vokany e ? Fa ny tahotra no tao amin’i Petera dia kisary hafa mihitsy no naterak’izany tao an-tsaina hany ka nandainga no nataony. Fampaherezana : 2 Timoty 1. 7-8. Naneno ny akoho. Io no nampahatsiaro ny Tenin’i Jesoa. Eny amin’ny làlantsika eny dia misy foana ny zavatra ataon’ny Tompo mampahatsiahy antsika olony hiverina amin’ny Teniny sy ny sitrapony. Ireny no mampiaiky antsika mazàna hoe mahagaga ilay Andriamanitra hivavahantsika. Nitomany mafy. Tsiahivina ny tenin’ny Apostoly Paoly hoe : «ny alahelo araka an’Andriamanitra miasa fibebahana ho famonjena tsy hanenenana fa miasa fahafatesana kosa ny alahelon’izao tontolo izao». 2 Korintianina 7. 10. TALATA 14 NOVAMBRA MATIO 27. 1-10 F.2,6 TOE-PO RATSY Fankahalana (1-2). Tsy mamela mahazo mihitsy ireo mpanenjika an’i Jesoa fa tahaka ny liona nahazo remby ao am-bavany. Ny hamono an’i Jesoa no tanjona (Matio 26. 66). Tsy afaka manao izany anefa izy ireo satria lasa faritany rômanina i Jodia, ka nesorina tamin’ny Synedriona, fitsarana fara-tampony teo amin’ny Jiosy, ny fahazoana manameloka olona ho faty. Noho izany dia rehefa voaheloka ho faty Jesoa dia fanombohana teo amin’ny hazo fijaliana, izay fomba rômanina, no nihatra taminy fa tsy fitoraham-bato izay fomba jiosy. Inona ary no nataon’izy ireo mba hialana amin’izay ? Natolony an’i Pilato, governora rômanina Izy. Mety mihatra amintsika mpino koa ny fankahalana toy izany. Inona kosa ary no mety avalintsika ? Fahamoizam-po mitondra any amin’ny helo (3-5). Tsy araka ny niheveran’i Jodasy azy ny fandehan’ny raharaha. Nanenina izy, nahatsiaro fa namadika rà marina dia naveriny ny vola, ary nanaton-tena satria tsy nihevitra fa misy ny famelan-keloka. Very ny vola, maty ny tena, ny fanahy very ! Famonoan-tena ve ? Tsy vahaolana mihitsy, na inona na inona zavatra mafy handalovana. Fitaovana ampiasain’ny devoly mantsy io hisarihana ny olona any amin’ny helo. Tsy vita hatreo amin’ny fahafatesana mantsy ny fiainana, fa mbola hisy ny fitsarana aoriana (Hebreo 9. 27). Dia ho voaheloka tokoa, satria mamono olona ny mamono tena, ary ny mpamono olona tsy mandova ny fanjakan’Andriamanitra. Tsy te-hahalala (6-14). Tsy nisy fitserana an’i Jodasy akory ireto mpisoronabe sy loholona fa tsy noraisiny ary nividianany fandevenam-bahiny ilay volafotsy telopolo. Mihevitra izy ireo fa nahomby ny tetika, kanefa ny Tompo ny ao ambadika ireny hahatanteraka ny faminaniana (Zakaria 11. 12-13). ALAROBIA 15 NOVAMBRA MATIO 27. 11-26 F. 1 FITSARAN’I PILATO Fanadihadiana (11-14). «Ianao va no Mpanjakan’ny Jiosy ?» «Voalazanao». Valinteny tsotra tsy miolikolika no nataon’i Jesoa. Nahoana ? Efa nambarany izany tamin’i Kaiafa mpisoronabe (26. 64), koa tsy ilaina intsony ny fifandaharana mikasika izany. Efa roso ny diany ho amin’ny làlan’ny hazofijaliana, hamonjy ny olona amin’ny fahotana : «Ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.» (Marka 10. 45). Raha isika no endrikendrehina tahaka an’i Jesoa, mba ahoana ny ataontsika ? Tsarovy ny fitiavan’i Jesoa : maty hamonjy antsika Izy ! Safidy ratsy (15-26). Nihevitra i Pilato fa mitovy hevitra aminy ny vahoaka, satria fantany fa tsy meloka Jesoa (18-19), dia nanontany : «Iza moa no tianareo halefako ho anareo ? Barabasy, sa Jesosy ?»(17). Indrisy, vahoaka efa voavolavola tamin’ny fankahalana Ilay Marina no nisafidy hanafaka ny olo-meloka, dia Barabasy, ary hanameloka kosa Ilay Marina, dia Jesoa Kristy (20-23). Voasarika hisafidy ny ratsy ny vahoaka. Noho izany, tsy marim-pototra ilay fiteny hoe : «Feon’ny vahoaka, feon’Andriamanitra». Loza ny vokatr’izany fa nanozon-tena sy nanozona ny taranany koa izy ireo (25), izay misy vokany tokoa mandrak’ankehitriny. Nilefitra i Pilato ka nanameloka an’i Jesoa na dia nosakanan’ny vadiny aza. Tsy te ho ratsy eo anatrehan’ny olona mantsy izy, ka dia nanao safidy tsy mandresy lahatra azy akory. Filàn-tsitraka aman’olona no nibahana tao aminy, na dia fantany tsara aza fa fialonana sy fankahalana no anton’ny fitsarana an’i Jesoa. Mbola hita sy iainantsika ny toe-tsaina feno fahalovana toy izany. Fanontaniana : “Mijoro amin’ny fahama-rinana ve aho any amin’ny sehatra rehetra misy ahy ? Any am-piasàna…?” ALAKAMISY 16 NOVAMBRA MATIO 27. 27-44 F. 6, 7 MISEDRA FAHORIANA MAFY Tsy nanohitra (27-37). Loza ny nataon’ny miaramila an’i Jesoa : fanarabiana, fanesoana, fanaovana tsinontsinona, fandrorana, fikapohana. Hita amin’izany ny fankahalàna, tsy fitiavana, ny habibiana. Fa nahoana no mangina Andriamanitra ? Fa maninona Jesoa no tsy nanohitra ? Efa voasoratra fa «Nataon’i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra… sitrak’i Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy… Nampahorina Izy, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava, dia tahaka ny zanak’ondry entina hovonoina ….» (Isaia 53. 6, 7). Raha ny fijerintsika dia tena tsy rariny izao nihatra taminy izao. Navela hisy anefa izao noho ny fitiavany ahy sy ianao ! Tiany isika fa ny fahotantsika no halany, ary izany no nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana hitondra ny fahotantsika. Niaritra fakam-panahy (38-44). Tao anatin’ny fangirifiriana mafy ny nofony, kanefa mihatra Aminy koa ireo fanaratsiana sy fanarabiana ary fandatsana nataon’ireo izay nijery azy voahombo teo amin’ny hazo fijaliana.Toa zava-marina no nolazain’ireo : «Ity no Jesosy, mpanjakan’ ny jiosy. vonjeo ny tenanao. Raha Zanak’Andriamanitra Hianao, midìna hiala amin’ny hazofijaliana…dia hino Azy izahay; aoka Izy hamonjy Azy ankehitriny, raha ankasitrahany Izy». Tsy vitan’i Jesoa ve no niala teo ? Tena vitany tokoa, ary izay ilay fakampanahy be nihatra taminy. Nahatohitra ny fakam-panahy Izy, ary niharitra hatramin’ny fahafatesana, mba hahatanteraka ny fikasan’ny Rainy, dia ny famonjena izao tontolo izao. Mby aiza ho aiza isika manoloana ny fakam-panahy ? Volabe aroson’ny olona amintsika ohatra mba hanakimpiatsika ny masontsika amin’ny zavatra tsy marina. Indrisy ! zavatra tsy mihatra aman’aina akory aza dia efa resy isika ! (Jakoba 1. 12-13). Fampieritreretana : Tsapantsika ve ny niaretan’i Jesoa mba hamonjena antsika ? ZOMA 17 NOVAMBRA MATIO 27. 45-56 F. 4, 5, 7 ANTSO TEO AMIN’NY HAZOFIJALIANA Antso mahatsiaro fandaozana (45-49) Teo amin’ny fotoana farany nahaveloman’i Jesoa, dia zava-mahagaga no niseho : maizina ny tany aman-danitra mandritry ny adiny telo (45). Niantso tamin’ny feo mahery Jesoa, antso maneho fa nafoin’Andriamanitra Rainy tanteraka Izy (46). Nitambesatra teo Aminy mantsy ny aizim-pahotantsika olombelona, izay efitra nampisaraka antsika mpanota amin’Andriamanitra masina «Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo»(Isaia 59. 2). Mafy tamin’i Jesoa sy ny Rainy izao toe-javatra izao, kanefa izay ihany no làlana tokana hamonjena antsika ho afaka amin’ny fanandevozan’ny ota. Inona no avalinao izany fitiavana lehibe izany? Fanohizana fampahoriana an’i Jesoa amin’ny fanao ratsy (48) sy fanesoana Azy (49), toy ny nataon’ireo Jiosy fahizay ve, sa fibebahana ho amin’ny famonjena ny fanahy very ? Izy no làlana. Antso manokatra ny làlana ho amin’ny tena fiainana (50-56) Niantso fanindroany sady farany i Jesoa (50) : “Raiko ô, eo am-pelatananao no atolotro ny fanahiko ” (Lioka 23. 46), dia tapitra ny ainy. Niaraka tamin’ izay dia nizara roa tanteraka ny efitra lamba tao amin’ny tempoly (51a), porofo maneho fa ny fahafatesan’i Jesoa no manokatra ny làlana hiverenen’ny olona amin’Andriamanitra. Nihorohoro ny tany, ka nisy fatin’ny mpino maro natsangana taorian’ny nitsanganana’i Jesoa (51b-53), satria fiainana no tanjon’ny fahafatesan’i Jesoa. Manoloana izany dia tao ireo resy lahatra fa tena Zanak’Andriamanitra Jesoa (54), dia Ilay Andriamanitra tonga nofo. Vavaka : «Jeso ô, ampio aho mba tsy hanao tsinontsinona ireo antso nataonao teo amin’ny hazofijaliana, ka hanaiky fa ao Aminao irery no misy fanafahana sy tena fiainana». SABOTSY 18 NOVAMBRA MATIO 27.57-66 F. 1 MANOLOANA NY FAHAFATESAN’I JESOA Ireo mpianatra vitsivitsy (57-61). Maty Jesoa. Tsy hita ireo mpianatra 11 lahy izay azo lazaina ho tena akaiky Azy. Olona telo kosa no sahy niseho sy ambara fa nanompo Azy. Voalohany amin’izany i Josefa avy any Arimatia, lehilahy mpanankarena, mpianatr’i Jesoa tao amin’ny mangingina, saingy sahy nijoro nangataka ny fatiny tamin’i Pilato, na dia mety hitondra loza ho azy aza izany. Inona no vokany ? Nahazo alalana malalaka izy. Rehefa izany dia nokarakarainy ny fatin’i Jesoa ary naleviny tao amin’ny fasany vaovao (57-58). I Maria Magdalena sy Maria renin’i Jaona Apostoly kosa, izay nanaraka teny foana (56), dia tsy natahotra nipetraka teo anoloan’ny fasana (61). Marina tamin’izy ireo ny teny ao amin’ny I Jaona 4. 18a manao hoe : «Tsy manan-tahotra ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra”. Hatraiza kosa ny fitiavantsika ny Tompo, ka hijoroantsika manoloana ny fanenjehana sy ny fanesoana ataon’ireo manao tsinontsinona ny finoantsika ?» Ny lohan’ny mpisorona sy ny fariseo (62-66). Tsy adinon’izy ireo ny fampianarin’i Jesoa izay nilaza ny amin’ny hitsanganany amin’ny maty afaka hateloana (62-63). Saingy indrisy fa raha tokony hino izany izy, dia nihorohoro noho ny hamafin’ny fony, ka nangataka an’i Pilato mba hanisy mpiambina mafy ny fasana sao angalarin’ny mpianatra ny fatin’i Jesoa (64-66). Raha mba fantatr’izy ireo mantsy fa tsinontsinona eo anatrehan’ny herin’Andriamanitra ny fisainany! Ny fahalalana ny Tenin’Andriamanitra tsy miaro finoana sy fankatoavana dia zava-poana tokoa! Fanontaniana : Mitondra inona eo amiko ny fahalalako ny famonjena nataon’i Jesoa Kristy teo amin’ny hazo fijaliana sy ny fitsanganany tamin’ny maty ? Soratra masina ho an’ny herinandro : Matio 26. 64 ALAHADY 19 NOVAMBRA MATIO 28. 1-10 F. 6 FOTOANAN’ANDRIAMANITRA Tanteraka ny teny faminaniana. Rehefa tena alaina sary an-tsaina dia tsy mampino ny zavatra mitranga eto. Tsy tao am-pasana intsony Jesosy, tena nitsangana tamin’ny maty tokoa ve ? Eny, tsy very akory ny fatiny na nisy nangalatra fa nitsanganko-velona Izy, vavolombelon’izany ry Maria (9). Tanteraka ny Tenin’Andriamanitra nampilazàina an’Isaia mpaminany ny amin’ny hijalian’i zanak’Andriamanitra (Isaia 53) ary tanteraka koa ny tenin’i Jesosy ny amin’ny hitsanganany indray (Marka 8. 31). Na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy tanteraka ny Tenin’Andriamanitra. Inona no teny fampanantenàna nomeny anao ? Tanterahiny amin’ny fotoany izany fa mahareta. «Ny zavatra rehetra samy nataony mendrika amin’ny fotoany avy» Mpitoriteny 3. 11. Fahendren’Andriamanitra izany. Miasa ao ambadika : Tsy nampoizin’ireto vehivavy ireto mihitsy ilay fanambaràna ny amin’ny fitsanganan’i Jesosy. Izy ireo anefa mbola tao anatin’ny alahelo, fisaonana, fitolokoana fatratra vokatry ny fahafatesan’i Jesosy. Ao ambadik’ireny vanimpotoan-tsarotra mandalo amin’ny fiainantsika ireny Andriamanitra no efa manomana voninahitra ho antsika zanany tahaka ny hita eto, fahafatesan’i Jesosy lasa fananganana, fisaonana lasa fandihizana, fahoriana lasa fifaliana. Aza kivy raha toa alina hatrany ny fiainanao, fa matoa misy ny alina dia tsy maintsy mbola hisy ny mazava. Tenin’Andriamanitra : “Efa nampody ny fisaonako ho fandihizana Ianao, efa nanaisotra ny lamba fisaonako Ianao ka nampisikina ahy fifaliana” Salamo 30. 11. ALATSINAINY 20 NOVAMBRA MATIO 28. 11-20 F. 1, 3 FIHAONANA Afa-baraka : Fahafam-baraka ho an’ny Jiosy ny fitsanganan’I Jesosy satria “iza no nanam-po?” hoy ny fitenenana, tahaka ny inona ny fanesoesoan’izy ireo an’i Jesosy nandritry ny làlan’ny hazofijaliana ? Nasaina nandainga mihitsy ny mpiambina dia notambazana vola mba tsy hanambara ny marina. Tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny fandraisana kolikoly (Eksodosy 23. 8), ny lainga (Matio 19. 18), ny fiarahana mitsikombakomba amin’ny ratsy (1 Timoty 5. 22b). Efa mandeha ho azy amin’izao tontolo izao ireo notanisaina ireo, aoka re tsy isika Kristianina indray no hanampy isa azy ireo. Tsikaritra manko ankehitriny fa na dia ny Kristianina koa aza dia efa mihozongozona . Mitady Kristianina tena sahy mijoro Andriamanitra na dia mety haningotra hatramin’ny aina aza. Hafatra farany : Voamarina mihitsy ny tenin’i Jesosy hoe «Fa ny Zanak’olona tsy mba manana izay hametrahan’ny lohany» Lioka 9. 58b. Tsy nisy fialan-tsasatra akory Izy taorian’ireny làlan-tsarotra ireny fa avy hatrany dia nitondra hafatra ho an’ny mpianatra. Hafatra mafonja ary toa mifono hevi-pisarahana indray ! Hafatra mialohan’ny hampiakarana Azy io. “Manao mpianatra, manao batisa, mampianatra hitandrina”. Fahefàna no nomen’Andriamanitra an’i Jesosy, nomen’i Jesosy ny mpianany koa izany ary ananan’ny Kristianina rehetra. Fanontaniana : Inona no tena ilofosantsika Kristianina amin’izao ? Mampatsiahy antsika Jesosy eto ny amin’ny tokony hiverenantsika amin’io iraka lehibe io. TALATA 21 NOVAMBRA SALAMO 28 F. 2, 4 MANATONA AN’ANDRIAMANITRA Vavak’i Davida. Fitalahoana fatratra, izany no anisan’ny ventin’ny vavak’i Davida teto. Tahaka ny hoe ho faty izy raha tsy mamonjy azy faran’izay haingana Jehovah. Ny toetra tsara alain-tahaka amin’i Davida dia ny fitodihany amin’i Jehovah ao anatin’ny fotoan-tsarotra. Fa eo ihany koa izy izay namoaka ny tao am-pony sy ny fahatsapany rehetra, manana zo amin’izany isika zanak’Andriamanitra ary ny Tenin’Andriamanitra mihitsy no mamporisika antsika hoe, «loary eo anatrehany ny fonareo» Salamo 62. 8b. Meritreritra manko ny Kristiana fa tokony hatanjaka foana, tsy mahazo mitomany na koa tokony hampahery tena foana nefa efa tena an-tenda ny aina. Misy fotoana isika mila atsangana fa tsy mpanangana, mila ampaherezina fa tsy mpampahery. Ilain’Andriamanitra isika mitsotra Aminy ny ao am-pontsika rehetra sy ny fahatrotrahantsika mba hanavaozany indray ny herintsika sy hamenoany ny solika fitaiza. Iza amiko Jehovah ? Noharin’i Davida tamin’ny vatolampy, ampinga i Jehovah. Saika tamin’ny Salamo nosoratany dia nahitana ireo niverimberina. Vatolampy, tena mafy, na ny maritoa aza tsy mahakapoka azy; ny ampinga indray, fitaovam-piadiana taloha, vita amin’ny firaka ka na ny zana-tsipika misy afo aza no alefan’ny fahavalo dia tsy mampihontsina ny ampinga. Tsy vitan’izay fa hoy koa Davida hoe Jehovah no “nitokian’ny foko” (7), tena akaikin’ny fony Jehovah. Fanontaniana : Aminao kosa iza Jehovah ? Jehovah mpamorona ny lanitra sy ny tany ihany ve ? Fampidirana ny epistily ho an’i TIMOTY I Paoly no manoratra ity epistily ity ho an’i Timoty izay navelany tany Efesosy mba hiandraikitra ny fiangonana tao amin’izany tanàna izany. Tamin’ny taona 63 tany ho any no nanoratana izany. Toro-làlana ny amin’ny fitondram-piangonana no hita ato amin’ny epistily amin’ny ankapobeny kanefa dia ahitana ihany koa fampaherezana mitodika amin’i Timoty manokana manoloana ny andraikitra mankadiry izay napetraka taminy. Isan’ny vain-dohan-draharaha ny miady amin’ny fampianaran-diso izay nahazo vahana tamin’izany. Ilain’ny mpanompon’Andriamanitra dinihina tokoa ireto epistily ireto mba hahafahan’izy ireo mitondra tsara ny fiangonan’Andriamanitra iandraiketany. Handray tari-dàlana ho amin’izany anie isika tsirairay avy. ALAROBIA 22 NOVAMBRA 1 TIMOTY 1. 1-11 F. 2, 3, 6 RARAO NY FAMPIANARAN-DISO Mizara asa. Lehibe ny sahan’ny asan’Andriamanitra ka tsy vitan’olon-drery. Tsy maintsy nametraka fitokisana tamin’i Timoty i Paoly. Mianatra mamindra andraikitra, mianatra matoky ny hafa ihany koa. Izany no ataony eto. Fanontaniana : Nandimby an’iza ianao ary iza no handimby anao eo amin’ny asa fanompoana ? 2 Timoty 2. 2. Mandrara ny fampianaran-diso. Io no iraka mipetraka amin’i Timoty. Nahoana no raràna izy ireo ? Hampifoha fitiavana, fitiavana avy amin’ny fo madio sy avy amin’ny fieritreretana tsara, ary finoana tsy mihatsaravelatsihy (5). Misy ireo mifikitra amin’ny anganongano sy tantaram-pirazanana (Jereo Genesisy 4-5 ; 10-11), ao koa ireo mampianatra ny Lalànan’Andriamanitra (Jereo Galatianina 3. 10-12 , 19-24) nefa tsy fantany velively ny zavatra lazainy sy itompoany, izany hoe tsy mahay manakatra ny tena sitrapon’Andriamanitra voarakitra ao amin’izay voasoratra. Mila mailo ny kristianina satria mandrak’ankehitriny dia tsy mitsaha-mitombo ny karazana fampianarana misarika sy mandresy lahatra olona maro nefa tena fampianaran-diso tsy mampandroso ny finoana. Mitaky fahalalana ny sitrapon’Andriamanitra manontolo ao amin’ny Soratra Masina izany fa tsy andininy vitsivitsy notsongaina tetsy sy teroa (tsy nodinihina ny iantefany, ny antony… na ny “konteksta”) no hanorenana fampianarana. Lalàna sy ny famonjena. Tsara ny lalàna fa tsy natao ho an’izay efa nohamarinana maimaimpoana ao amin’i Kristy ka voavonjy. Ny fampianarana rehetra atao dia tokony hifanaraka ny Vaovao Mahafaly : «Eny fahasoavan’Andriamanitra no namonjena anareo, tamin’ny alalan’ny finoana ! Ary tsy avy aminareo izany famonjena izany, fa fanomezan’Andriamanitra ; tsy vokatrin’ny ezaka vita, fandrao hisy hirehareha» ( Efesianina 2. 8-9 Diem). Saintsaino : Kristy no fanantenantsika ary Andriamanitra no loharanom-pahasambarana. ALAKAMISY 23 NOVAMBRA 1 TIMOTY 1. 12-20 F. 2, 3 FISAORANA AN’ANDRIAMANITRA NOHO NY FAHASOAVANY Ho tohin’ny resaka nataon’i Paoly teo aloha mikasika ny lalàna sy ny famonjena dia anteriny fa tena mpanota tokoa ny kristianina ary izy dia isan’izany saingy Jesoa Kristy kosa tonga namonjy ny mpanota. Fankasitrahana. Antony tokony isaorana lalandava ny Tompo : namindrany fo aho na dia tsy mendrika aza, ataony mahatoky aho ka notendreny hanompo Azy, manome hery Izy hahatontosako ny fanompoako. Ny Tompo no nampidina ny fahasoavany manana amby ampy, ny finoana sy ny fitiavana ananantsika tafaray amin’i Kristy. Tsarovy fa Andriamanitra no loharano sy ivon’ny zavatra rehetra. Manamafy ny fijoroana vavolombelona ataon’i Paoly fa «Tonga tety an-tany i Kristy Jesoa hamonjy ny mpanota » farahidiny toa azy ka nanehoany ny faharipony rehetra. Mampahatsiahy ny Tenin’ny Tompo : « Tsy avy hiantso ny marina aho fa ny mpanota hibebaka, tsy ny finaritra no mila dokotera fa ny marary… ». Izany no Vaovao Mahafaly ho an’izay mino ka handova ny fiainana mandrakizay. Dera, laza , hery, haja ho an’ilay Andriamanitra tokana, Mpanjaka mandrakizay ! Mitozo amin’ny finoana. Mampahery an’i Timoty i Paoly mba haharitra satria tena misy tokoa ireo mihemotra. Efa nataon’Andriamanitra avokoa ny zavatra rehetra. Ny anjarantsika : miady ny ady tsaran’ny finoana, mitana ny finoana, mihaino tsara ny feon’ny fieritreretana mba tsy ho rendrika ny finoana. Natolotro an’i Satana. Ny tian’i Paoly ambara dia noroahina tsy ho isan’ny fiangonana izy ireo noho ny fampianaran-diso ataony na toe-piaina tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra nataony. Saintsaino : Ny olona tsy manam-pinoana dia tsy mahalala izay ataony. ZOMA 24 NOVAMBRA I TIMOTY 2. 1-15 F. 3, 6 NY TOE-PIAINANA KRISTIANINA Mila mivavaka, mifona, ary misaotra an’ Andriamanitra mandrakariva ho an’ireo manam-pahefana sy ny olona rehetra ny kristianina tsirairay (1). Izany no atao, dia mba hananan’ny mpanapaka fahendrena (Ohabolana 3. 13a) ka hiasa amin’ny tahotra sy ny hovitra an’Andriamanitra amin’ny fanatontosàny ny andraikiny (Filipianina 2. 12-14). Izany dia tena ankasitrahan’Andriamanitra tokoa (3), hitondra fiadanana sy fahamaotinana ho an’ny vahoaka entiny (2b). Jesosy Kristy Fahamarinana, nanolotra ny ainy ho avotra hisolo antsika, dia te-hanome fiainana feno fahasambarana ho antsika (4-6), raha mampanjaka tanteraka Azy eo amin’ny fiainantsika isika (Salamo 33. 12). Ny lehilahy no ho mpitarika, hitaona ny olona hivavaka sy hampiseho fitiavana (8). Ny vehivavy kosa, tsy hirentirenty hanintona maso, na hisalovana ny andraikitry ny lahy ka sanatria hiteraka fahatafintohinana ho an’ny hafa, fa hitoetra amin’ny fahamaotinana sy ny fanajàna ary ny fahanginana izy, mba ho mendrika tokoa. Mivavaka sy manetry tena ary mipetraka amin’ny toerana sahaza sy tokony ho azy izy (9-14), mba ahitàny fitia amin’Andriamanitra raha mankatoa ny teniny sy maharitra amin’izany izy (15). Hafatra : Izaho sy Ianao dia miaina ny famindrampo sy fiadanana avy amin’i Kristy Jesosy, izay nomeny antsika maimaimpoana. Koa ‘ndeha hilofo tahaka an’i Paoly sy Timoty, hivavaka sy hitory an’Andriamanitra Fitiavana sy Fahamarinana ary Mpamonjy amin’ireo izay tsy mbola nandray Azy.(Jaona 15. 16 ; Marka 16. 20 ; II Timoty 1. 6-8a). SABOTSY 25 NOVAMBRA I TIMOTY 3. 1-16 F. 2, 3 NY TOETRA MENDRIKA NY OLOM-BOAFIDY Tena mahafaly sady ankasitrahan’Andriamanitra tokoa ny olona manana faniriana tsara hanompo Azy (mpitandrina, diakona) (1-8a). Modely tsara alain-tahaka izany hoe mpanompon’Andriamanitra izany ka mampitsiriritra ary tena mampangetaheta ireo kristianina maro tokoa ny mba ho isan’izany sokajin’olona manompo izany. Tsy ataotao foana anefa izany asa fanompoana izany, fa tsy maintsy olona efa voazaha toetra tsara izy. Tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, mendrika, hendry, be fitiavana, mandefitra, mahay mitondra olona, matotra, mahalala onony,… ho an’izay ho mpitandrina (2-7); maontina, hentitra, tsy ho mora voataona amin’ny filàn-dratsin’izao tontolo izao. Raha fehezina, dia manamasin-tena, miezaka mitàna ny fahamarinana,… ho an’izay ho diakona (8-13). Ny olom-boafidy hanao ny asa fanompoana an’Andriamanitra, dia tokony ho modely hotarafin’ny olona rehetra, amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, mba tsy hanalàm-baraka ny anarany (I Timoty 4. 12b; II Korintianina 7. 1). Fehiny : Ny olona manana zotom-po ka manaiky hanompo an’Andriamanitra amin’ny fahamendrehana sy ny faharetana, dia azo antoka fa hanana anjara lova sarobidy ao amin’i Krity Jesosy rahatrizay; manahaka sy mitafy ny toetra nasehon’ny Tompo fony Izy tety an-tany, izay ezahana ho toriana sy inoana eto amin’izao tontolo izao, tahaka izay maha-Izy Azy koa any an-danitra (15-16). Soratra masina ho an’ny herinandro : 1 Timoty 1. 12 ALAHADY 26 NOVAMBRA 1 TIMOTY 4. 1-16 F. 2, 5 MAMPORISIKA AN’I TIMOTY I PAOLY Rehefa mihemotra amin’ny finoana ny olona iray dia lasa manaiky ny fampianaran’ny demonia. Henjana be ny hikilasian’i Paoly azy. Misy zavatra vitsivitsy ambarany momba ny zavatra ampianarin’ireo : Inona avy izany ? (3-4) Santionany ihany ireo fa amin’izao androntsika izao dia misy mihitsy ny zavatra hafahafa izay hita ho fanaon’ny fiangonana sasany ka ilàna fitandremana fatratra. Manala ny olona amin’ny fahasoavana ny sasany fa mamerina azy indray ho amin’ny fombafomba izay tsy tena mitera-boka-tsoa akory. Toe-panahy araka an’Andriamanitra. Tahaka ny fampiasàna ny tena, dia mila fizàrana ihany koa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra fa tsy tongatonga ho azy. Mila famolahan-tena izany fa tsy mandeha ho azy ho antsika. Aoka tsy hisy hanao tsinontsinona (12). Amin’ny maha-tanora an’i Timoty dia mety hisy ireo zokiolona mety hanivaiva azy hoe zaza vao omaly... sns... Mety ho izy mihitsy koa no hanana fiheverana ny tenany ho ambany noho ny maha-zandriolona azy. Ahoana no fomba handresen-dahatra azy ireny hoy i Paoly ? Ny fitondrantena ! Izany koa no nampahatsiahivin’i Petera ireo olona nanoratany tamin’zany (1 Petera 3. 13-17). Famakian-teny, fananarana, fampianarana. Tsy afa-misaraka ireo. Raha te-hitombo amin’ny finoana ary haharitra amin’izany ny olona iray dia tsy tokony hihanona fotsiny amin’ny fihainoana ny toriteny ny fampianarana hataon’ny hafa fa izy mihitsy no mila mitrandraka ny haren’ny Tenin’Andriamanitra. Tsy voatokana ho an’ny olom-bitsy velively akory ny fifehezana ny Tenin’Andriamanitra fa tena tokony hilofosan’ny kristianina tsirairay avy mihitsy. Fanontaniana : Manokana fotoana ho amin’izany ve ianao ? ALATSINAINY 27 NOVAMBRA 1 TIMOTY 5. 1-16 F. 3, 6 MPITONDRATENA Ny momba azy ireo no tena resahin’i Paoly betsaka eto amin’ity ampahany vakiantsika ity. Andriamanitry ny mpitondratena sy ny kamboty manko Andriamanitra ary ny fiangonana dia tànan’Andriamanitra hiahy ireny madiniky ny Tompo ireny. Misy fepetra vitsivitsy apetrak’i Paoly anefa eto satria tsy tokony handeha gaboraraka fotsiny ny asan’Andriamanitra ka hanararaotan’ny sasany (13-14) na koa tsy hampandray andraikitra ny hafa ihany koa (4, 16). Mila avahana tsara ny vary sy ny tsimparifary, ny vary sy ny akotry. Adidin’ny zanany. Isika malagasy dia mametraka ihany koa fa manana adidy valim-babena ny ankizy amin’ny raiamandreniny. Toe-panahy araka an’Andriamanitra rahateo izany ary amporisihan’izao Tenin’Andriamanitra izao. Tsy izany rahateo ve no fonosin’ny didy hoe manaja ny rainao sy ny reninao ? Amin’ny fahavelomany anefa no tokony hanaovana izany fa tsy tahaka ny fanaon’ny sasany hoe efa maty vao hoe fonosin-damba sy hanaovana ity fomba tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra rehetra ity. Mpitondratena antitra, tanora. Toetra na fanao roa singanin’i Paoly eto : fahalainana sy fandehandehanana mitety trano. Mety mpahazo ny olona sasany amin’izao andro izao tokoa ve ireo sa zavatra tamin’izany andron’i Paoly izany ihany ? Inona kosa no tena mety mamatotra ny vehivavy maro amin’izao andro izao koa ? Inona no fandraisana andraikitra mety azon’ny fiangonana hatao ? Mino tsara : Miahy ny ankohonako na ny fianakaviako mpitondratena ve aho ? Inona no toetra na fanao tsy manome voninahitra an’Andriamanitra eo amiko ka ilàko fibebahana satria fiviliana manaraka an’i Satana izany (15) ? TALATA 28 NOVAMBRA 1 TIMOTY 5. 17-25 F. 3, 6 NY LOHOLONA Miahy loholona. Manana adidy amin’ny olona mampianatra azy ny ampianarina ny Soratra Masina. Any amin’ny Galatianina dia mazava ny baiko sy fanentanana nomen’i Paoly ihany hoe : « Aoka izay ampianarina ny teny hahafoy zava-tsoa ho an’izay mampianatra izany ! » (Galatianina 6. 6-10). Marina tsy faritantsika ho karama ireny atolotsika ireny mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra ireny ary izay no hanomezantsika azy mihoatra noho izay fihevitry ny olona aza. Tsy manavakavaka. Eo imason’Andriamanitra dia mitovy daholo ny olona. Tsy miankina amin’ny volo-kodiny na sarangany na ny fananany ihany koa. Nampitandrina ny amin’izany i Jakoba hoe tsy tokony asiana fizahan-tavan’olona ny finoana (Jakoba 2. 1-7). Mampieritreritra tokoa anie ny mahatsikaritra fa hitanao amin’ny fiara eo ivelan’ny fiangonana eo ihany hoe karazana mpiangona manao ahoana ny ato amin’ity fiangonana ity ? Fa misy koa mantsy fiangonana tena tsy misy fiara hitanao izany mihitsy eo ivelany fa dia vahoaka be koa no hitanao mivoaka avy ao. Fanontaniana : Olona manavakavaka sy mifidifidy olona ve aho sa mandray ny olona rehetra na inona sarangy sy fananany ary volo-kodiny ? Mitandrina fatratra. Satria manahirana be ny manaisotra loholona dia aleo tena mailo tokoa vao manendry olona ho amin’izany andraikitra izany, Mila ampandalovina fizahan-toetra izy ireny araka ny and. 24. Misotroa divay. Mazava ny resaka eto : fanafody, ary fatra kely... Tsy tokony ho raisina ho fanomezana alàlana hiboboka mihitsy izany ! Ny olona ao amin’i Kristy dia olona afaka ! ALAROBIA 29 NOVAMBRA I TIMOTY 6. 1-10 F. 2, 3 MAHAY MIHANINA Ny andevo (1, 2a). Maro tamin’ny mpikambana ny fiangonana tamin’ny taonjato voalohany no andevo. Ny fampianaran’ny soratra masina milaza ny fitoviana eo amin’ny olona rehetra dia mety hitarika ny andevo tsy hanaja. Lazain’i Paoly fa ny toeran’ny andevo dia “ambany zioga”, ny tompo kosa “mendrika hohajaina tsara”. Olana lehibe miantraika amin’ny fiangonana sy ny fampianarany no hiseho raha tsy voahaja io rafi-piaraha-monina. Ny mpampianatra sandoka (2b-5): - Miala amin’ny fampianaran’i Kristy sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. Kristy ilay fahefana faran-tampony. Tsy natao ho disoana ny fampianarany satria mitondra ho amin’ny famonjena. - Manana toetra miavonavona sy fitondrantena tsy mifanaraka amin’ny soratra masina. Manakona ny tsy fahalalany sy fiviliany amin’ny soratra masina amin’ny ady hevitra, fahaiza-miteny sy mandresy lahatra. Tia harena, manao fitaovana ny finoana an’Andriamanitra hanangonan’izany. Ny harena (6-10). Tsy afaka mifikitra amin’ny harena ara-materialy ny olona satria an’ny tany izany (Joba 1. 21). Manameloka mafy ny fikatsahana sy faniriana te hanan-karena i Paoly. Fahaverezana mandrakizay no vokatra haterak’io faka, io fitiavam-bola io. Mitaona antsika tsy hamela ny faneren’ny filàna sy fitakin’ny harena hihanaka sy hanjaka ny lahatsoratra. Ny toe-po tsara manoloana ny harena dia ny fahaizana mankafy izay hananana sy izay sahaza. *Andevo: misy ireo andevo vao teraka ary misy ireo lasa andevo noho ny varotra, fandaozan’ny ray aman-dreny, tsy fahafahana manefa trosa satria babo an’ady, na koa safidy satria te hanana fari-piainana tsara kokoa. Tsy misy idirany amin’ny resaka foko na fihaviana. Vavaka : Ampianaro aho hahay hankafy ny toerana misy ahy ankehitriny sy izay hananako. Arovy aho tsy hihavonavona na ho voasinton’ny fampianarana sandoka. ALAKAMISY 30 NOVAMBRA 1 Timoty 6. 11-21 F. 3, 6 HAFATRA SY FAMPAHEREZANA Fa hianao kosa. Isika kristianina dia olona tokony hiavaka mihitsy eto amin’izao tontolo izao eo amin’ny toe-panahy sy toe-tsaina aloha voalohany indrindra dia mitondra eo amin’ny toe-piaina koa izany. Tsy hiandry fotsiny hoe hataon’Andriamanitra miavaka ny manompo azy fa manao hetsika mihitsy koa, ho sahy miavaka eo amin’izao tontolo izao. Tsy fiavahan’ny te-ho deraina anefa fa fiavahana noho ny sitrapon’Andriamanitra. Fanontaniana : Amin’inona no tena mampiavaka anao manokana amin’ireo tsy mino ? Inona no mety mbola itovianao amin’izy ireo ? Miadia. Tsy mora anefa ny miaina izany hoe hiavaka izany fa tena ady tokoa. Ady amin’ny tena sy ady amin’ny devoly. Ny ady resahin’i Paoly eto dia lazainy hoe ady fihazonana ny fiainana mandrakizay. Ny zavatra efa azo no hazonina fa tsy hoe ezahina mba ho azo. Adihevitra be io eo amin’ny kristianina ny hoe : Angaha ny famonjena efa azo mety mbola ho very ? Ahoana no hevitrao momba izany ? Mpanankarena. Iverenan’i Paoly resahina indray ny momba azy ireo. Tsy hoe olo-mahantra daholo akory izany ny tao amin’ny fiangonana niandraiketan’i Timoty fa tena nisy tokoa ny nanan-katao. Tsy manome baiko akory i Paoly, tahaka izay nataon’i Jesoa hoe : amidio ny fanananao dia omeo ny malahelo ! Fa nampifoha ny sainy kosa hoe : aza miavonavona ! Aza matoky ny harena ! Matokia an’Andriamanitra ! Fanontaniana : Manao ahoana tokoa ny toe-ponao manoloana ireo harenanao ireo ? ZOMA 1 DESAMBRA SALAMO 29. 1-11 F. 1, 6 ANDRIAMANITRA MAHERY SY BE VONINAHITRA Manomeza voninahitra an’Andriamanitra (1-2). Baiko no omen’ny mpanao Salamo mba hanomezana voninahitra an’Andriamanitra. Matetika dia alain’ny olona ho an’ny tenany izany voninahitra izany. Kanefa na ny anjely any an-danitra aza dia manaiky fa an’Andriamanitra ny voninahitra sy ny hery. Ahoana no hanomezana voninahitra Azy ? Amin’ny fiankohofana sy ny fihaingoana masina, izany hoe : amin’ny toe-po manetry tena sy feno fahamasinana. Feo mahery ao anaty kotrokorana (3-9). Nandinika tsara ny kotrokorana i Davida fony izy niandry ondry tany an-dohasaha. Mahery vaika izany rehefa any ivelany no mandre azy. Endrey ny fihorohoron’ny zava-boary : na ny rano (3), na ny hazo (5), na ny afo (7), na ny efitra (8) na ny diera (9), dia samy mihorohoro manoloana ny feon’Andriamanitra. Ny feon’i Jesoa Kristy koa dia nanam-pahefana nampitsahatra ny tafio-drivotra. Fa mbola mahery lavitra noho izany ilay feon’Andriamanitra izay miantso ny olona hanatona Azy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Tenim-pitiavana miteny moramora ao am-pon’ny olona, ka mahatonga azy hino sy handray ilay fanavotana teo amin’ny hazofijaliana. Jehovah manome hery sy fiadanana (10-11). Ilay feo mahery sy kotrokorana izay mampangovitra ny fahavalo, dia tonga fampaherezana ho an’izay tia an’Andriamanitra. Maneho ny fahefany maha-mpanjaka Azy mandrakizay Izy, ka ilay hery izay handravany ny ratsy fanahy dia ampiasainy kosa hitondra fitahiana sy fiadanana ho an’ny olony. SABOTSY 2 DESAMBRA ISAIA 28. 1-15 F. 2, 6 FANKATOAVANA, SATROBONINAHITRA TSY METY LO Satroboninahitra hosoka (1-4). Mamon’ny avonavona Efraima, ka nanadino ny Tompo ary nanao an’i Samaria ho satroboninahitra. Tahaka izany koa ny olona izay jamban’ny fahafinaretana ka mirehareha mitady voninahitra sy laza amin’ny faharatsiana, toy ny fanambakàna, ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan’olona, sns… Kanefa dia voninahitra hosoka ihany. Efa vonona Andriamanitra ny handefa ny mahery hanitsaka sy handrapaka ny mpirehareha. Voasoratra fa i Salmanesera mpanjakan’i Asyria no niakatra namely an’i Samaria tamin’izany ( 2 Mpanjaka 18. 9) Fitahiana kosa ho an’izay sisa (5-6). Ao anatin’ny fitsarana dia misy hita ho natahotra an’Andriamanitra ihany, ny Joda no voalaza eto fa olony sisa. Inona kosa no anjaran’ireo ? Amin’ny fotoana izay hahitan’ny Efraima loza, nampanantena Andriamanitra fa Izy no ho satroboninahitra tsara tarehin’ny Joda. Homena azy ny fitsarana, Andriamanitra no heriny amin’ny ady, ka raha tokony hisesika hiady aminy ny fahavalony, dia voatosika miverina hivoaka ny vavahady kosa ireo. Nihelina ihany (7-15). Tsy naharitra anefa ny Joda fa nanaraka ny ratsy nataon’ny Efraima, eny hatramin’ny mpisorona sy ny mpaminaniny aza dia miraingiraingy, hany ka tsy mba hahazo fahalalana ireo raha mitsara. Amin’ny alalan’ny zaza madinika sy ny vahiny indray no hitenenan’Andriamanitra, mba hampahamenatra azy. Fa tsy nihaino izy ireo fa naleony naniratsira ka nanao fanekena tamin’izay nitarika azy ho amin’ny fahamelohana sy ny fahafatesana ihany. Hosaintsainina : Mitaky safidy sy hetsika ny fandrenesana ny Tenin’ny Tompo, na 1°) hino anatra ka hankatoa ny Tompo marina tokoa, na 2°) hanentsi-tadiny ka hiavonavona sy hirehareha ihany, handeha amin’ny làlana tsy izy ? Soratra masina ho an’ny herinandro : Salamo 29. 11 ALAHADY 3 DESAMBRA ISAIA 28. 16-29 F. 5, 7 FEHIZORO VOAZAHA SY MIZAHA TOETRA Fanorenana mafy (16-17). Tamin’izany dia efa nampilazain’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany fa hametraka vato fehizoro Izy. Kristy izany vato izany izay voazaha toetra, miorina mafy sy azo antoka. Ka izay rehetra miankina Aminy ihany no tsy mba hanan-tahotra. Ny lainga sy ny avonavona tsy hanana anjara fa ny fahamarinana sy ny fahitsiana no manjaka ao amin’ny fanjakany. Rava ny fanekena (18-22). Tsy naharo ny Joda ny heriny rehefa tonga ny mpanafika, ary hita fa boboka ilay fifanarahana nianteherany ka nilazany hoe : « raha avy ny loza dia tsy hahatratra azy izany,… » (15). Tara loatra vao tonga saina izy ireo, ka milaza nenina ny farafara fohy tsy azo itsorana sy ny firakotra kely tsy maharakotra (20). Ny fanaon’Andriamanitra mahazatra amin’ny olony dia famindram-po, fa eto kosa dia fitsarana. Efa vita ny fitsarana ny Joda, fa mbola ho avy ny fitsaran’Andriamanitra ny olombelona rehetra. Ny finoana sy fankatoavana an’i Jesoa Kristy irery ihany no hanafaka antsika amin’izany fahatezerana ho avy izany. Miasa ny tany (23-29). Fanoharana ny asa tany no nentin’ny Tompo hampianarana ny fikarakarany ny olony. Tsy asaina na aravona mandrakariva ny tany, fa rehefa vonona dia afafy ny voa (24). Toy izany koa ny fizahan-toetra antsika, mitsahatra ireny rehefa nahatratra ny tanjon’Andriamanitra. Samihafa ny fomba hamafazana ny voa araka ny karazany avy (25). Izany no mahasamihafa ny anatra omen’Andriamanitra antsika, arakaraka izay tokony hahitsy amintsika avy. Fantàka no ivelezana ny nigela ary tehina ny komina (27), samihafa toy izany no hizahan’Andriamanitra toetra antsika ihany koa, fa « mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela antsika halaim-panahy mihoatra noho izay zakantsika. » (1 Korintianina 10. 13). ALATSINAINY 4 DESAMBRA ISAIA 29. 1-24 F. 1, 2, 4 HAFATRA HO AN’I ARIELA Ry Ariela lionan’Andriamanitra (1-4 ): Jerosalema izay tanànan’i Davida (1a) dia oharina tahaka ny liona mahery (Ariela) izay niankina tamin’ny herin’ny tenany, tsy misy olona marina firy eo amin’io tanàna io (Salamo 14. 3), fa dia lany andro tamin’ny firavoravoana izy ireo. Andriamanitra no tompon’ny fotoana,avelany handalo ny fotoanan’ny firavoravoana (1b) nefa kosa mampilaza mialoha izay hataony amin’ny Jerosalema Izy noho ny faharatsiany(2-4). Isan’ny faharatsiana fanaony ny mibitsika amin’ny vovoka sy ny tany rehefa manandro sy manontany amin’ny maty, dia ahetrin’Andriamanitra amin’io vovoka sy tany izay niankohofany io koa izy ireo (4). Manao ahoana ny eto amin’ny firenentsika (fanandroana, sikidy…)?. Ry fahavalo( 5-8 ) : Inona kosa no hahazo ireo fahavalon’ny Jerosalema ? Famaizana (kotrokorana, horohoron-tany (6), hanonofy zava-tsoa sy mahafinaritra mandritry ny torimaso, nefa mifanohitra amin’izany nofy izany no hatrehina rehefa misokatra ny maso. Ianao kosa, tongava aminao araka izay irianao sy nofisinao tsara (Salamo 20. 5). Andriamanitra manajamba (9-14) : Mitarika ho amin’ny fahajambana (9) ny fiainan’i Jerosalema ao anatin’ny fombafombam-pivavahana. Andria-manitra koa mandefa fanahy maha-sondriatory (10) noho izy ireo mafy hatoka tsy mety hihaino ny tena mpaminany. Enga anie mba tsy ho fanahy maha-sondriantory no horaisintsika fa Fanahy mahavelona na dia heverin’ny olona ho mamo aza isika (Asan’ny Apostoly 2. 15). Lozan’ireo miketrika mangingina (15-16) : Andriamanitra mahita ny zavatra rehetra ka tandremo ny paikady miafina izay heverina ho tsy misy hidiran’Andriamanitra. Midira ao amin’ny planin’ilay Mpamorona anao. Mbola hody ho soa ny ratsy (17-24) : Tsy haharitra ny fahatezeran’Andriamanitra (Salamo 30. 5), fifaliana no ho solon’ny alahelo, ny jamba hahiratra ! Antso : Aza manao tsinotsinona ny famindrampon’Andriamanitra. TALATA 5 DESAMBRA ISAIA 30. 1-17 F. 5 NY HANJO AN’I JEROSALEMA Fanekem-pihavanana amin’ny Farao (1-7) : Tamin’ny fotoana nanjakan’i Hezekia mpanjaka no nitrangan’ity tantara ity, mitady fihavanana amin’ny Egypta ny mpanjaka mba hazahoany tolo-tsaina hoentina miady amin’ny Asyriana. Paikady heveriny fa hitondra fahombiazana ny fiankinan-doha amin’ny firenena mahery toa an’i Egypta. Fanalam-baraka anefa ny vokatr’izany (3). Matetika ny firenena an-dàlam-pandrosoana dia mila fanampiana avy amin’ny firenena mandroso mba hampivelatra ny toe-karena sy mba hiadiana amin’ny fahantrana. Fanontaniana : Hiankin-doha amin’Andria-manitra sa amin’ny firenena mandroso ? Soraty (8) : Nasain’Andriamanitra natao an-tsoratra ny nataon’ny Zanak’Israely sy ny nanjo azy mba ho fantantry ny taranaka ho avy mandimby mandrakizay izany. Ny Baiboly koa dia voasoratra amin’ny Teny Malagasy, isaorantsika Andriamanitra ny amin’ny mpanompomy izay isan’ny Malagasy voalohany nandika ny Baiboly amin’ny fitenintsika, mba hisy hambara amin’ny taranaka ho avy (Salamo 78. 4). Ny fiainantsika koa dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana ! (Apokalypsy 20. 12). Mafy sofina (9-11) : Misy fiteny hoe «ny olona dia tsy mihaino hafa tsy izay tiany ho re», toy izany ny Zanak’Israely tsy te hahare afa tsy teny malefaka (10). Ny Tenin’Andriamanitra dia tsy voatery hahafinaritra ny sofina foana, misy koa ny teny toa mahasosotra nefa mahasoa tokoa (2 Timoty 3. 16-17). Jesoa manome fitsaharana (12-17). Tsy mety mitady fitsaharana eo amin’Andriamanitra ny Zanak’Israely fa mbola mitohy miankina amin’ny hafainganam-pandehan’ny soavaly ihany hando-sirana. Ny mpanenjika nefa mbola haingam-pandeha lavitra noho ireo mpandositra ! Aoka izay ampidiro amin’izay ny sabatrao (Matio 26. 52) fa katsaho ny fitsaharana eo amin’ny Jesoa Kristy (15). ALAROBIA 6 DESAMBRA ISAIA 30. 18-33 F. 1 HAMINDRA FO AMINAO AHO Hita ao amin’ny toko teo aloha ny faharatsian’ny Zanak’Israely. Andriamanitra nefa mbola te-haneho famindrampo hatrany, ireto avy no mbola tiany hatao amin’ny olony : Jehovah miandry anao (18-19) : Andriamanitra dia mbola mitady izay hevitra tsara hiheverany antsika (Jeremia 29. 11), mbola te-haneho ny fiantrany Izy. Jehovah hamatsy anao (20) : Raha vao reny ny fitarainanao dia tonga Izy hamatsy anao izay ilainao ,izay no maha «Jehovah Jire» Azy (Genesisy 22. 7-14). Jehovah no mpitari-dia anao (21). Hisokatra ny masonao, hahare tsara ny sofinao mba hahatonga anao ho voakasiky ny hafatra entin’ny mpanompony, ary hahatonga anao ho tonga saina amin’ny ratsy ataonao (22). Henoy ilay feo mahatoky, feo mahazatra, impiry moa isika no efa diso làlana noho ny tsy fitandremantsika ny làlana tokony hizorana ? (Ohabolana 5. 12-14). Jehovah haneho ny fitahiny anao (22-25) : Tsy ho foana intsony ny fikelezanao aina, hahazo ranonorana amin’ny fotoany, ho tsara ny vokatra… Misy fepetra nefa izany (Deoteronomia 28. 1-2), raha mihaino tsara ny feony ianao. Jehovah miandany aminao fa hitsara sy hamely ny fahavalonao kosa (26-33) : Hifaly Jerosalema mandritry ny fotoana hamelezan’Andriamanitra ny fahavalony dia ny Asyriana izany. Isika koa dia hifaly amin’Andriamanitra mandrakariva satria efa naharesy ny fahavalo teo amin’ny hazofijaliana ny Tompontsika. Ny fahavalo dia i Satana sy ireo forongony manomboka amin’ny lohany (33) ka hatramin’ireo mpanaradia azy. Saintsaino : Inona avy ireo toetran’Andria-manitra voatanisa eto ? ALAKAMISY 7 DESAMBRA ISAIA 31. 1-9 F. 5 DISO PAIKADY ? Fiankinana (1-3) : Niatrik’ady tamin’ny Asyrianina fahavalo eto ny Zanak’Israely. Niantso ny Egyptiana izy ireo mba ho mpiara-dia an’ady. Nifidy ny soavaly sy kalesy izy ireo ho fitaovam-piadiana. Ny soavaly sy ny kalesy tamin’izany vanimpotoana izany dia isan’ireo famantarana ivelany ny haren’ny firenena iray. Raràn’ny lalàna mifehy ny mpanjaka tamin’izany anefa ny manana soavaly maro loatra (Deoteronomia 17. 16), mba tsy hiantehitra amin’ny harena fa hibanjina an’i Jehovah Tompon’ny maro. Inona ireo “soavaly” sy “Egyptiana” iankinanao ? Jesorona ô ? rehefa matavy ianao, sao mahafoy an’Andriamanitra ! (Deoteronomia 32. 15). Fiarovana (4-5) : Ny liona iray tsy matahotra ny mpiandry ondry hamely azy na dia maro isa aza. Andriamanitra Tsitoha, Ilay tsy matahotra ny hamaroan’ny fahavalo no miaro antsika. Amin’ny maha raim-pianakaviana ahy, ahoana ny fiarovako ny ankohonako manoloana ny fahasarotam-piainana ? Ho fiarovana antsika dia mety tsy hanome vola be antsika izy fa manome famatsiana kosa. Ohatra : vatsim-pianarana maimaim-poana ho an’ny zanaka. Aza manahy ny amin’izay hohanina fa Andriamanitra miaro antsika amin’ny tsy fisiana. Fandresena (6-9) : Asain’Isaia miverina amin’Andriamanitra ny Zanak’Israely, amin’ny alalan’ny fanariana ny sampy, raha mahatanteraka izany ny Zanak’Israely dia hibata fandresena amin’ny Asyriana. Fandresena ara-panahy no hobataintsika kristianina raha manary ny sampintsika tsy eo amintsika isika. Fanentanana : Tanisao eo am-pototry ny hazofijalian’i Jesoa Kristy ireo sampy mbola mihazona anao. ZOMA 8 DESAMBRA ISAIA 32. 1-20 F. 5 ANATRA HO AN’NY REHETRA Mpanjaka sy Mpanapaka (1-2) : Mpanjaka+Mpanapaka=Fierena+Fialofana, marina ve io asa marika io ? Araka ny mpandinika, Jesoa Kristy dia Mpanjaka, ary ny mpianany no mpanapaka. Ankehitriny kosa, isika mpanara-dia Azy no antsoiny hanapaka amin’ny rariny. Ho fanjakana tsara tantana (bonne gouvernance) raha ny mpanjaka sy ny mpanapaka hiasa amin’ny rariny sy fahamarinana. Mahay mihaino, mahay miteny (3-4) : Maso, sofina, saina, fo, lela... ireo no miasa rehefa hampita hafatra. Rehefa mahare zava-mitranga mikasika ny olona iray ka mila hampitaina amin’ny hafa dia ampiasao ny sivana telo* . Marina ve io zava-mitranga io ? Mahafinaritra ve ? Mahasoa ny hafa ve, raha ny zavatra tianao hotantaraina amin’ny hafa sady tsy marina, no tsy tsara no tsy ilaina ? Tetik’asa mendrika (5-8) : Rehefa mipetraka ny fanjakana tsara tantana, mipetraka tsara ny hoe iza no manao inona (5-6), rehefa tsy ny adala no raisina ho olo-mendrika (mitoetr’andriana) na ny mifanohitra amin’izay dia afaka anangana tetik’asa “mitoetr’andriana” ny fiarahamonina. Ianareo vehivavy (9-14) : Mampitandrina ny vehivavy matokitoky tena foana eto ny mpaminany, ireo mihevitra ny tenany ho miadana noho i Egypta ataony tokiny. Ry vehivavy, sao dia ny toetranao no hampitotongana ny toe-karem-pirenenao ? Fanahy Masina ô avia, midina re….(15-20) : Rehefa tonga ny Fanahy Masina dia hiverina amin’ny laoniny ny famokarana eo amin’ny Zanak’Israely (15). Handry fahalemana ny tany (17), hisy ny fiantombenana (stabilité). Dia ho rakitra fitahiana izy ireo. *Raha te hiditra bebe kokoa amin’ny sivana 3 vakio ny boky “connexion divine” Eric Celerier. Azonao jifaina ao amin’ny F.M.M.B. SABOTSY 9 DESAMBRA ISAIA 33. 1-24 F. 6 HAMONJY ANDRIAMANITRA Mitodika amin’i Asyria ary manambara ny hamaliana ny ratsy nataony ity faminaniana ity. Tsy nisy firenena nanafika na nanimba ny taniny manko kanefa dia nisetrasetra tamin’ireo firenena manodidina azy izy noho ny heriny. Nataony tsinontsinona ny fanambatambazana nataon’ny Joda taminy tamin’ny alalan’ny fanomezana fa mbola notafihiny ihany ity farany. Andriamanitra no hamaly azy. Ahy ny famaliana hoy Jehovah ! Romana 13. Andriamanitra afo mandevona (14). Na toa inona na toa inona herin’ny Asyrianina dia tsy misy dikany izany, tsy hahavonjy azy rehetra Andriamanitra no hitsangana hamely azy. Tao amin’i Jesoa Kristy dia resy tanteraka koa ny fahafatesana, fahavalo farany ho resena. Fampaherezana : Izay mety ho fahavalo hitanao sy tsapanao manohintohina ny fivelaranao dia iantsoy vonjy amin’Andriamanitra fa ho levoniny ho toy ny tsy teo izany ! Amena. Harenina i Jerosalema (17-22). Mahavelom-panantenana ny fitanisan’Andriamanitra ny momba an’i Jerosalema any aoriana any. Ny tena fototr’izany fanasitranana izany dia ambara mazava : 21-22. Ao Jehovah, ilay Heni-kaja. Izy no mitsara, Izy no miaro, Izy no Mpanjaka. Tao amin’i Jesoa Kristy dia tonga nonina tamintsika Andriamanitra (Jaona 1. 14). Fanontaniana : Efa nampandrosoinao manokana honina eo aminao ve anefa Izy sa fantatrao fotsiny ihany ny fisiany fa tsy misy ankoatr’izay ? Fahamarinana : Andriamanitry ny fanan-tenantsika Jehovah Andriamanitra sy Jesoa Kristy Tompontsika. Soratra masina ho an’ny herinandro : Isaia 33. 15-16 ALAHADY 10 DESAMBRA ISAIA 34. 1-17 F. 5 FANDRINGANANA Handringana ny jentilisa. Faminaniana ny amin’ny fitsarana tena mahatsiravina hihatra amin’ny jentilisa rehetra no ambara amintsika eto. Andriamanitra hiseho amin’ny maha-tompon’ny teny farany Azy. Haneho ny fahefany sy ny fahatezerany noho ny fahotana sy ny hamafisan’ny fon’ny olona amin’ny andro farany. Fa Andriamanitra tsy azo vazivaziana Izy, araky ny Galatianina 6. 7-8. Marina amin’ny teny fikasany Izy, fa marina koa amin’ny teny fampitandremany.Izay lazainy dia tsy maintsy ho to ka asakasak’izay mbola hanamafy fo sy tsy hety hino ny famonjena efa nomaniny tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy.Ny Edomita eto dia entina hanehoana ny maha fahavalon’Andriamanitra ny jentilisa mafy fo, toy ny hoe efa voaozona mihitsy. Ilay firenena taranak’i Esao izay nandray ho fahavalo ny zanak’Israely taranak’i Jakoba (Nomery 20. 14-21). Izay tsy an’Andriamanitra dia fahavalony. Ary izay manenjika izay Azy dia hiharan’ny famaizana koa. Misy farany ny zavatra rehetra. Mampahatsiahy ny nandravana an’i Sodoma sy Gomora ny voalaza eto. Miliba, manao izay mahafaly ny fony ny olona, manaram-po amin’ny fahafinaretan’ny nofo sy ny faharatsiana rehetra; ary misy mihitsy aza sahy maniratsira an’Andriamanitra satria hoe manana fahefana sy hery. Ho avy anefa ny fotoana izay ho tendren’Andriamanitra (Asan’ny Apostoly 17. 31) hifaranan’izany rehetra izany ka Izy Andriamanitra mihitsy no handrava sy hamotika ary hanongotra.Ho foana izay heverin’ny olona ho hery hianteherana amin’izao fiainana izao. Hafatra : Andriamanitra efa nanomana ny mandrakizay ho an’ny tsirairay. Ho rava izay mitoky amin’izao hita maso izao. ALATSINAINY 11 DESAMBRA ISAIA 35.1-10 F. 4 FOTOAM-PAMONJENA Ho zary lasa fiainana. “...Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be.” Jaona 10. 10b, izany tenin’ny Tompo izany no tsaroana raha mandinika ity toko faha-35 ity. Andriamanitra manolotra fiainana ho an’ny olony. Izy, mampanantena fifaliana haharitra mandrakizay ho an’ny malalany.Eo ny famonjena ny fanahy, fa eo koa ny fiainana tsy lalovam-pahoriana na alahelo ho lovain’izay rehetra tonga zanany.Toy ny hoe valin’ady, valin-kasasarana mihitsy no homanin’Andriamanitra ho an’izay rehetra voavonjy. Iza ary no tsy mba ho any sy te-hiaina izany ? Mifampahery. Tsy vitsy no mila ho kivy manoloana ny ady hatrehina ankehitriny.Ady amin’ny fahantrana, ady amin’ny fanenjehana, ady amin’ny aretina maro samihafa. Andriamanitra miantso ny kristianina hifampahery, hifanohana ary tsy hibanjina afa-tsy Izy, izay mampanantena fahafahana mandrakizay (3-4). Ho tanteraka. Any amin’ny mandrakizay, ho tanteraka ny zavatra rehetra. Tsy hisy intsony ny fahotana, ny fanamelohan-tena, ny fakampanahy, ny fisedrana.Hahatratra ny fahafenoin’i Jesosy Kristy ny olom-boavonjy rehetra. Hiaina anaty fahamasinana tanteraka. Vavaka : Mankasitraka Jesosy nanomana izany rehetra izany ho an’ny tsirairay. Amena ! TALATA 12 DESAMBRA ISAIA 36. 1-22 F. 2, 6 TSY IZAY MISEHO ANIO Halan-drivotra. Mpanjaka nitoky tamin’Andria-manitra i Hezekia ary nanana toe-panahy nifanaraka tamin’izany. Ambaran’ ny Tenin’Andriamanitra fa tsy misy toa azy ny teo alohany sy ny tao aoriany teo amin’ny fanjakan’i Joda (2 Mpanjaka 18. 5). Hery lehibe teo am-pelatanany izany ary fantatry ny mpanjakan’i Asyria. Endrika isehoan’ny fanenjehana ho an’izay rehetra mitoky Andriamanitra ny toy ity mitranga ity. Tsy hoe rehefa miaraka amin’Andriamanitra akory dia tsy hisy ny ady. Ny 1 Petera 5. 8 dia manomana antsika fa ny devoly dia mitady lalandava ny handavoana ny zanak’Andrimanitra. Fandemen-tsaina. Tahaka ny ataon’i Rabsake mihitsy ny fomba entin’ny devoly miditra an-tsehatra eo amin’ny fiainan’ny olona.Manao izay hahatonga ny olona hisalasala ny amin’ny fiasan’Andriamanitra eo amin’ny fiainana.Ary ny tena loza aza, dia milaza mihitsy izy fa izy no lehibe ary afaka hanome fiainana sy fahafahana ary fiadanana (16). Moa tsy toa izany no nambaboan’ny devoly an’i Eva ? Mahalala anefa isika ankehitriny ny vokatr’izany fisalasalàna izany, nandraisana safidy nifanohitra tamin’ny sitrapon’Andriamanitra.Faharavana no vokany. Mangina. Rehefa niampanga sy nanontany ny Tompo ny fariseo nandritry ny fitsarana Azy dia nangina Izy. Eto koa dia manoloana ireo teny rehetra izay tena nanohina fo nambaran’i Rabsake dia nangina ny vahoaka fa tsy namaly. Fahendrena ihany koa ny fahanginana indraindray manoloana izay mety ho endrika fanenjehana rehetra, an’Andriamanitrra ny famaliana (Eksodosy 14. 14). Vavaka : Ny herinao Tompo no hitokiako.Ianao no mampandresy amin’ny adim-panahy rehetra lalovako. Amena. ALAROBIA 13 DESAMBRA ISAIA 37. 1-20 F. 1, 2 ANDRIAMANITRA NO TOMPON’NY HO AVY Mihaino Ny Tompo amin’ny andro sarotra. Manoloana ny fihantsiana sy ny fizahozahoana asehon’i Sankeriba izay efa hitantsika teo aloha (Isaia 36. 18-20) dia niantoraka tanteraka tamin’Andriamanitra i Hezekia (1). Fanampin’izany koa dia nirahiny ny olony ho any amin’Isaia mpaminany hihaino ny feon’Andriamanitra momba io raharaha io (6). Ny fahoriana atrehiny, izay ohariny amin’ny fahoriana isan’ny mafy indrindra eo amin’ny fiainana, dia ny fiterahan’ny reny iray tsy ampy hery hamoahana ny zaza avy ao an-kibony (3). Finoana lalimpaka. Na sarotra aza ny nianjady tamin’i Hezekia dia tsy nanary toky izy fa nifikitra mafy tamin’ny Tompo. Finoana tsy voahozongozon’ny fandrahonan’ny fahavalo no nananany ary finoana nitaona azy ho amin’ny fahatokiana sy fitokisana bebe kokoa amin’Andriamanitra (16-17). Andriamanitra lehibe noho ny andriamanitra rehetra. Nampiasain’i Sankeriba daholo izay fomba rehetra handemena sy hanakiviana an’i Hezekia mba hilavo lefona aminy saingy tsy nahomby izany. I Hezekia mantsy dia tena nametraka an’Andriamanitra ho Tompon’ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany ka namela an’Andriamanitra hiasa sy haneho ny voninahiny (20). Efa nampanantena rahateo Andriamanitra tamin’ny alalan’i Isaia fa hamonjy azy amin’izany Izy (7-8). Ary tanteraka araka izay nolazain’Isaia fa Andriamanitra tokoa dia mamonjy ny olony amin’ny tanan’ny fahavalony. Diniho : Any amin’iza no hitotototoantsika voalohany indrindra rehefa mandalo andro sarotra isika ? Fampaherezana : «Andriamanitra no aro sy hery ho antsika ; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy» Salamo 46. 1. ALAKAMISY 14 DESAMBRA ISAIA 37. 21-38 F. 4, 6 ANDRIAMANITRA EO AMIN’NY FAMILIANA Andriamanitra mandresy, mamaly vavaka. Tamin’ ny Tompo Andriamaniny no nitondrana sy nanankinan’i Hezekia izao ady atrehiny amin’ny Asyriana izao. Nitaraina tamin’ny Tompo tokoa izy (17) ary Andriamanitra, amin’ny alalan’i Isaia, dia milaza fa reny izany vavaka izany ary mamaly Izy (21-22). Sankeriba tokoa mantsy tsy mijery afa-tsy izay hitan’ny masony dia ny miaramila sy ny kalesiny marobe (24) ka mihevitra fa tsy misy mahasakana azy. Ny tsy fanatr’i Sankeriba dia : «na dia voaomana aza ny soavaly amin’ny andro iadiana dia an’i Jehovah ihany ny fandresena» (Ohabolana 21. 31). Tsy fantatr’i Sankeriba tokoa hoe iza Jehovah Andriamanitra izay ifanandrinany. Andriamanitra miasa sy manafaka. Efa niala teo amin’ny fitantanana ity ady ity i Hezekia fa Andriamanitra no nanankinany manontolo izany. Hita eto ny toetran’Andriamanitra izay manohitra ny mpiavonavona sy ny mpaniratsira fa manome rariny kosa ny manetry tena (Jakoba 4. 6 – Ohabolana 3. 34). Tsy araka ny neritreretin’i Sankeriba ny zava-niseho. Raha zava-dratsy no novinavinainy hohanin’ny Jiosy (Isaia 36. 12), Andriamanitra dia manome famantarana sy milaza fa hihinana ny vokatra izay tsy namboleny izy ireo mandritra ny roa taona ary ny taona fahatelo dia hamafy sy hijinja eo amin’ny tany izay tsy ho lasa babo velively satria tsy ho tafiditra ao ny Asyriana (33-34) noho ny fiarovan’i Jehovah (35). Sankeriba kosa nody maina tany aminy ary maty novonoin’ny zanany rehefa naripaky ny anjelin’i Jehovah ny miaramilany (36-37). Fampaherezana : «Koa apetraho aminy ny fanahianareo rehetra ; fa Izy no miahy anareo.» I Petera 5. 7. ZOMA 15 DESAMBRA ISAIA 38. 1-21 F. 6 ARETINA SY FAHASITRANAN’I HEZEKIA Fahasoavan’Andriamanitra, fanomezana maimaimpoana, izany tokoa no azo lazaina fa azon’i Hezekia tamin’Andriamanitra satria raha ny fahafatesana no tokony ho làlana nizorany (1), rehefa nivavaka izy. Izy Ilay mandre ny fitalahoantsika ao amin’ny mangingina no namaly azy ka nanome tombon’andro 15 taona ho azy (3-5). Tsara ho marihina fa tsy nangataka mivantana tombon’andro akory i Hezekia teto fa nampahatsiahy an’Andriamanitra ny nandehanany teo anatrehany sy nitomany mafy dia mafy no nataony. Andriamanitra izay mahita ny tao am-pony lalina no namaly ny hetahetany na dia tsy nambarany aza izany. Mahatsiaro ny asa mahagaga nataon’i Jehovah. Tsara ny mahatsiaro ny asa mahagaga ataon’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika ka misaotra sy midera azy. Lesona ampianarin’i Hezekia antsika eto izany rehefa sitrana tamin’ny aretiny izy. Andriamanitra tokoa mantsy no mamadika ho fiadanana ny fahoriana lalovana (17). Fanilo tsy niampita. 15taona no tombon’andro amboniny nomen’Andriamanitra an’i Hezekia : tena fahasoavana lehibe ho azy izany. Telo taona aorian’izao fahasitranany izao anefa no teraka Manase zanany sy mpanjaka handimby azy. Raha ny fiainana sy ny fitondran’i Manase voatantara ao amin’ny bokin’ny Mpanjaka dia azo lazaina fa tsy tafita tany aminy ny fitiavana sy fifandraisan’i Hezekia rainy tamin’Andriamanitra. Ny mifanohitra tamin’ny nataon’ny rainy dia izay ratsy indrindra teo imason’i Jehovah no nataony (II Mpanjaka 21). Fanontaniana : Tafita eo amin’ny taranatsika ve ny fahalalantsika an’Andriamanitra ? Tanjona : “Mba hahafantatra izany ny taranaka ho avy ka hitsangana hitory izany amin’ny zanany kosa” Salamo 78. 6. SABOTSY 16 DESAMBRA ISAIA 39. 1-8 F. 5 JODA SY BABYLONA, ANKEHITRINY SY HOAVY Mifamangy. Mahavariana ity fifandraisana eo amin’i Merodaka-baladana sy Hezekia ity. Na dia amin’izao androntsika izao aza tsy ahitana izany hoe filoham-pirenena narary dia sitrana ka mahazo fiarahabana avy any amin’ny mpitondra firenena hafa. Diplomasia avo lenta ve izany ? Tena niainan’izy ireo izany hoe : miara-paly amin’izay mifaly izany. Fanontaniana : Amin’izao androntsika izao, izay manana izany baiko izany voasoratra mihitsy – tsy tahaka azy ireo – manao ahoana no fiainantsika izany eo amin’ny samy mpino, eo amin’ny iray fiangonana ? Tsy misy fizahan-tavan’olona ve ka ny manana be mpamangy sy mpanotrona fa ny malahelo kosa zary omby mahia tsy lelafin’ny namany eny ? Nampiditra fakampanahy. Raha zohina amin’ity tantara ity dia tena tamin’ny fo madio no nahatongavan’ireto mpamangy avy lavitra ireto saingy ny zavatra hitany no hahatonga fakampanahy be any aoriana ka hahatonga ny Babylonianina hanafika sy hitondra ny haren’ny mpanjakan’i Jerosalema any Babylona. Nahatonga fitsiriritana teo amin’izy ireo izany ka tongany tany amin’ny taniny ny akon’izany. Anatra : Aleo tsy haderadera ny fananana (izany rahateo no fanetrentena) sao dia isika ihany no hampidi-doza ny tenantsika. Tsara ny Tenin’i Jehovah. Fandrobàna ny taranakao izao ve no ambara dia lazainao fa tsara ? Toa ahitana taratra fitiavantena izany teny izany. F’angaha tsy afaka nivavaka ho an’ny taranany izy satria hitany fa ilay Andriamaniny dia mahay manao zava-mahagaga tsy takatry ny sain’olombelona ? Saintsaino : Ny mpisakaiza ankehitriny no ho lasa mpifahavalo rahatrizay ! Soratra masina ho an’ny herinandro : Isaia 38. 20 ALAHADY 17 DESAMBRA SALAMO 31. 1-14 F. 6 MATOKY ILAY MAHATOKY Andriamanitra azo itokisana. Nivoaka tao anatin’ny tononkiran’i Davida ireo toetran’Andria-manitra mahatoky. Andriamanitra marina, vatolampy, harambato, manda, fiarovana mafy (1-3). Andriamanitra mahery ny Andriamanitsika ary tsy miova ka azo ianteherana. Azo ialofana sy antenaina koa Izy, ary tsy atahorana hampitsanga-menatra ny fiandrasana Azy (1). Efa nisy porofo niainan’i Davida : «Efa nanavotra ahy Ianao» (5). Mihaino, mahita, mahafantatra ny fahoriana lalovantsika Izy (7), miandany ary manome izay sahaza (8). Tsy an-tendro-molotra ny fitiavan’Andriamanitra fa efa notanterahiny tamin’ny nanolorany an’i Jeso ho faty teo amin’ny hazofijaliana ho famonjena antsika ho afaka amin’ny fahotana. Efa fahasoavana be izany, nefa dia mbola miampy ny fiahiany isan’andro sy ny fanomanany ny fiainana mandrakizay koa ! Hira : «Mahery ny fitiavanao ka itokianay, izay mikambana aminao dia tsy hangaihay.» (FFPM 170) Manoloana ny zava-tsarotra. Ny Tompontsika dia azo ifampiresahana mivantana, azo angatahana izay mahatery rehetra. Vonona hiaro, hanafaka, hamonjy ary hitantana Izy. Fantany ny làlana lalovanao rehetra, azony ny fahoriana anaty mahazo anao. Meteza hametraka tanteraka ny momba anao eo Aminy (5), fa aza miady irery. Impiry tokoa moa isika no miasa saina sy feno fanahiana raha tojo sarotra ? Variana manao kajikajy sy mandeha araka ny fisainan’olombelona fa tsy miantso an’Andriamanitra akory ! Mandreraka sy mandany fotoana ny fihodinkodinana mitady hevitra hafa ankoatry ny ao amin’ny Tompo (10). Soa fa mpamindra fo Izy (9) ka manaiky handray foana. Aleo tsy mandany hery amin’ny rendrarendra manodoka, fa maharitra mivavaka, mifikitra sy miantehitra tanteraka amin’Ilay mahatoky. ALATSINAINY 18 DESAMBRA SALAMO 31. 15–25 F. 1, 2 FANOITRA MAMPITRAKA ANATY FAHORIANA NY VAVAKA Famalian’Andriamanitra. Ho an’ny ratsy fanahy, mpandainga, mpanohitra ny marina ary mpiavonavona sy mpanamavo : henatra sy faharesena (17-18). Izay matahotra an’Andriamanitra kosa dia hahita ny haben’ny fahatsarany (19). Ho diso paika izay te-hanao ratsy ny mpanompon’Andriamanitra (20). Efa fantatr’Andriamanitra mialoha ny zavatra hitranga rehetra ka efa miaro sy manafina ny olony Izy amin’ny fotoana hisehoan’ny loza. Matoa mihatra amin’ny olon’Andriamanitra ny loza, dia tsy sanatria tsy nampoiziny, fa navelany hitranga mba hitaizana sy hamolavolana antsika ho soa. Mbola vao eo am-pivavahana dia efa mandresy. Raha fintinina ny vontoatin’ny vavaka amin’ity salamo 31 ity dia ahitana fitarainana sy fitantarana ny zava-misy, fanamafisana ny fahatokiana an’Andriamanitra, fangatahana famindrampo, fanehoana ny faniriana, fanantenana, fisaorana sahady ny amin’ny famindrampon’Andriamanitra sy ny fandresena homeny. Tsy drafitra natao halain-tahaka fotsiny izany fa ny zava-dehibe dia ny fisokafana tanteraka amin’ny Tompo, tsy fanafenana ny fihetseham-po amin’Ilay Ray mihaino. Ny vavaka natao am-pahitsiana dia miafara amin’ny hiakam-pandresena : fiantsoana ny olona mba ho tia ny Tompo, fijoroana ho vavolombelona fa tsara sy marina Izy (23). Raha Davida no tokony hampaherezina noho ny mafy lalovany dia izy indray no mampahery ny olona noho ny fifikirany tamin’Andriamanitra (24). Hafatra : Mazotoa miresaka manokana amin’ny Tompo, mamboraka ny fihetseham-ponao amin’ny alalan’ny vavaka, mba hatanjaka sy hahery ianao. Fampidirana ny Filazantsara araka an’i LIOKA Lioka mpitsabo no nanoratra ity Filazantsara ity. Tsy olona nahalala an’i Jesoa manokana tahaka ireo mpianatra hafa izy fa nandre ny momba Azy taty aoriana. Nitarika azy hanao fanadihadiana tsara ny momba ny fiainan’i Jesoa sy ireo mpianany izany. Teo anelanelan’ny taona 80-90 no nanoratany ity Filazantsara ity. Lava indrindra amin’ny bokin’ny Testamenta Vaovao ary lava indrindra amin’ireo Filazantsara efatra ity nosoratany ity. Syrianina avy any Antiokia i Lioka ary mpanara-dia ny Apostoly Paoly izy. Miresaka azy i Paoly ao amin’ny Kolosianina 4. 14, Filemona and. 24 ary 2 Timoty 4. 11. Izy ilay naharitra nitoetra teo amin’i Paoly. Isan’ny marihiny dia ny fitantarany manaraka ny fotoana nitrangany (chronologique) ka izay no mahatonga azy hitantara hatramin’ny fahaterahan’i Jaona sy Jesoa mihitsy. Betsaka ny zavatra tantarain’i Lioka izay tsy voatantara any amin’ireo Filazantsara hafa. Hitombo amin’ny fahalalana an’i Kristy anie ny tsirairay eo am-pamakiana ny teny ary hitombo ny fifamatorana aina Aminy. TALATA 19 DESAMBRA LIOKA 1. 1-17 F. 6 NY FIANDOHANA Fampidirana. Eto am-panombohana ny tantara dia manome fanazavana i Lioka ny antony nahatonga azy hanoratra izao Filazantsara izao sy ny fomba nentiny nanatanteraka izany. Ny tanjony : hanamafy orina ny teny nampianarina (4). Teofilo no anoratany, izany hoe raha adika : Ilay malalan’Andriamanitra.. tian’Andriamanitra... Ho antsika ihany koa izany ny teny. Raiso ny hafatra ! Saintsaino : Mila olona tery am-panahy toy izao koa ny Tompo manolotra ny fotoanany sy ny fahaizany mba hampiorenana ny fahamarinana ny Filazantsara. Isan’ny efa nanolotena ho amin’izany ve ianao ? Zakaria. Mampanontany tena ny fiarahamonina ny olana toy izao hoe : marina sy mahitsy araka ny didy sy fitsipika nomen’ny Tompo kanefa dia momba ! Manana planina manokana ho azy anefa ny Tompo ary mbola hanafa-tondro maso azy amin’ny fotoany Fampaherezana : Misy zavatra maha-verihevitra anao manokana ve eo amin’ny fiainanao. Ho avy ny fotoana hanandratan’Andriamanitra anao fa manetre tena eo ambany tàna-maheriny aloha. Saintsaino : Ao anatin’ny fotoam-panom-poantsika sy ny seha-panompoantsika no hamangian’Andria-manitra antsika ihany koa tahaka an’i Zakaria. Teny fikasana : Ho faly sy ho ravoravo hianao ! (14a). Ny irak’i Jaona (15-17). Inona no voalaza momba izany ? Inona no mety ho raisinao koa ho irakao manokana amin’ireo ? Ho lehibe eo anatrehan’ny Tompo izy. Tsy maniry izany ve ianao sa ny ho lehibe eo imason’ny olona no tianao kokoa ? ALAROBIA 20 DESAMBRA LIOKA 1. 18-25 F. 2 MITOE-JAZA NY MOMBA SY NY VIRJINY Zakaria. Moana noho ny tsi-ninoany. Misy vokany foana ny tsy finoana ! Ny vokany iray lehibe dia ny tsy fahitana ny voninahitr’Andriamanitra (Jaona 11. 35) satria raha vao tsy misy ny finoana dia tsy manetsika ny tànan’Andriamanitra hiasa mihitsy izany. Baiko : Aza isan’izay tsy mino fa minoa ! Elizabeta. Nahazo fahasoavana indray vao niafina (24). Faly sahirana ! Menatra ve hoe olona efa antitra tsy mahay mipetraka koa ireto ! (18). Ahoana hoy ny hafatr’i Paoly tamin’i Timoty ? Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika... Ny hahatonga antsika ho sahy hijoro ny fanekentsika hanjakan’ny Fanahy Masina. Hoy ihany manko i Paoly hoe tsy nomen’Andriamanitra fanahy osa isika, fa Fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena (2 Timoty 1. 7). Naharitra ela i Zakaria. Ny fihaonana amin’Andriamanitra na ny mandray ny hafatra avy amin’Andriamanitra dia tsy mba vita kimaimaika izany. Mila maka fotoana isika hitoetra eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra mba handrenesantsika Azy, mba hahitatsika ny fahazavan’ny tavany. Fotoana sarobidy izany ! Manana izany ve ianao ? Manao izany ho laharam-pahamehana ve ? Tapitra ny anjarany vao nody. Tsy hoe nalefa nody aloha i Zakaria satria lasa moana fa mbola naharitra teo amin’ny anjara fanompoany ihany ka vita mihitsy izay vao nody izy na dia teo aza ity kilemany vaovao ity. ALAKAMISY 21 DESAMBRA LIOKA 1.26-38 F. 1, 6 MITOEJAZA NY VIRIJINY Mahery Andriamanitra. Ireo no zava-mahagaga roa loha hitantsika ato amin’ity vakiantsika ity. Amin’izao vaninandron’ny fandrosoana izao dia misy ihany ny fomba hitan’ny olombelona hampiterahana ireo mpivady tsy miteraka fa misy fotoana anefa tena voafetra mihitsy ny siansa ary dia ny mionona no sisa azo atao. Ny hitantsika eto dia ny hoe hain’Andriamanitra ny zavatra rehetra satria marina loatra ny hira fiderana milaza hoe : «Tompon’aina, Zanahary, Rain’ny voninahitra Izy» ! Haleloia ! Maria. Tsy mba noraisin’ny anjely ho tsi-finoana kosa ny an’i Maria fa nanaiky tsotra izy na dia mety ho fanalam-baraka aza ny ho vokatr’izany ho azy eo imason’ny olona. Vonona izy ! Nanolo-tena ho amin’ny sitrapon’Andriamanitra izy. Saintsaino : Ny finoana dia mitaky fijoroana eo amin’ny fiarahamonina ka tsy hatahorana izay vavan’ny manodidina ! Fampanantenana : Fa tsy misy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’Andriamanitra ! (37). Mbola ho tanteraka io fanapahana tsy misy fahataperany ambara momba an’i Jesosy io ! Io no nantenain’ny jiosy ho tanteraka tamin’ny fotoana nahatongavan’i Jesoa voalohany ho tonga nofo saingy tsy mbola izay no programan’Andriamanitra. Ho avy kosa anefa ny fotoana hahatanterahan’izany ao amin’ny fanjakana arivo taona aloha ary avy eo dia ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra ao amin’ilay lanitra vaovao sy tany vaovao. Izany no fanantenantsika kristianina. ZOMA 22 DESAMBRA LIOKA 1. 39-56 F. 2, 6 FIDERAN’I MARIA Jaona sy Jesosy. Nibitaka i Jaona nahatsiaro ny fanatrehan’i Jesosy, eny na hatrany an-kibon-dreniny aza. Raha nahita an’i Jesoa nanatona azy koa izy dia nanambara azy ho Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao. Hilaza mihitsy aza moa i Jaona aty aoriana hoe : « Izy tsy maintsy mitombo, izaho tsy maintsy mihena ». Jaona 3. 30. Fanontaniana : Aiza ho aiza kosa ianao amin’ny fitsaohana eo anatrehan’ny fiandrianan’i Jesosy Kristy ? Velon-kira i Maria. Zava-mahagaga tokoa izao zavatra mahazo an’i Maria izao. Rariny izy raha miloatra fiderana. Inona avy no votoatin’izany fiderana asandrany izany ? Ankoatry ny fiderana sy ny fankasitrahana dia maneho ihany koa fanetrentena izao teniny izao. Tsy mihevi-tena ho mendrika izy na dia mety ho hita ho hendry aza eo imason’ny olona. Manambara ny herin’Andriamanitra ihany koa izy. Lazainy koa anefa fa Andriamanitra manatanteraka ny Teny fikasany ny Andriamanitsika. Hita ho manana fahalalahana sy fiheverana ny momba an’Andriamanitra i Maria. Fanontaniana : Inona kosa no ambaranao manokana momba izany hoe asan’Andriamanitra hitanao teo amin’ny fiainanao manokana, teo amin’ny fiangonana, teo amin’ny firenena, teto amin’izao tontolo izao izany ? Fampaherezana : Ary sambatra hianao izay nino; fa hefaina izay zavatra nampilazain’ ny Tompo taminao (45). SABOTSY 23 DESAMBRA LIOKA 1. 57–66 F. 1, 2 MAHAGAGA Izay lazainy ? Hainy atao ! Teraka lahy tokoa i Elizabeta izay efa antitra, momba…. Araka ny fampanantenan’Andriamanitra an’i Zakaria (1. 13). Tena marina tokoa : « Moa misy zava-mahagaga izay tsy hain’Andriamanitra va ? » Jeremia 32. 27. Niara-paly tamin’i Elizabeta ny havany sy ny mpifanolo-bodi-rindrina taminy noho ny fahitan’izy ireo ny hatsaram-pon’Andriamanitra teo amin’ny fiainany. Fanontaniana : Mba miseho ho hitan’ny manodidina ve ny fahatsaran’Andriamanitra eo amin’ny fiainako ? Iza no atao anarany ? Hita eto tokoa fa sarobidy ny anarana omena ny zaza ka mila heverintsika Ray aman-dReny tsara izany ! Rehefa nanontaniana i Elizabeta ny amin’ny anaran’ny zaza dia i Jaona no nolazainy (60), mahagaga fa nitovy tamin’izay nosoratan’i Zakaria vadiny izany (63) na dia tsy nifampiresaka aza izy roa ireo. Mpivady miray saina ! fa ny tena mazava dia hoe ny Fanahin’Andriamanitra izay efa nanomana sy nanome io anarana io (1. 13) no niasa tao anatin’izy mivady. Zaza manao ahoana re ?! Hanao ahoana tokoa ny hoavin’i Jaona ? Ny fanohizantsika ny fandinihana no hahitatsika izany ! Ny azo antoka dia efa fantatr’Andriamanitra izy hatrany am-bohoka (Salamo 139. 13); ary ny tànan’Andriamanitra no aminy (66) (momba , miaro…) (Salamo 139. 5) ; manana «iraka» mazava homena azy Andriamanitra. Fampieritreretana : Ary izaho re mba manao ahoana e ? tena fantatro ve fa Andriamanitra mihitsy no nisahirana namolavola ahy ? manao ahoana ny hoaviko ? Ny azo antoka dia izao : raha ao amin’i Jesosy Kristy aho dia efa manomana fiainana be dia be ho ahy Izy (Jaona 10. 10). Soratra masina ho an’ny herinandro : Lioka 1. 45 ALAHADY 24 DESAMBRA LIOKA 1. 67–80 F. 1,6 MITODIKA AMIN’IZA ? Tsy niteny (moana) nandritra ny volana maromaro i Zakaria vokatry ny tsi-finoany sy nitadiavany famantarana (1. 20-22). Tandremo fa misy vokany ny fahotana ! Fa rehefa teraka i Jaona dia novahan’Andriamanitra ny lelany ka afaka nidera Azy Izy. Andriamanitra mamindra fo ! (Salamo 103. 8). Fa tsy voavela fotsiny ihany ny helok’i Zakaria, tsy niteny fotsiny ihany izy, fa nofenoin’Andriamanitra ny Fanahiny ka afaka naminany , nanambara izay zavatra ho avy ! Fampaherezana : Na manao ahoana na manao ahoana ny lasako, rehefa manaiky ho ampiasain’Andriamanitra aho dia vonona izy hanome ahy ny Fanahiny ! Mitsinjo. Hitan’Andriamanitra ny fahorian’ny olony (Eksodosy 3. 7, 8) ka manolotra fanavotana ho azy Izy (68), amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Izay efa nofenoiny ny Fanahiny hatrizay (Isaia 61. 1-3) : Hamonjy, hanafaka ny olony amin’ny fahavalo (71, 74) dia Satana izany. Hamindra fo (72), hampahatsiaro mandrakariva ny fanekeny masina « Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko » Jeremia 31. 33 , hanafaka amin’ny tahotra (74) mba hahafahan’ny olony hanompo an’Andriamanitra velona, hanamasina, hanamarina (75). Io ilay fanehoam-pitiavana sy asam-panavotana lehibe nataon’Andriamanitra tao amin’i Jesosy Kristy ! (Jaona 3. 16). Efa noraisinao ve izany fanomezana izany ? Mazava ny anjara asan’i Jaona. Ho mpaminany (76) izany hoe mpitondra ny hafatry ny Tenin’Andriamanitra. Mialoha làlana (76), hampianatra ny olona ny làlam-pamonjena (77), ka manomana ny fony hibebaka (3. 8) sy handray ny famelankeloka (77) ary hahita ilay famirapiratry ny voninahitr’Andriamanitra (79). Saintsaino : Ny andraikitry ny mpitondra ny Tenin’Andriamanitra dia ny mampitodika ny olona hijery an’i Jesosy ALATSINAINY 25 DESAMBRA LIOKA 2. 1-7 F. 1 TERAKA TETY AN-TANY I JESOA Tompon’ny fandaharana Andriamanitra. Tsy misy ny zavatra kisendrasendra na fifanandrifian-javatra araka ny fomba fisian’ny olombelona fa efa voalahatr’Andriamanitra avokoa ny zavatra rehetra. Afaka mampiasa ny manam-pahefana, ny olona tsotra, ny zaza, eny fa izay heverina ho tsy dia misy lanjany loatra aza ny Tompo mba hahatanteraka ny planiny. Nahoana no nisy izao fanoratana izao ? Satria tian’ny Tompo ho marim-pototra ny fahatongavan’i Jesoa tety an-tany fa tsy anganongano. Mazava tsara hoe iza no ray aman-dreniny, ny toerana nahaterahany sy ny fiaviany, voasoratra tsara ao anatin’ny bokim-panjakana Izy fa tsy olona tsy fantam-pototra. Josefa sy Maria nanara-dalàna. Zava-dehibe ny fanarahana ny lalàna eo anivon’ny fiarahamonina sy fanatanterahana ny adidy isan-karazany satria mbola mponina eto an-tany isika. Endrika fijoroana vavolombelona tsara koa izany. Ny mpino kristianina no tokony ho fitaratra amin’izany fanarahan-dalàna izany na aiza na aiza rehefa tsy mifanohitra amin’ny Tenin’Andriamanitra ilay lalàna. Nampandriana teo am-pihinanam-bilona. Tsy mba tany amin’ny toerana madio sy mihaja Ilay Zanak’Andriamanitra no teraka. Nokajiana ho isan’izay mahantra Izy mba hampisehoana fa mahantra ny olona nohon’ny fahotana ka miaina ao anatin’ny loto isan-karazany. Tonga hanafaka anao amin’izany i Jesoa raha vonona hiala amin’ny fahotana ianao. Nanetry tena Izy mba ho fisandratan’ny zanak’olombelona. Fisaorana : Misaotra Jesoa fa tena fitiavana lalina tokoa no natolotrao ho anay olombelona mba hamerina anay amin’ny toerana tian’ny Tompo hisy anay hatramin’ny famoronana. Haleloia ! TALATA 26 DESAMBRA LIOKA 2. 8-20 F. 1,2 VAOVAO MAHAFALY TSY MISY TOY IZANY Mpiandry ondry. Fahatairana, tahotra, hovitra ary hafaliana tsy nanam-paharoa no niainan’ireto mpiandry ondry ireto. Zavatra mbola tsy hitany sy reny no nitranga teto saingy fahatanterahan’ny fanantenany. Nambaran’ny anjely tamin’ity fotoana ity fa teraka Ilay Mpamonjy. Fanantenana ngezabe no fonosin’izany. Mety mbola tsy takatry ny mpiandry ondry fa tonga hamerina ny olona ho amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanadiovana ny fahotana sy ny famelankeloka ity Mpamonjy ity saingy faly foana izy satria amin’ny fiainana manontolo dia mila mpamonjy foana ny olombelona. Inona no tena ilànao ny famonjen’i Jesoa ? Ny ara-nofo ihany ve sa ny ara-panahy indrindra. Mifampiankina anefa ireo, rehefa voavonjy ny fanahinao dia mivaha koa ny olana ara-nofo satria vokatry ny tsi-fakantoavana ny Tenin’Andriamanitra ny olana amin’ny ankapobeny. Fampanantenana : « Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra! Ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany (14) ». Rehefa nahita dia nizara. Tsy tafandrimandry ny mpiandry ondry rehefa nandre sady nahita Ilay Mpamonjy fa lasa nizara sy nanaparitaka izany mba samy ho faly sy ho velom-panantenana ny ambanilanitra. Zarao amin’ny hafa ny asam-pamonjena nataon’i Jesoa taminao mba hahatonga azy ireo hanana fanantenana ka tsy hamoy fo amin’izao fiainana izao. Hetsika setriny. Inona no vokatry ny fahitan’ny mpiandry ondry izany rehetra izany ? (20) Mendrika hisaorana sy ho deraina tokoa ny Tompo satria zava-dehibe no nataony ho an’ny zanak’olombelona. Fanontaniana : Rehefa tonga toy izao ny Noely, inona no tena mahafaly anao ? Miankina amin’izany mantsy ny toe-po hasehonao ny Tompo. ALAROBIA 27 DESAMBRA LIOKA 2. 21-38 F. 1, 2 TANTERAKA NY FAMINANIANA Toy ny lahimatoa rehetra. Tena nampitoviana tamin’ny olombelona mihitsy i Jesoa, Izy koa moa sady tena olona no tena Andriamanitra ihany koa. Iza teto amin’izao tontolo izao no nanana izany. Ny anarany hoe JESOSY aza dia midika hoe «Jehovah no Mpamonjy» Matio 1. 21. Porofo mbola mampiseho ny maha-hafa indrindra ny fivavahana kristianina. Nanatanteraka ny fomba fanao amin’ny zanaka lahy matoa i Josefa sy i Maria mba hanaporofoiny fa mankatoa ny Tenin’Andriamanitra izy ireo. Simeona sy ny faharetany. Akory ny hafalian’i Simeona rehefa nahita Ilay Zazakely ! Tanteraka ny Tenin’Andriamanitra, nahita ny famonjena izy ka namoaka ny tao am-pony momba io zaza io tamin’ny faminaniana. Handavo izay rehetra manamafy fo ny fandrenesany ny amin’i Jesoa, fa hanangana kosa izay rehetra mino ny asa mahagaga nataony ka nanaiky Azy ho Mpamonjy sy ho Tompo. Tsy olana ho an’i Simeona intsony ny handao ny tany satria efa azony antoka ny famonjena. Ary ianao mba ahoana ? Fampiomanana. Azon’i Maria ve ny tian’i Simeona ho lazaina ? Tsy ho mora amin’ny reny niteraka tokoa mantsy ny hiatrika ny fampijaliana sy ny famonoana Ilay menaky ny ainy rehefa tonga ny fotoana hanatanterahan’i Jesoa ny iraka nampanaovin’ny Rainy Azy. Olom-bavaka i Ana. Nandany ny androm-piainany tamin’ny vavaka sy fifadian-kanina niandry Ilay Mpamonjy izy. Manao ahoana kosa ny fiandrasantsika ny fiverenan’i Jesoa ? Rehefa tanteraka ny fiandrasany dia nizara izany tamin’ny hafa koa izy. Ny olona tena nandray ny famonjen’i Jesoa dia tsy mahatana izany ho azy samy irery fa te-hizara izany amin’ny hafa hananan’ny hafa izany koa. Baikon’ny Tompo rahateo koa moa izany. Andeha ary ho fenointsika ny Filazantsara ny firenentsika e ! ALAKAMISY 28 DESAMBRA LIOKA 2. 39-52 F. 2, 6 RAIAMANDRENY Raiamandreny fatra-pivavaka tokoa i Maria sy Josefa ka nanaja ny fombafomba rehetra napetraka tamin’ny fotoan’androny. Teo anivonà fianakaviana, mety ho tsotsotra ara-pivelomana Jesoa no nateraka saingy ampoka kosa izy ara-pihetsehampo sy ara-pivavahana. Niantoka ny fitomboany tsara amin’ny lafiny rehetra izany. Hitan’Andriamanitra izay toe-po izay ka isan’ny nifidianan’Andriamanitra azy ireo koa ve izany ? Fanontaniana : Manao ahoana ny tontolo ibeazan’ny zanakao ? Sao dia ny hahametimety azy ara-nofo ihany no tena imasoanao fa tsy mijery loatra ny ara-panahy ? Tamana tao amin’ny tempoly. Niainan’i Jesoa ara-bakiteny mihitsy ny nambaran’i Davida hoe : «...dia hitoetra ao an-tranon’i Jehovah andro lava aho !» Salamo 23. 6b. Tsy ny hetsika samihafa mety natao tao anefa no tena nahatamana Azy tao fa ny hihaino ny Tenin’Andriamanitra sy niady hevitra, nitrandraka izany. Izany koa ve no mahaliana anao ho any am-piangonana, ary mahazo vahana ao am-piangonana koa ve izany ? Inona no tokony amboarina sy ahitsy ? Indro kely. Mahavariana ihany hoe làlana indray andro ve no nizorana vao hahatsiaro ianao hoe tsy hita le zaza ? Fa inona no dia nahavariana sa nankinina tamin’iza ity zanaka ? Avy eo dia ny zaza indray no omen-tsiny hoe : Nahoana no manao toy izao tamiko sy ny rainao ianao ? Betsaka ny raiamandreny velon-taraina manome tsiny ny zanany hoe maditra sy ny sisa amin’izao andro izao kanefa dia ny fitaizana natao azy na ny fifandraisany tamin’ireny zanany ireny ihany no isan’ny nahatonga ny zaza ho toy izany... Mampieritreritra ! ZOMA 29 DESAMBRA SALAMO 30.1-12 F. 1-6 IZY IHANY NO IANTEHERANA Jehovah Mpanavotra (1-5). Marihina fa ny fiainana kristiana dia tsy voatery ho misosa ho azy sy tsy misy olana araka ny fiheveran’ny sasany azy. Ny fahavalo, dia ny devoly rahateo dia tsy mipetrapetra-potsiny fa mitady hatrany izay hisintonana izay zanak’Andriamanitra mba hiverin-dàlana. Manoloana izany ny mpanao Salamo eto dia toa namintina ny traikefa niainany teo anatrehan’izany. Voalohany dia izay nataon’ny fahavalo azy. Faharoa dia ny fitarainany tamin’i Jehovah. Ary fahatelo farany dia ny nanasitranany azy. Ireo andininy telo ireo dia azo lazaina fa fiainan’ny kristianina andavan’andro. Ny azo antoka dia tsy hitaredretra Andriamanitra hamaly ny fitarainantsika ka hanavotra antsika amin’ny fombany sy amin’ny fotoany (Lioka 18. 7). Loza raha tsy eo Izy (6-12). Raha manafina ny tavany amintsika tokoa Andriamanitra dia loza ny hanjo antsika satria tsy misy mpiaro intsony isika hany ka hanjaka ny devoly fahavalo. Matetika tokoa mantsy rehefa misosasosa tsy misy olana ny fiainana dia lasa adinoina Izy. Izany indrindra no mila handinihantsika tena isan’andro na soa na ratsy miseho eo amin’ny fiainantsika. Tsy tokony hanadino ny firaisantsika Aminy mandrakariva isika. Soa ihany fa Andriamanitra mamindra fo ny Andriamanitsika. Ny hany andrasana amintsika fotsiny dia ny manankina Aminy ny fiainantsika iray manontolo amin’ny fotoana rehetra fa tsy hoe rehefa tojo fahasarotana ihany. Vavaka : Jehovah Tompo ô ! Aoka aho tsy hanadino Anao na soa na ratsy mitranga eo amin’ny fiainako. Amena. SABOTSY 30 DESAMBRA SALAMO 32. 1-11 F. 6 INONA NO ZAVA-DEHIBE INDRINDRA ? Tandremo sao diso tanjona (1-7). Inona tokoa moa no havalin’ny olona raha misy fametrahana fanontaniana hoe : Inona no tanjonao eo amin’ny fiainana ? Maro ny valimpanontaniana mety omena manoloana izany, ary antenaina fa zavatra tsara avokoa ireny. Aoka anefa tsy hohadinointsika fa raha tsy tafiditra ao amin’ireo tanjona tiantsika hotratrarina ireo ny “tanjona ho any amin’ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Tompo”, dia ho zava-poana avokoa izany rehetra izany. Tsy afaka mahazo izany anefa isika raha tsy voavela heloka. Izany indrindra no nahatonga an’i Davida nanao izao Salamo izao izay nilazany ny maha-zava-dehibe ny famelankeloka, izay antoky ny fahasambarana (1, 2). Ny hany andrasany avy amintsika dia ny fiaikentsika ny helotsika eo anatrehany mba hahazoany mamela ny helotsika (5). Izy no hitantana (7-11). Ny azo antoka dia izay olona voavela heloka ka nandray an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainany dia tonga olom-baovao tokoa (II Korintianina 5. 17). Izany no nahatonga an’i Davida nanambara fa Jehovah no hanolo-tsaina azy ireny (8), ho hodidinin’ny famindrampo izy ireny (10). Izany hoe azo antoka tanteraka fa Jevohah no hitantana ny fiainan’izay rehetra voavela heloka. Davida ihany koa dia nanentana antsika hifaly sy hiravoravo mandrakariva ao ami’i Jehovah (11). Izany dia tokony ho fiainan’ny kristiana isan’andro isan’andro. Fanontaniana : Efa voavela heloka tokoa ve aho ? Soratra masina ho an’ny herinandro : Salamo 32. 8 ALAHADY 31 DESAMBRA SALAMO 33. 1-22 F. 1 MENDRIKA NY ANDRIAMANITSIKA Mendrika hoderaina Izy (1-11). Matetika eo amin’ny fiainana andavan’andro, dia ireo olona nahavita zavatra, na nandresy teo amin’ny fifaninanana no deraina sy ankalazaina. Hany ka lasa olo-malaza ireny olona ireny. Tsy maninona izany, fa ny mpanao Salamo kosa eto dia nampahatsiahy ireo famoronana sy zava-mahagaga nataon’i Jehovah. Midika izany fa zava-poana ihany ny nampalaza sy ny zava-bitan’ireny olona ireny raha tsy nisy Jehovah Andriamanitra nahary izao rehetra izao. Tsy vitan’izay hoe nahary izao rehetra izao Izy, fa koa mbola namindra fo ihany koa na dia nihodina taminy aza ny zanak’olombelona. Izany indrindra no nampahatsiahivan’ny mpanao Salamo fa mendrika hobiana sy hoderaina ny Andriamanitsika. Hafa ihany ny manana Azy (12-22). Teny fandre matetika ity hoe «Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny» (12a) ity. Nefa inona no zava-misy ankehitriny ? na hoe inona no tokony hatao mba hahatongavana amin’izany ? Ny mpanao Salamo eto dia manahy fa ho sarotra izany raha miantehitra amin’ny heriny ny firenena iray (16, 17). Jehovah rahateo dia tsy nijanona teo amin’ny famoronana izao rehetra izao fotsiny fa mijery ny zanak’olombelona rehetra kosa Izy (13). Ny fitambaran’ny olona tsirairay rahateo no mitambatra ho ankohonana ary ny fitambaran’ny ankohonana rehetra no lasa firenena. Koa noho izany dia miainga avy amin’ny tsirairay avy no hahatonga ny firenena hanana an’i Jehovah ho Andriamaniny. Koa aoka handini-tena ny isam-batan’olona sy ny isan-tokantrano raha efa manana Azy ho Andriamanitra tokoa. Fandinihan-tena : Aiza ho aiza aho sy ny ankohonako manoloana an’Andriamanitra ?